Famaliany ny fiampangana azy hoe malemy
1 Ary ny tenako, izaho Paoly, mihanta aminareo noho ny halemem-panahy sy ny hatsaram-pon’i Kristy, dia izaho izay manetry tena aminareo, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa nony tsy eo.
2 Aoka re aho mba tsy ho voatery ho sahy tokoa rehefa tonga; fa lalina loatra anie izato fikasako hanampatra fahasahiana amin’ny olona sasany izato e, dia amin’ireo manao anay ho mandeha ara-batana!
3 Na dia mandeha anatin’ny vatana aza izahay, dia tsy miady ara-batana;
4 satria tsy fiadiana ara-batana no iadianay, fa mahery araka an’Andriamanitra handrava manda.
5 Ravanay ny fisainan’olombelona mbamin’ny zavatra avo rehetra, izay mitsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra; ary baboinay hanaiky an’i Kristy ny hevitra rehetra.
6 Vonon-kamay ny tsy mpanaiky rehetra izahay, rehefa tontosa ny fanekenareo.
7 Dinihonareo tsara izay hitan’ny masonareo. Raha misy manao azy ho an’i Kristy, aoka izy handinika ao am-pony fa tahaka ny maha an’i Kristy azy no maha an’i Kristy anay koa;
8 ary na dia mbola hireharehako bebe ihany aza ny fahefana nomen’i Kristy anay, tsy hanonganana anareo, fa hananganana anareo, dia tsy hahazo henatra amin’izany aho.
9 Tsy te hiseho ho toy ny olona te hampatahotra anareo foana amin’ny taratasy aho;
10 fa ny taratasiny, hoy ny olona, no mavesatra sy mahery; kanjo nony tonga tokoa izy, ny tenany malemy foana; ny teniny tsinontsinona;
11 ka aoka izay olona miteny izany hahalala tsara fa ho sahala amin’ny teninay an-taratasy ihany, raha tsy eo izahay, ny asanay rehefa tonga izahay.
Famaliany ny fiampangana azy hoe be hambo
12 Izahay tsy mba sahy mampitovy na mampitaha ny tenanay amin-dry zareo sasany midera tena; satria hadalana mihitsy ny azy manohatra ny tenany amin’ny tenany, sy mampitaha ny tenany amin’ny tenany.
13 Izahay kosa tsy mba mirehareha diso ohatra, fa araka ny ohatra voafetra nofaritan’Andriamanitra ho anjara hiasanay ihany, dia ny ohatra noferany nahatongavany anay hatrany aminareo;
14 fa tsy mihoatra ny faritry ny anjaranay izahay, hoatra ny raha tsy tonga hatrany aminareo, fa tonga hatrany aminareo tokoa izahay tamin’ny Evanjelin’i Kristy.
15 Tsy mirehareha ivelan’ny ohatra izahay, ka hirehareha amin’izay nisasaran’ny sasany; fa izao no antenainay: rehefa mitombo ny finoanareo, dia hitombo ao aminareo hatrany hatrany izahay, araka ny voafaritra ho anjaranay;
16 ka hitory ny Evanjely any an-koatry ny faritaninareo koa aza amin’izany; nefa tsy hihoatra any amin’ny anjaran’ny sasany, ka hirehareha amin’ny asan’ny sasany.
17 Izao ihany e:izay mirehareha aoka hirehareha ao amin’ny Tompo,
18 satria tsy izay midera tena, fa izay derain’ny Tompo, no tena olona voazaha toetra.