Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 1

Sasin-teny

1 Fanambaràn’i Jesoa Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hanehoany amin’ireo mpanompony ny zavatra tsy maintsy ho tonga faingana sy nanirahany Anjely hampahalalaina an’i Joany mpanompony;

2 ka dia io no nanambara ny tenin’Andriamanitra sy ny filazan’i Jesoa Kristy, araka ny zavatra rehetra hitany.

3 Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoana.

Fiarahabana

4 Mamangy ny Eglizy fito any Azia aho, Joany: ho ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana, avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; avy amin’ny Fanahy fito eo anoloan’ny seza fiandrianany;

5 ary avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, ary Filohan’ny mpanjakan’ny tany. Ho an’Ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin’ny Rany,

6 sy nanao antsika ho fanjakana amam-pisoron’Andriamanitra Rainy, eny, ho Azy anie ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay doria. Amen.

7 Indro Izy avy eo amin’ny rahona, ka hahita Azy ny maso rehetra, na dia ny an’ireo nandefona Azy aza; ary handòn-tratra ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny fahitana Azy. Eny. Amen.

8 Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra.

Fahitana nanomanana an’i Joany

9 Izaho Joany, havanareo sy namanareo amin’ny fahoriana sy fanjakana ary fandeferana ao amin’i Jesoa Kristy, dia tao amin’ny nosy anankiray atao hoe Patmosy, noho ny amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fanambaràn’i Jesoa.

10 Notsindrian’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Tompo aho, ka nandre feo mahery tao ivohoko, toy ny feon-trômpetra,

11 nanao hoe: «Soraty amin’ny boky izay hitanao, ka ampitondray any amin’ny Eglizy fito any Azia, dia any Efezy, Smirna, Pergama, Tiatira, Sarda, Filadelfia, ary Laodisea.»

12 Dia niherika nankany amin’ilay feo niteny tamiko aho, ka nony tafatodika dia nahita fanaovan-jiro, maro rantsana.

13 Ary teo afovoan’ireo fanaovan-jiro ireo, dia nisy anankiray toy ny Zanak’olona, niakanjo akanjo rebareba, nietra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany;

14 ny lohany sy ny volony dia fotsy toy ny volon’ondry fotsy, ary mangatsakatsaka toy ny oram-panala; ny masony tahaka ny lelafo;

15 ny tongony toy ny varahina manganohano voadio tamin’ny memy afo, ary ny feony toy ny firohondrohon’ny rano be.

16 Ny tanany havanana nitana kintana fito, ny vavany nivoahan-tsabatra marani-dany roa, ary ny tarehiny toy ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny indrindra.

17 Vao nahita Azy aho, dia nitsingidina teo an-tongony toy ny maty; fa nanendry ahy tamin’ny tanany havanana Izy, ka nanao hoe: «Aza matahotra; izaho no Voalohany sy Farany ary Velona;

18 efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Afobe.

19 Koa soraty ny zavatra efa hitanao, sy izay ankehitriny, ary izay mbola ho avy koa any aoriana;

20 izao no hevitry ny kintana fito hitanao teo an-tanako ankavanana, sy ny fanaovan-jiro volamena fito: ny kintana fito moa dia ny Anjelin’ny Eglizy fito; ary ny fanaovan-jiro fito kosa dia ny Eglizy fito.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *