Categories
Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany

Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 9

Ny Trômpetra fahadimy

1 Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahadimy, ka hitako kintana anankiray avy any an-danitra, nilatsaka tetỳ an-tany; nomena azy io ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa.

2 Dia nosokafany ny lavaka tsy hita noanoa, ka setroka toy ny avy amin’ny memy lehibe no nipololotra avy any; maizin’ny setroka avy any an-davaka terỳ ny masoandro sy ny habakabaka.

3 Io setroka io indray, namoaka valala niely tetỳ an-tany, sady nomena hery toy ny an’ny maingoka etỳ an-tany ireo,

4 ary norarana tsy hanimba ny ahitra amin’ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo, fa ny olona tsy manana ny fitombok’Andriamanitra teo an-kandriny ihany.

5 Tsy ny hamono azy anefa, fa ny hampanaintaina azy dimy volana no nasaina nataon’izy ireo, ary fanaintainana toy ny an’ny olona kaikerin’ny maingoka no hafitsony azy;

6 ka hitady ny fahafatesana ny olona amin’izany andro izany, fa tsy hahita azy; ary haniry ny ho faty izy, fa handositra azy ny fahafatesana.

7 Ireo valala ireo dia nanahaka ny soavaly vonon-kiady; satroboninahitra toa volamena no teny an-dohany; sahala amin’ny tavan’olona ny tavany;

8 tahaka ny volom-behivavy ny volony; ary mitovy amin’ny nifin-diona ny nifiny.

9 Ny fiarovan-tratran’izy ireo dia toy ny akanjo vy; ny fikopakopaky ny elany, sahala amin’ny fikotrokotroky ny kalesy tarihin-tsoavaly maro miriotra hiady;

10 ny rambony tahaka ny an’ny maingoka, sady nisy fitsindrona, ary ny rambony no nanan-kery hampanaintaina ny olona dimy volana.

11 Ny mpanjaka filohan’izy ireo, dia anjelin’ny lavaka tsy hita noanoa, izay atao hoe Abadôna amin’ny teny hebrio, ary Apôliôna amin’ny teny grika.

12 Lasa izay ny loza voalohany; fa indro hisosoka koa ny loza roa sisa.

Ny trômpetra fahenina

13 Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahenina, dia inay nisy feo reko nivoaka avy tamin’ny zoro efatry ny ôtely volamena eo anatrehan’Andriamanitra,

14 nilaza tamin’ny Anjely fahenina nitana ny trômpetra hoe: «Vahao ny Anjely efatra mifatotra any Eofrata ony lehibe.»

15 Dia novahana ireo Anjely efatra izay efa voaoman-drahateo ho amin’ny ora sy andro ary volana sy taona voatendry, hamono ny ampahatelon’ny olona;

16 ary roan-jato tapitrisa no isan’ny miaramila an-tsoavaly; fa nahare ny isany aho.

17 Ary toy izao no nahitako ny soavaly sy ny mpitaingina azy, tamin’ny fahitana: nivolon’afo sy hiasinta ary solifara ny fiarovan-tratran’ny mpitaingina azy, nilohan-diona ny lohan’ny soavaly, sady nivoaka afo aman-tsetroka sy solifara ny vavany,

18 Ary ireo loza telo nivoaka tamin’ny vavany ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara, no nahafaty ny ampahatelon’ny olona;

19 fa amin’ny vavany sy ny rambony no misy ny herin’ny soavaly, satria toy ny menarana ny rambony sady manan-doha ka amin’izany no amelezany.

20 Tsy nibebaka hiala amin’ny asan-tanany anefa ny olona sisa tsy matin’ireo loza ireo, mba tsy hivavahany amin’ny demony sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina ary vato aman-kazo, izay tsy mahajery na mahare na afa-mamindra akory;

21 tsy nisy nibebahany koa na ny vonoana olona, na ny ody mahery, na ny fijangajangana, na ny halatra nataon’izy ireo.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *