Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 5

Fitak’i Anania sy i Safira

1 Ary nisy kosa lehilahy anankiray atao hoe Anania, sy i Safira vadiny, nivarotra tany,

2 nefa nanafenany ny vidin’ny tany, araka ny tetika niraisan’izy mivady, vao nentiny napetraka teo an-tongotry ny Apôstôly ny vola sisa.

3 Fa hoy i Piera: «Ry Anania, nahoana i Satana no nameno ny fonao handainga amin’ny Fanahy Masina, ka hanafina ny vola sasany amin’ny vidin’ny tany?

4 Fony mbola tsy namidy izy, moa tsy anao va? Ary nony efa namidy indray, moa tsy anao koa va ny vidiny? Ka ahoana no dia nahavitanao hevitra toy izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra.»

5 Nony nandre izany teny izany i Anania dia lavo, ka afaka ny ainy; ary raiki-tahotra izay tsy izy izay rehetra nandre izany.

6 Dia nitsangana ny tovolahy, nofonosiny ny fatiny, ka nentiny nalevina.

7 Nony afaka tokony ho adim-pamantaranandro telo, dia inty tamy koa ny vavy, tsy nahalala izay nanjò teo akory.

8 Ka hoy i Piera taminy: «Lazao amiko, moa izany ihany va no nivarotanareo ny taninareo?» «Eny, izany ihany,» hoy izy.

9 Dia hoy i Piera taminy: «Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin’ny Tompo? Indro mby eo am-baravarana ny tongotr’izay nandevina ny vadinao, ka hitondra anao koa.»

10 Niaraka tamin’izay dia lavo teo an-tongony izy, ka afaka ny ainy. Ary nony tafiditra ny tovolahy, dia hitany fa maty izy, ka nentiny naleviny tany anilan’ny lahy.

11 Dia raiki-tahotra mafy ny Eglizy manontolosy izay rehetra nandre izany.

Famintinana

12 Betsaka ny famantarana sy fahagagana natao teo amin’ny vahoaka, tamin’ny tanan’ny Apôstôly. Niara-nipetraka teo ambanin’ny lavarangan’i Salômôna ny mpino rehetra,

13 ary tsy nisy olon-kafa sahy nikambana tamin’izy ireo; nefa ny vahoaka nankalaza azy.

14 Nitombo isa isan’andro vaky ny olona izay nino ny Tompo, na lahy na vavy,

15 ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teo ambony farafara na tsihy fandriana, mba hisy ho azon’ny tandindon’i Piera ahay, raha mandalo izy.

16 Maro koa ny olona nidodododo nankao Jerosalema avy tamin’ny tanàna manodidina nitondra ny marary sy izay nampahorin’ny fanahy maloto, ary sitrana avokoa izy rehetra.

Nosamborina ny Apôstôly, dia afaka tamin’ny fomba mahagaga

17 Tamin’izay dia nentin’ny fialonana ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpiandany aminy, dia ny Sadoseanina ireo, ka nisafoaka.

18 Nasainy nosamborina ny Apôstôly, dia nataony an-tranomaizina.

19 Fa nony alina kosa dia nisy Anjelin’ny Tompo namoha ny varavaran’ny tranomaizina, ka nitondra azy nivoaka sy nanao hoe:

20 «Mandehana mankao amin’ny Tempoly, ka torio amin’ny vahoaka ny teny rehetra, ny amin’izany fiainana izany.»

21 Rehefa nandre izany izy ireo, dia niditra maraina koa tao amin’ny Tempoly ka nampianatra.

Teo anatrehan’ny fitsaran’ny Sanedrìna

Tonga kosa ny lehiben’ny mpisorona sy izay nomba azy ka namory ny Sanedrìna mbamin’ny loholona rehetra tamin’ny zanak’i Israely, ary naniraka nankao amin’ny tranomaizina haka ny Apôstôly.

22 Dia nandeha ny iraka, nefa tsy nahita azy ireo tao an-tranomaizina intsony, ka lasa niverina nilaza izay hitany hoe:

23 «Hitanay fa ny tranomaizina dia mihidy tsara, ary ny mpiambina nitsangana teo am-baravarana; kanjo nony novohainay, tsy nisy olona tao anatiny.»

24 Vaka dia vaka ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly sy ry zareo lehiben’ny mpisorona nony nandre izany, satria tsy takany velively izay tokony ho nahatonga izany.

25 Fa tamin’izay kosa inty nisy olona anankiray tonga nilaza tamin’izy ireo hoe: «Indreo ry zareo nataonareo tao an-tranomaizina ireny ao an-Tempoly ao, sady mampianatra ny olona.»

26 Dia lasa naka azy ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly sy ny namany, nefa tsy nanao an-keriny fa natahotra sao torahan’ny vahoaka vato.

27 Dia nentiny izy ireo ka napetrany tao amin’ny Sanedrìna, sy nadinin’ny lehiben’ny mpisorona hoe:

28 «Efa noraranay mafy ianareo mba tsy hampianatra amin’izany Anarana izany, kanjo vao mainka naelinareo eran’i Jerosalema ny fampianaranareo, ary izahay indray tadiavinareo hianjeran’ny ran’iny Lehilahy iny.»

29 Fa namaly i Piera sy ny Apôstôly ka nanao hoe: «Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona.

30 Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo.

31 Izy nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelan-keloka an’i Israely.

32 Ary izahay sy ny Fanahy Masina, nomen’Andriamanitra an’izay rehetra manaiky Azy, no vavolombelon’izany zavatra izany.»

33 Nisafoaka izay tsy izy ry zareo tamin’ny fandrenesana izany ka nifanara-kevitra izy fa hamono azy.

Tenin’i Gamaliela

34 Fa nitsangana teo amin’ny Sanedrìna kosa ity Farisianina anankiray atao hoe Gamaliely, mpampiana-dalàna malaza tamin’ny vahoaka rehetra, ka nasainy navoaka kely ny Apôstôly.

35 Dia hoy izy: «Ry Israelita, tandremo ihany izay hataonareo amin’ireo lehilahy ireo.

36 Fa tsy ela akory izay no nisehoan’i Teôdasy izay nanao ny tenany ho zavatra, sady efa nisy tokony ho efajato lahy no nomba azy; kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka izay rehetra nanaraka azy ka tonga tsinontsinona.

37 Taorian’izany indray, tamin’ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana koa i Jodasy avy any Galilea nitarika ny vahoaka hanaraka azy; kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka ihany koa izay rehetra nomba azy.

38 Koa ankehitriny, izao no hevitra omeko anareo: aza manan-draharaha amin’ireo lehilahy ireo akory, fa avelao izy handeha; satria raha avy amin’olona izao hevitra na raharaha izao, dia ho foana ho azy;

39 fa raha avy amin’Andriamanitra kosa, tsy ho hainareo foanana velively, sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra ianareo.»

40 Dia narahin’izy ireo izany toroheviny izany ka nantsoiny indray ny Apôstôly, ary nony efa nasainy nokapohina tamin’ny tsora-kazo sy norarany mafy tsy hiteny amin’ny Anaran’i Jesoa intsony, dia nalefany.

41 Nony niala tamin’ny Sanedrìna ny Apôstôly, dia nandeha an-kafaliana, satria natao ho mendrika ny hitondra fahafaham-baraka noho ny Anaran’i Jesoa.

42 Ary tsy nitsahatra ny nampianatra sy nitory isan’andro tao an-Tempoly sy tany an-tranon’olona izy ireo fa i Jesoa no Kristy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *