1 Tamin’izany andro izany, dia nisy fanenjehana mafy tamin’ny Eglizy tao Jerosalema, ka niely tany Jodea sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apôstôly ihany.
2 Nisy mpivavaka tsara sasany nandevina an’i Etienina, sady nitomany azy fatratra.
3 Fa i Saoly kosa nanenjika ny Eglizy; nidirany nosarihiny tany an-trano na lahy na vavy, ka nataony an-tranomaizina.
I Filipo tany Samaria
4 Ry zareo niely tamin’izay, dia nitety tany nitory ny tenin’Andriamanitra.
5 Ary i Filiponidina tany an-tanànan’i Samaria, ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao.
6 Nandre sy nahita ny fahagagana nataon’i Filipo ny vahoaka maro be, ka nihaino tsara izay nolazainy.
7 Fa maro ny olona azon’ny fanahy maloto no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy; betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa;
8 ka hafaliana moa izany no tao amin’izany tanàna izany!
I Simôna mpanao mazia
9 Ary nisy lehilahy anankiray atao hoe Simôna, izay efa tao an-tanàna rahateo: mpamoha angatra nahatalanjona ny vahoakan’i Samaria izy io, ka nanao ny tenany ho zavatra.
10 Nanaraka azy avokoa ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe, fa «ity lehilahy ity no Herin’Andriamanitra izay atao hoe Hery lehibe,» hoy izy ireo.
11 Efa voarebirebin’ny zava-mahatalanjona nataony hatry ny efa izy ireo, ka izany no nanarahany azy.
12 Fa rehefa nino an’i Filipo izay nitory ny fanjakan’Andriamanitra sy ny Anaran’i Jesoa Kristy izy ireo, dia natao Batemy avokoa na lahy na vavy.
13 Na ny tenan’i Simôna aza dia mba nino; ary rehefa natao Batemy izy dia tsy nahasaraka an’i Filipo, sady talanjona erỳ nahita ny famantarana amam-pahagagana lehibe tanteraka teo anatrehany.
14 Rehefa ren’ny Apôstôly tany Jerosalema fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny tany Samaria dia nirahiny hankany i Piera sy i Joany.
15 Nony tonga tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina;
16 satria vita Batemy tamin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ihany izy ireo, fa tsy mbola nisy nidinan’ny Fanahy Masina na dia iray aza.
17 Dia nametrahany tananaizy ireo, ka nandray ny Fanahy Masina.
18 Nony hitan’i Simôna fa fametrahan’ny Apôstôly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nanolotra vola azy izy.
19 nanao hoe: «Mba omeo ahy koa izany fahefana izany mba handray ny Fanahy Masina izay rehetra hametrahako tanana.» Fa hoy i Piera taminy:
20 «Aoka ho very miaraka amin’ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bolany fanomezan’Andriamanitra.
21 Tsy manana anjara amin’ity raharaha ity ianao na dia kely aza, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra.
22 Koa mibebaha amin’izao haratsianao izao, ary mangataha amin’ny Tompo mba hamela izany hevitry ny fonao izany raha azo atao,
23 satria hitako fa mbola anatin’ny fialonana mangidy sy voafatotry ny ota mihitsy ianao.»
24 Dia namaly i Simôna ka nanao hoe: «Mivavaha ho ahy amin’ny Tompo ianareo, mba tsy hanjò ahy izay voalazanareo.»
25 Nony efa nanambara sy nitory ny tenin’ny Tompo izy roa lahy, dia niverina tany Jerosalema, ka nitory ny Evanjely tamin’ny vohitra maro eran’i Samaria.
I Filipo manao Batemy ilay olom-bositra
26 Ary nisy Anjelin’ny Tompo niteny tamin’i Filipo ka nanao hoe: «Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo any amin’ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gazà, izay tanàna foana.»
27 Dia nitsangana izy ka nandeha. Ary indro nisy lehilahy anankiray avy any Etiôpia, olom-bositra sy manamboninahitra lehibe tao amin’i Kandasy mpanjakavavin’i Etiôpia, sady mpitandrina ny fananany rehetra, tonga tao Jerosalema mba hivavaka.
28 Nony niverina izy, ka nipetraka teo ambonin’ny kalesiny, dia namaky ny bokin’i Izaia mpaminany.
29 Ary hoy ny Fanahy Masina tamin’i Filipo: «Mandehana manatona io kalesy io.»
30 Dia nihazakazaka i Filipo ka nandre ilay olona namaky ny bokin’i Izaia mpaminany, ary nanao taminy hoe: «Moa fantatrao tsara va izay vakinao?»
31 Ka hoy izy: «Hataoko ahoana no fahalala izany raha tsy misy olona mitari-dalana ahy?» Dia nangataka an’i Filipo hiakatra ho eo aminy izy.
32 Ary izao no novakiny tao amin’ny Soratra Masina:«Nentina hovonoina mova tsy ny ondry Izy, ary tsy niloa-bava toy ny zanak’ondry moana eo anatrehan’ny mpanety Azy.
33 Fitsarana miangatra erỳ no nanesorana Azy;ary iza tamin’ny niara-belona taminy no nihevitra fa nongotana tamin’ny tanin’ny velona izy?»
34 Dia niteny tamin’i Filipo ilay olona nanao hoe: «Masìna ianao, iza no antsoin’ny mpaminany amin’izany? Ny tenany ve sa olon-kafa?»
35 Ary i Filipo niloa-bava, nanomboka tamin’ireo tenin’ny Soratra Masina ireo, ka nitory an’i Jesoa taminy.
36 Nony nandeha kelikely izy ireo, dia sendra rano, ka hoy ilay manamboninahitra: «Indro eo rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao Batemy?»
37 Dia hoy i Filipo: «Raha mino amin’ny fonao manontolo ianao, dia azo atao ihany izany.» Ary namaly izy nanao hoe: «Mino aho fa i Jesoa Kristy no Zanak’Andriamanitra.»
38 Dia nasainy najanona ny kalesy, ary niara-nidina nankeo anaty rano izy sy i Filipo, ka nanao Batemy azy i Filipo.
39 Nony niakatra avy teo amin’ny rano izy ireo, nentin’ny Fanahin’ny Tompo i Filipo, ka tsy hitany intsony, fa nizotra ny lalany an-kafaliana izy.
40 Fa i Filipo kosa tonga tany Azota, ary nitory ny Evanjely tamin’ny tanàna rehetra nandalovany mandra-pahatongany tany Sezarea.