1 Ka noho izahay mpiara-miasa aminy àry dia mihanta aminareo izahay mba tsy handray foana ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo;
2 fa hoy izy:Tamin’ny fotoana tsara, nihaino anao Aho; ary tamin’ny androm-pamonjena, namonjy anao Aho: indro, ankehitriny no fotoana tsara; indro, ankehitriny no androm-pamonjena
3 sady tsy avelanay hisy manafintohina izay rehetra ataonay, mba tsy ho azo tsinìna ny fandraharahanay,
4 fa mainka ny zavatra rehetra entinay hahamendrika ny tenanay araka ny mety amin’ny mpandraharahan’Andriamanitra: dia faharetana lehibe amin’ny fahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana,
5 amin’ny kapoka, amin’ny tranomaizina, amin’ny tabataba, amin’ny fisasarana, amin’ny fiaretan-tory, amin’ny fifadian-kanina;
6 ary fahadiovan-toetra, fahalalana, faharetam-po, hamoram-panahy, ny Fanahy Masina, fitiavana tsy mihatsaravelatsihy,
7 toriteny marina, ny herin’Andriamanitra, ny fiadian’ny fahamarinana, na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia;
8 na omem-boninahitra na alàm-baraka, na ratsy laza na tsara laza; honoina ho mpamitaka nefa mpilaza ny marina; ho olon-tsy fantatra, nefa fantatra tsara;
9 sy ho efa ho faty, nefa indro fa velona; ho faizina mafy, nefa tsy maty tsy akory;
10 ho ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; ho mahantra, nefa nampanan-karena ny maro; ho tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra.
Famborahana hetsi-po sy fampitandremana
11 Ry Kôrintianina ô! misokatra aminareo ny vavanay, ary malalaka koa ny fonay.
12 Ny ato anatinay tsy mba ety ho anareo, fa ny ao am-ponareo no nataonareo ety,
13 ka mbà mamaly toy izany, fa zanaka no itenenako ianareo: mba halalaho koa ny fonareo.
14 Aza manao fikambanan-jioga hafahafa amin’ny tsy mpino ianareo; satria, inona moa no ikambanan’ny fahamarinana sy ny faharatsiana? Na inona no iraisan’ny mazava sy ny maizina?
15 Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy i Beliala? Na inona no iombonan’ny mpino amin’ny tsy mpino? Inona no ifankahazoan’ny Tempolin’Andriamanitra sy ny sampy?
16 Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny lazain’Izy Andriamanitra hoe:Honina eo aminy Aho, ary handeha eo aminy; dia Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy ho vahoakako.
17 Noho izany, hoy ny Tompo, mialà aminy ianareo, ka misaraha; fa aza mikasika ny maloto;
18 dia horaisiko ianareo, ka Izaho ho Rainareo, ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy, hoy ny Tompo mahefa ny zavatra rehetra.