Ambaratongan’ny «karisma,» hanasoavana ny be sy ny maro
1 Miezaha mitady ny fitiavana; fa maniria koa ny zava-panahy, fa indrindra ny faminaniana.
2 Fa izay miteny amin’ny teny tsy fantatra, dia tsy miteny amin’ny olona fa miteny amin’Andriamanitra, satria tsy misy mahalala izay lazainy, fa fanahy no itenenany zava-miafina.
3 Ary izay maminany kosa, dia miteny amin’ny olona ka mahasoa ny fanahiny, mankahery azy, ary manala alahelo azy.
4 Izay miteny amin’ny teny tsy fantatra dia mahasoa ny tenany ihany; fa izay maminany kosa dia mahasoa ny Eglizy.
5 Koa tiako ny hitenenanareo rehetra amin’ny fiteny tsy fantatra, nefa aleoko aza ny haminanianareo; satria ny maminany no ambony noho ny miteny amin’ny teny tsy fantatra, afa-tsy raha adika ny teniny, mba hahazoan’ny Eglizy soa.
6 Hevero ange, ry kristianina havana: raha mankany aminareo aho, ka fiteny tsy fantatra no itenenako, fa tsy fanambaràna, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana no itenenako aminareo, inona no soa ho vitako aminareo?
7 Raha tsy feo miavakavaka mazava no avoaky ny zavatra tsy manana aina, toy ny sodina na lokanga, ahoana no hahafantarana izay hira atao, na amin’ny sodina, na amin’ny lokanga?
8 Ary raha feo hafahafa no avoaky ny trômpetra, zovy no hioman-kiady?
9 Mba toy izany koa ianareo: raha tsy teny mazava no avoaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahalalana izay lazainareo? Dia hiteny amin’ny rivotra ianareo.
10 Na maro samihafa aza ny fitenin’ny olona amin’izao tontolo izao, dia tsy misy manam-peo tsy misy heviny na dia iray aza.
11 Nefa raha tsy mahalala ny hevitry ny feo aho, dia ho mpiberoberoka foana amin’ilay miteny aho.
12 Koa aoka ianareo izay fatra-paniry ny fanomezam-pahasoavana, mba ny hampandrosoana ny Eglizy no hotadiavinareo hananana be indrindra.
13 Noho izany, aoka izay miteny amin’ny teny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.
14 Fa raha mivavaka amin’ny fiteny tsy fantatra aho, dia mivavaka ihany ny fanahiko, fa ny saiko no tsy mahazo vokatra.
15 Hatao ahoana àry? Izao: sady hivavaka amin’ny fanahy aho no hivavaka amin’ny saina koa; sady hihira amin’ny fanahy aho no hihira amin’ny saina koa.
16 Fa raha mivavaka amin’ny fanahy fotsiny ianao, hataon’ny ankapobem-piangonana ahoana no famaly «Amen» ny fisaoranao, nefa tsy fantany akory izay lazainao?
17 Ianao hahavita fisaorana kanto tokoa, fa ny hafa no tsy hahazo soa.
18 Misaotra an’Andriamanitra aho, fa miteny amin’ny teny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra aho;
19 nefa ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy hampianarako ny hafa amin’ny saiko, toy izay hanao teny iray alina amin’ny teny tsy fantatra.
20 Ry kristianina havana, aoka tsy ho zaza amin’ny faharatsiana; mitsangàna ho lehilahy amin’ny fisainana e.
21 Voasoratra ao amin’ny Lalàna hoe:Amin’ny olona hafa fiteny, sy amin’ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin’ity firenena ity; ary na dia amin’izany aza, dia mbola tsy hihaino Ahy ihany izy,hoy ny Tompo.
22 Koa ny fiteny tsy fantatra àry, dia famantarana amin’ny tsy mino, fa tsy amin’ny mino; ary ny faminaniana kosa no amin’ny mino, fa tsy amin’ny tsy mino.
23 Raha vory ny mpiangona rehetra, ka miteny amin’ny fiteny tsy fantatra izy rehetra, ary miditra kosa ny tsy mahay sy ny tsy mino, moa tsy holazainy hoe very saina ianareo?
24 Fa raha samy maminany daholo kosa, no miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan’ny anatra ataon’izy rehetra izy, sady hotsarain’izy rehetra;
25 voaseho miharihary ny zava-takona ao am-pony, ka hiankohoka hitsaoka an’Andriamanitra izy, ary hilaza faeo aminareo tokoa Andriamanitra!
Ny «karisma» sy ny fitsipika harahina
26 Hatao ahoana àry, ry kristianina havana? Raha miangona ianareo, ka samy manana ny azy: ny sasany, hira; ny sasany, fampianarana; ao ny manana fanambaràna, ao ny manana fiteny tsy fantatra, ary misy manana fandikàn-teny: dia aoka hatao fampandrosoana ny namana ny zavatra rehetra.
27 Raha misy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, dia aoka ho roa na telo raha dia be, ka hifandimby; ary aoka hisy iray mandika teny.
28 Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka hangina izy eo amin’ny Eglizy, ka hiteny amin’ny tenany sy amin’Andriamanitra.
29 Ary ny amin’ny mpaminany kosa, dia aoka ho roa na telo no hiteny, fa ny sisa kosa hamantatra.
30 Raha misy mahazo fanambaràna anefa amin’izay mipetraka, dia aoka hangina ny voalohany;
31 satria mahazo mifandimby maminany ianareo rehetra, mba hahazoan’ny rehetra fianarana sy famporisihana.
32 Ary ny fanahy mampaminany dia zakain’izy mpaminany,
33 satria Andriamanitra tsy mba Andriamanitry ny tabataba, fa Andriamanitry ny fiadanana.
34 Araka ny fanao amin’ny Eglizin’ny olona masina rehetra, dia aoka hangina ny vehivavy ao am-piangonana; fa tsy tandrify azy ny miteny ao, ka dia aoka hanoa izy, sady araka ny voalazan’ny Lalàna koa izany.
35 Raha misy zavatra sasany tiany hofotorana, dia aoka ho any an-trano izy no hanontany ny lahy; fa mahamenatra raha vehivavy no hiteny ao am-piangonana.
36 Moa ianareo va no niavian’ny tenin’Andriamanitra, sa dia ao aminareo ihany no tongany?
37 Raha misy manao azy ho mpaminany, na manana ny Fanahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin’ny Tompo izay soratako ho anareo,
38 ka raha tsy te-hahalala izy, dia aoka tsy hahalala.
39 Koa amin’izany àry, ry kristianina havana, maniria mafy ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra;
40 fa indrindra: aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra.