Ny vavaky ny Fiangonana
1 Ny angatahiko voalohany indrindra àry, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an’ny olona rehetra,
2 ho an’ny mpanjaka sy ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana, amim-panajana an’Andriamanitra sy fahamaotonana tanteraka.
3 Izany no tsara sy ankasitrahina eo imason’Andriamanitra Mpamonjy antsika,
4 Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina.
5 Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona,
6 izay nanolotra ny Tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voaambara tamin’ny fotoany izany,
7 ary ny hitory izany no nametrahana ahy ho mpitory sy Apôstôly ary ho mpampianatra ny Jentily amin’ny finoana sy ny fahamarinana; milaza ny marina aho, fa tsy mandainga.
8 Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.
Ny tokony hataon’ny vehivavy
9 Toy izany koa ny vehivavy, mitondra fitafiana mendrika, miravaka am-pahamaotonana sy fahendrena; tsy randram-bolo, na volamena, na vato soa, na fitafiana sarobidy no atao,
10 fa asa soa araka ny mety amin’ny vehivavy mpivavaka.
11 Aoka hangina ny vehivavy raha ampianarina, ka hanaiky tsara;
12 fa tsy avelako hampianatra ny vehivavy, na handidy ny lehilahy, fa hangina ihany.
13 Satria i Adama no natao voalohany, vao i Eva;
14 ary tsy i Adama no voafitaka, fa ny vehivavy voafitakano tonga nanota;
15 nefa hovonjena ihany izy, noho ny fiterahan-jaza, raha tahiny maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamarinana amam-pahalalana onony.