Ny nanasitranana an’ilay malemy
1 Ary i Piera sy i Joany nankao an-Tempoly tamin’ny fotoam-pivavahana amin’ny ora fahasivy.
2 Nisy kosa lehilahy anankiray malemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny nentina isan’andro sy napetraka teo am-baravaran’ny Tempoly atao hoe Tsaraendrika, mba hangataka fiantrana tamin’izay niditra tao an-Tempoly.
3 Nony nahita an’i Piera sy i Joany ndeha hiditra ny Tempoly ralehilahy io, dia nangataka fiantrana tamin’izy ireo.
4 Nibanjina azy i Piera mbamin’i Joany nanao hoe: «Jereo izahay.»
5 Dia nataony tsara jery izy ireo, fa nanantena hahazo zavatra taminy izy.
6 Fa hoy i Piera: «Tsy manam-bolafotsy na volamena aho; fa izay ananako no omeko anao: Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, mamindrà.»
7 Sady noraisiny tamin’ny tanany ankavanana izy sy natsangany. Natanjaka niaraka tamin’izay ny ranjony sy ny tongony,
8 dia niantsàmbotra izy sy nijoro ary namindra, ka niara-niditra tamin’izy ireo tao an-Tempoly namindra sy niantsambotsàmbotra, ary nidera an’Andriamanitra.
9 Nahita azy namindra sy nidera an’Andriamanitra ny vahoaka rehetra,
10 sady fantany tsara fa izy io indrindra no ilay nipetraka teo am-baravaran’ny Tempoly atao hoe Tsaraendrika mba hangataka fiantrana, ka gaga sy talanjona izy ireo noho ny zavatra nitranga tamin-dralehilahy.
Lahatenin’i Piera tamin’ny vahoaka
11 Ary noho izy io tsy niala teo amin’i Piera sy i Joany, dia nidodododo ny vahoaka nankeo amin’izy ireo teo amin’ny lavarangan’i Salômôna ka talanjona.
12 Nony nahita izany i Piera, dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: Ry Israelita, nahoana no gaga amin’izany ianareo, ary nahoana no mibanjina anay? Angaha ataonareo fa ny herinay sy ny fahamasinanay no mampamindra azy io?
13 Ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa Zanany,izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’i Pilaty, na dia nataony halefa aza Izy.
14 Ny Masina sy ny Marina nolavinareo, fa ny lehilahy mpamono olona no nangatahanareo famelana.
15 Ianareo namono ny Tompon’ny aina; fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona, ary izahay ireto no vavolombelon’izany.
16 Noho ny finoana ny Anarany no nampahatanjahan’ny Anarany an’io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io; eny, ny finoana avy aminy no nanome azy izao fahasitranana tsara teo imasonareo rehetra izao.
17 Ary ankehitriny, ry hava-malala, fantatro tsara fa ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany, toy izany koa ireo mpifehy anareo;
18 fa notanterahin’Andriamanitra tamin’izany kosa izay voalazany rahateo tamin’ny vavan’ny mpaminany rehetra fa hijaly i Kristy.
19 Koa mivaloza, ary mibebaha, mba hovonoina ny helokareo.
20 ka ho tonga ny andro mahavelombelona avy amin’ny Tompo, sy hanirahany an’Ilay voatendry ho anareo, dia i Jesoa Kristy,
21 Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra ambara-piavin’ny andro fanavaozana ny zavatra rehetra, araka izay voalazan’Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany masina, hatramin’ny ela.
22 Fa hoy i Môizy hoe:Ny Tompo Andriamanitrareo hanangana ho anareo Mpaminany tahaka ahy avy amin’ny rahalahinareo; Izy no hohenoinareo amin’izay rehetra holazainy aminareo,
23 fa izay rehetra tsy hihaino izany Mpaminany izany, dia haringana tsy ho eo amin’ny vahoaka intsony.
24 Ary ny mpaminany rehetra izay niteny hatramin’i Samoely no mankatỳ dia samy nanambara izao andro izao avokoa.
25 Ianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny razantsika, raha Izy nilaza tamin’i Abrahama hoe:Ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,
26 ka ho anareo aloha no nananganan’Andriamanitra ny Mpanompony, sy nanirahany Azy hanasoa anareo mba samy hialanareo amin’ny ratsy nataonareo avy.