Categories
2Kôrintianina

2Kôrintianina 8

Antony tokony hahafoizana

1 Mampandre anareo izahay, ry kristianina havana, fa izao no fahasoavan’Andriamanitra nomena ny Eglizy any Masedônia.

2 Na dia lehibe aza ny fahoriana nizahan-toetra azy, dia feno hafaliana izy ireo; ary na dia lalina aza ny fahantrana nahazo azy, dia nahafoy harena be tamin-katsoram-po izy.

3 Vavolombelona aho fa an-tsitrapo tokoa no nahafoizany araka izay zakany, eny mihoatra noho izay zakany aza,

4 fa niangavy mafy taminay izy mba hanana anjara amin’izany fanampiana ny olo-masina izany.

5 Koa dia sady nahatò ny fanantenanay izy no nitolo-tena amin’ny Tompo aloha, vao taminay koa, noho ny fahasoavan’Andriamanitra.

6 Izany no niangavianay an’i Tito mba hanatanteraka izany fahasoavana izany atỳ aminareo, noho izy efa nanomboka izany rahateo.

7 Aoka ho araka ny fahambonianareo amin’ny zavatra rehetra, dia amin’ny finoana, amin’ny teny, amin’ny fahalalana, amin’ny fahazotoana na amin’inona na amin’inona, ary amin’ny fitiavana anay, no ho fahambonianareo koa amin’ity fahasoavam-piantrana ity.

8 Tsy didy omeko anefa izany, fa fanararaotako ny zotom-pon’ny sasany hoenti-mitsapa ny hamarinan’ny fitiavanareo.

9 Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany.

10 Torohevitra fotsiny no omeko etoana, ary ampy anareo izany, satria ianareo ihany no voalohany nanomboka sy namorona ity hevitra ity aza, hatramin’ny taona itsy.

11 Koa tanteraho àry ny asa ankehitriny, ary aoka tsy ho latsaka noho ny hafanam-ponareo nikasa azy ny fanatanterahanareo azy araka izay anananareo.

12 Fa rehefa eo ny fahazotoana hanao, dia araka izay ananana ihany, fa tsy araka izay tsy ananana, no ankasitrahana izay atao.

13 Satria tsy mety raha ny sasany, alàm-pahoriana, ianareo, tra-pahoriana; fa ny fitoviana ihany e.

14 Amin’izao fotoana izao aloha, ny ambim-bavanareo no hanentsina ny tsy ampy amin’izy ireo; dia toy izany koa, ny ambim-bavan’izy ireono hameno ny tsy anananareo kosa; ary amin’izany dia hisy fitoviana, araka ny voasoratra hoe:

15 Ny nanangona be tsy nanana ambiny; ny nanangona kely, tsy nanana tsy ampy.

Hafatrafatra ho an’ireo solontena

16 Hisaorana anie Andriamanitra, fa nalatsany ao am-pon’i Tito koa ho anareo izany fahazotoana izany;

17 satria sady nanaiky ny fiangavianay izy no nazoto rahateo koa; ka an-tsitrapo tokoa no nankanesany any aminareo.

18 Sady nirahinay hiaraka aminy koa ilay havana iray finoana izay malaza amin’ny Eglizy rehetra amin’ny fitoriana ny Evanjely,

19 sy efa voatendrin’ny Eglizy koa hiray dia aminay amin’izao fahasoavana iasanay izao, mba ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon’ny fahazotoanay.

20 Izahay no manao izany koa, dia ny mba tsy hahazoan’ny olona manome tsiny anay amin’izao famoriam-be ikezahanay izao,

21 satria tsy ny soa eo imason’Andriamanitra ihany no kendrenay, fa ny soa eo imason’ny olombelona koa.

22 Nalefanay hiaraka amin’izy ireo koa aza ilay havanay iray finoana izay efa hitanay matetika fa mazoto amin’ny zavatra maro, sady vao mainka mazoto kokoa indray amin’izao, noho ny haben’ny fitokiany anareo.

23 Raha ny amin’i Tito aloha, dia namako sy mpiara-miasa amiko ho anareo izy; ary ny amin’ireo havana iray finoana kosa indray, dia iraky ny Eglizy sy voninahitr’i Kristy.

24 Koa asehoy aminy eo anatrehan’ny Eglizy ny mariky ny fitiavanareo azy, ary aza manome tondro maso anay, fa voalazanay tamin’izy ireo ho reharehanay ianareo.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *