Categories
2Kôrintianina

2Kôrintianina 5

1 Fantatray fa rehefa rava ity trano lay itoeranay eto an-tany ity, manan-trano tsy nataon-tanan’olona, fa narafitr’Andriamanitra izahay, dia trano haharitra mandrakizay any an-danitra.

2 Koa misento ao anatin’ity izahay, fa maniry mafyhitafy ny tranonay avy any an-danitra,

3 raha mbola hita mitafy anefa izahay, fa tsy mitanjaka.

4 Satria raha mbola amin’ity trano lay ity koa izahay, dia misento, fa maniry ny tsy hoendahana, fa hitafy ny hafa koa ambonin’ity, mba hatelin’ny fiainana ny mety maty.

5 Ary tsy iza no namboatra antsika ho amin’izany, fa Andriamanitra Izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy ihany.

6 Koa noho izahay manana mandrakariva izany toky izany, sady mahalala fa lavitra ny Tompo izahay raha mbola mitoetra amin’ny vatana

7 (satria finoana moa no andehanantsika, fa tsy fahitana),

8 dia izany toky izany no itiavanay kokoa ny miala amin’ny vatana, mba hitoetra eo akaikin’ny Tompo.

9 Ary izany ihany koa no ikelezanay aina mba hankasitrahin’ny Tompo, na mitoetra amin’ny vatana izahay na miala aminy.

10 Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisantsika tsirairay avy izay tandrifin’ny asantsika fony mbola tao amin’ny vatana, na soa na ratsy izany.

Asa fandraharahana ataon’ny Apôstôly

11 Koa noho ny fanananay fahatahorana ny Tompo no itadiavanay hampiaiky ny olona; fa Andriamanitra moa dia mahalala anay mazava, ary ianareo koa dia ataoko fa mahalala anay ao amin’ny kônsiansinareo.

12 Tsy midera tena aminareo izahay, fa manome anareo izay ho azonareo hararaotina mba hireharehanareo ny aminay, sy hahazoanareo mamaly izay mitady voninahitra amin’ny fisehoana fotsiny, fa tsy amin’ny ao am-po;

13 dia izao: very saina moa izahay, ho an’Andriamanitra; mitombin-tsaina kosa indray, ho anareo.

14 Fa terin’ny fitiavan’i Kristy antsika izahay, satria fantatray marina fa maty ho an’ny olona rehetra ny olona iray, ka dia maty koa izy rehetra;

15 ary maty ho an’ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay maty sy nitsangana ho azy ireo.

16 Koa dia tsy mahalala olona araka ny nofointsony izahay; ary na dia nahalala an’i Kristy araka ny nofo aza izahay; dia tsy araka izany intsony no ahalalanay Azy ankehitriny.

17 Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.

18 Ary tsy iza no niavian’izany zavatra rehetra izany, fa Andriamanitra, izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana;

19 satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka tsy nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay.

20 Koa sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!

21 Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *