Antomotra ny sazy farany
1 Dia nahita Anjely anankiray hafa koa aho, nidina avy any an-danitra ka rahona no nitafiany, avana no teo ambony lohany, tahaka ny masoandro ny tarehiny, ary sahala amin’ny andry afo ny tongony.
2 Nitana boky kely nivelatra teny an-tanany izy; ny tongony ankavanana moa natsatony tamin’ny ranomasina, ary ny ankavia kosa tamin’ny tany;
3 niantso tamin’ny feo mahery toy ny fieron’ny liona izy, ka vao niantso izy dia nandefa ny feony ny kotrokorana fito.
4 Nony nandre ny feon-kotrokorana fito aho, dia ndeha hanoratra, kanjo nandre feo avy any an-danitra nanao tamiko hoe: «Asio tombokase ny voalazan’ny kotrokorana fito, fa aza soratana.»
5 Tamin’izay ilay Anjely hitako nitsangana teo ambony ranomasina sy teo ambonin’ny tany dia nanandratra ny tanany ankavanana tany an-danitra,
6 ka nianiana tamin’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra mbamin’izay ao aminy, sy ny tany mbamin’izay ao aminy ary ny ranomasina mbamin’izay ao aminy, fa tsy hisy andro intsony;
7 fa amin’ny andro hampandrenesan’ny Anjely fahafito ny feony, amin’ny fitsofana ny trômpetra, dia ho tanteraka ny misterin’Andriamanitra, araka ny nampilazainy ny mpaminany mpanompony,
Ilay boky kely hatelina
8 Ary niteny tamiko indray ilay feo reko avy any an-danitra, nanao hoe: «Mandehana alao ny boky kelymivelatra eny an-tanan’ilay Anjely mitsangana eo ambonin’ny ranomasina sy ny tany.»
9 Dia nankany amin’ilay Anjely aho sy nilaza taminy hanome ahy ny boky, ka hoy ny navaliny ahy: «Raiso ka atelemo izy; hangidy izy ao an-kibonao, nefa ho mamy toy ny tantely eo am-bavanao.»
10 Noraisiko ny boky teny an-tanan’ity Anjely, dia nateliko avokoa, ka mamy toy ny tantely izy tao am-bavako, fa nony nateliko kosa, dia tsaroako nangidy tao an-kiboko.
11 Tamin’izay dia nisy nilaza tamiko hoe: «Olona maro sy firenena maro sy fiteny samihafa ary mpanjaka maro koa no tsy maintsy mbola haminanianao.»