Ny nanorenana ny asan’ireo Fito lahy
1 Tamin’izany andro izany, rehefa nitombo ny isan’ny mpianatra, dia nimonjomonjo tamin’ny Hebrio ny Helenista, satria tsy mba nahîna loatra tamin’ny fizaràna ny fiantrana isan’andro ny mpitondratena tao aminy.
2 Ka novorin’ny roa ambin’ny folo lahy ny mpianatra rehetra nilazany hoe: «Tsy mety raha ilaozanay mitandrina ny sakafo ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra.
3 Koa amin’izany, ry hava-malala, mifidiana fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy Masina sy fahendrena, mba hametrahanay izany raharaha izany;
4 ary izahay kosa hikely aina amin’ny fivavahana sy ny fitorian-teny.»
5 Nankasitrahin’ny olona rehetra izany teny izany, ka dia nofidiny i Etienina lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, i Filipo, i Prôkôra, i Nikanôra, i Timôna, i Parmenasy, ary i Nikôlà, prôselita avy any Antiôkia.
6 Narosony teo anatrehan’ny Apôstôly izy ireo, ka nametrahany tanananony efa vita ny fivavahana.
7 Dia niely ny tenin’Andriamanitra, nihamaro be dia be ny mpianatra tao Jerosalema, ary betsaka koa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
Ny nisamborana an’i Etienina
8 Ary feno fahasoavana sy herim-po i Etienina, ka nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ny vahoaka.
9 Fa ny sasany avy amin’ny sinagogan’ny Libertinina, sy ny an’ny Sireneanina sy ny Aleksandrinina mbamin’ny Jody avy any Silisia sy Azia dia nitsangana niady hevitra tamin’i Etienina,
10 ka nony tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany izy ireo,
11 dia namoky olona hilaza hoe: «Renay nandefa teny fitenenan-dratsy an’i Môizy sy Andriamanitra izy io»
12 Nomeny fo koa ny vahoaka sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna, ka niantoraka tamin’i Etienina sy nisambotra azy, ary nitondra azy tany amin’ny Sanedrìna.
13 Dia nanangana vavolombelona tsy marina izy nanao hoe: «Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ny fitoerana masina sy ny Lalàna.
14 Efa renay nilaza izy fa ilay Jesoa avy any Nazareta, hono, dia handrava ity fitoerana ity, sy hanova ny fanao nomen’i Môizy antsika.»
15 Ary raha nibanjina an’i Etienina ry zareo rehetra nipetraka tao amin’ny Sanedrìna, dia hoatra ny Anjely no fijeriny ny tarehiny.