Fahitana an’ilay Vehivavy sy ny Dragona
1 Nony inona, nisy famantarana lehibe niseho teny an-danitra, dia Vehivavy anankiraynitafy masoandro, ny volana no teo an-tongony, kintana roa ambin’ny folo no satroboninahitra teny an-dohany.
2 bevohoka izy, sady nihetsi-jaza, ka nitaraina noho ny fanaintainam-piterahana.
3 Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny an-danitra, dia Dragona mena lehibe anankiray nitranga tampoka, fito ny lohany, folo ny tandrony, ary satroboninahitra fito no teny an-dohany.
4 Nofinaokany tamin’ny rambony ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra ka nazerany tamin’ny tany. Dia nijoro teo anoloan-dRavehivavy hiteraka izy mba handrapaka ny Zanany, raha vao teraka.
5 Tera-dahy Ravehivavy, ary io Zanany io no hifehy ny firenena rehetra amin’ny tsora-by, ka nakarina ho any amin’Andriamanitra eo anilan’ny seza fiandrianany.
6 Fa Ravehivavy kosa nandositra nankany an’efitra, fa any no nanamboaran’Andriamanitra toerana ho azy, mba hamelomana azy mandritra ny enimpolo amby roan-jato sy arivo andro.
7 Ary nisy ady tany an-danitra: i Misely sy ny Anjeliny moa niady tamin’ny Dragona; ny Dragona sy ny anjeliny koa namely,
8 fa tsy nahomby, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony;
9 ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin’ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.
10 Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe: «Ankehitriny dia an’Andriamanitra ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana; an’i Kristiny koa ny fahefana; efa voazera ilay mpiampanga ny namantsîka, dia ilay miampanga azy andro aman’alina eo anatrehan’ny Andriamanitsika.
11 Nandresy azy ireo koa ny namantsîka noho ny Ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nambarany ary ny tsy fitandroany ny ainy, na dia ho faty aza Izy.
12 Koa mifalia, ry lanitra, mbaminareo monina ao aminy. Fa hahita loza kosa ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa navarina any aminareo ny devoly, misafoaky ny hatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.»
13 Nony hitan’ilay Dragona fa voazera amin’ny tany izy, dia ilay Vehivavy tera-dahy no nenjehiny.
14 Nomena ela-boromahery lehibe roa anefa Ravehivavy, mba hanidinany ho any an’efitra amin’ny fitoerany, izay namelomana azy fotoana iray, sy fotoana roa, ary antsasaky ny fotoana, mba tsy hahitan’ilay menarana azy.
15 Dia nandefa rano toy ny ony avy amin’ny vavany ilay menarana, hankany amin-dRavehivavy, mba hipaohan’ny ony azy.
16 Kanjo novonjen’ny tany kosa Ravehivavy, fa nivava ny tany, dia nitelina ny ony nalefan’ilay Dragona tamin’ny vavany.
17 Tezitra tamin-dRavehivavy ny Dragona, ka any amin’ny zanany sisa mitandrina ny didin’Andriamanitra sy maharitra amin’ny fanambaràn’i Jesoa, no nifotrohany niadiana.
Ny Dragona mamindra ny fahefany amin’ilay Biby
18 Dia teny amin’ny fasi-dranomasina izy no nitsatoka.