Fiarahabana sy fisaorana an’Andriamanitra
1 I Paoly Apôstôlin’i Jesoa Kristy, noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy i Timote rahalahy, mamangy ny Eglizin’Andriamanitra izay any Kôrinty, mbamin’ny olona masina rehetra eran’i Akaia manontolo:
2 ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.
3 Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra,
4 Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.
5 Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay no haben’ny fanalana alahelo azonay amin’ny alalan’i Kristy koa.
6 Raha azom-pahoriana izahay, dia ho fanalana alahelo sy famonjena anareo izany; ary raha alàna alahelo izahay, dia ho fanalana alahelo anareo koa izany, fa mahatonga anareo handefitra tsara ireny fahoriana entinay ireny ihany.
7 Ary mafy ny fanantenanay ny aminareo, satria fantatray fa toraka ny niombonanareo tamin’ny fahoriana no hiombonanareo amin’ny fanalana alahelo koa.
8 Tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry kristianina havana, ny amin’ny fahoriana nanjò anay tany Azia, fa novesarana tsy eran’aina sy tafahoatra ny zakanay izahay, ka efa tsy nanampò izay ho velona intsony;
9 fa toa efa renay ao amin’ny tenanay ny didim-pahafatesana mba tsy hitokianay amin’ny tenanay intsony, fa amin’Andriamanitra izay manangana ny maty.
10 Izy no nanafaka anay tamin’izao fahafatesana efa hamely izao, sy manafaka anay ankehitriny, ary mbola antenainay hanafaka any aoriana koa,
11 indrindra fa raha manampy anay amin’ny fivavahana koa ianareo; dia ho maro ny mpisaotra noho ny fahasoavana azonay, satria maro no nangataka nahazoanay azy.
Ny antony nanovan’i Paoly ny diany
12 Fa izao no voninahitray: ny kônsiansinay no vavolombelona fa tamim-pahatsoram-po sy tamin-kitsim-po teo anatrehan’Andriamanitra, ary tsy tamin’ny fahendren’ny nofo, fa tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra, no nitondranay tena tamin’izao tontolo izao, fa indrindra taminareo.
13 Izay vakinareo sy fantatrareo tsara ihany no soratanay aminareo; ary manantena aho fa ho fantatrareo hatramin’ny farany
14 (sady maro aza no efa mahalala anay tsara); fa izahay moa voninahitrareo, ianareo koa ho voninahitray toy izany, amin’ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika.
15 Noho izany fahatokiana izany, tao aloha dia nikasa hankatỳ aminareo aho mba hahazoanareo soa indroa:
16 hihazo any aminareo aho aloha rehefa mankany Masedônia, ary ho any aminareo indray rehefa miverina avy any, dia ianareo no hanatitra ahy any Jodea.
17 Ka moa niovaova hevitra foana va aho raha nanao izany hevitra izany? Sa araka ny nofo no anaovako fikasana, ka dia misy «eny» sy «tsia» ato amiko?
18 Araka ny mahamarina fa mahatoky Andriamanitra no tsy maha- «eny» sy «tsia» ny teninay taminareo.
19 Satria ny Zanak’Andriamanitra dia i Kristy Jesoa, izay notorinay sy i Silvano ary i Timote taminareo, tsy nisy «eny» sy «tsia,» fa «eny» ihany no tao aminy.
20 Fa na firy na firy fampanantenana avy amin’Andriamanitra, dia tao amin’i Jesoa ihany ny «eny», ka dia amin’ny alalany sy amin’ny asanay koa no anaovana «Amen», mba ho voninahitr’Andriamanitra.
21 Ary tsy iza no mampaharitra anay mbaminareo ao amin’i Kristy, fa Andriamanitra, Izay naha-voahosotra antsika,
22 sy nanisy tombokase antsika, ary nanome ny Fanahy ho antoka ao am-pontsika.
23 Ary mianiana amin’ny fanahiko aho, sy miantso an’Andriamanitra ho vavolombelona fa fitsitsiako anareo no mbola tsy nankanesako atỳ Kôrinto indray;
24 tsy dia hoe hanao jadona amin’ny finoanareo izahay (sanatria), fa miara-miasa hampandroso ny hafalianareo; raha ny finoana, dia efa miorina tsara ianareo.