Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 9

Ny niantsoana an’i Saoly

1 Tamin’izany i Saoly, dia mbola tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatry ny Tompo, ka nanatona ny lehiben’ny mpisorona izy,

2 nangataka taratasy taminy ho an’ny sinagogan’i Damasy mba hitondrany am-patorana ho any Jerosalema izay rehetra hitany manaraka izany lalana izany, na lahy na vavy.

3 Raha mbola teny an-dalana izy ka efa mby akaikin’i Damasy dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra nanjelanjelatra nanodidina azy.

4 Dia lavo tamin’ny tany izy, ary nandre feo nanao taminy hoe: «Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahyianao?»

5 Ka hoy izy: «Iza moa Ianao, Tompoko?» Ary hoy ny Tompo: «Izaho no Jesoa izay enjehinao; sasa-poana ianao mitroatra manohitra ny fanindronana.»

6 Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe: «Tompo ô! inona no tianao hataoko?»

7 Ary hoy ny Tompo taminy: «Mitsangàna, ka midira ao an-tanàna, ary ao no holazaina aminao izay tsy maintsy ataonao.» Tafatsatoka talanjona foana ny olona niaraka taminy, fa nandre ny feo, nefa tsy nahita olona na iza na iza.

8 Nony niarina avy hatreo i Saoly, dia nanokatra ny masony, fa tsy nahita na inona na inona; ka olona no nitantana azy hankao Damasy.

9 Ary hateloana izy no tsy nahita, sady tsy nihinana na nisotro.

10 Tao Damasy fahizay dia nisy mpianatra anankiray atao hoe Anania; nilazan’ny Tompo tamin’ny tsindrimandry hoe: «Ry Anania.» Dia hoy izy: «Inty aho, Tompoko.»

11 Ary hoy ny Tompo taminy: «Mitsangàna, ka mandehana any amin’ny lalana atao hoe Mahitsy; tadiavo ao an-tranon’i Jodà, fa misy lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsa efa mivavaka izy izao.»

12 (Tamin’izay koa i Saoly dia nahita lehilahyanankiray tamin’ny tsindrimandry atao hoe Anania izay niditra sy nametra-tanana taminy mba hampahiratra azy).

13 Ary i Anania namaly hoe: «Tompoko, reko tamin’ny olona maro fa loza loatra no nafitsok’io lehilahy io tamin’ny olonao masina tao Jerosalema;

14 ary atỳ indray izy izao nahazo fahefana tamin’ny lehiben’ny mpisorona indray koa mba hamatotra izay rehetra miantso ny Anaranao.»

15 Fa hoy ny Tompo taminy: «Mandehana, fa io lehilahy io dia fanaka voafidyho Ahy, hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily sy ny mpanjaka ary ny zanak’i Israely;

16 ary hasehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany noho ny Anarako.»

17 Dia nandeha i Anania, ka nony tonga tao an-trano, dia nametra-tananataminy nanao hoe: «Ry Saoly rahalahy, i Jesoa Tompo Izay niseho taminao teo amin’ny lalana nalehanao, dia naniraka ahy mba hahiratra indray ianao sy ho feno ny Fanahy Masina.»

18 Niaraka tamin’izay, nisy zavatra toy ny lanin-kazandrano niala teo amin’ny masony, ka nahiratra indray izy. Dia nitsangana izy ka natao Batemy;

19 ary nihinan-kanina, ka dia natanjaka indray.

Toritenin’i Paoly tany Damasy

Niara-nitoetra andro vitsivitsy tamin’ny mpianatra tao Damasy i Saoly,

20 ary nitory teo amin’ny sinagoga niaraka tamin’izay izy, ka nilaza fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra.

21 Talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: «Tsy ity va ilay nanenjika an’izay niantso izany Anarana izany tany Jerosalema, sy tonga atỳ mba hitondra azy am-patorana ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona»

22 Vao mainka nihanahery anefa i Saoly sy nandresy lahatra ny Jody nonina tao Damasy, naneho marimarina tamin’izy ireo fa i Jesoa no Kristy.

23 Nony afaka andro maromaro dia nioko hamono azy ny Jody;

24 fantatr’i Saoly ihany anefa ny hevi-dratsiny. Nambenan’izy ireo andro aman’alina ny vavahady mba hamonoany azy;

25 kanjo nalain’ny mpianatra kosa izy, nony alina, ka nataony tao anatin’ny sobika, dia nampidininy tamin’ny manda.

Famangian’i Paoly tany Jerosalema

26 Dia nankany Jerosalema i Saoly, ka nitady hikambana tamin’ny mpianatra, nefa natahotra azy izy rehetra satria tsy ninoany fa mpianatr’i Jesoa koa izy.

27 Tamin’izay nalain’i Baranabe izy ka nentiny tao amin’ny Apôstôly, dia notantarainy tamin’izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dalana, sy ny nitenenany taminy, ary ny hasahiana nasehony tamin’ny nitoriany ny Anaran’i Jesoa tao Damasy.

28 Izay vao niara-niditra sy nivoaka tamin-dry zareo tao Jerosalema izy, sady nitory tamin-kasahiana tamin’ny Anaran’ny Tompo.

29 Niresaka tamin’ny Jentily koa izy, ary niady hevitra tamin’ny Helenista; kanjo notadiavin’ireo hovonoina.

30 Ka nony fantatry ny rahalahy izany, dia nateriny tany Sezarea izy, vao nalefany ho any Tarsa.

Andro nilamina

31 Niadana ny Eglizy eran’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo fahizany, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo izy, no nihamaro tamin’ny famporisihan’ny Fanahy Masina.

I Piera nanasitrana malemy tao Lidà

32 Tamin’izay, raha namangy ny mpianatra rehetra isan-tanàna i Piera, dia nankao amin’ny olona masina izay nonina tao Lidà koa,

33 ka nahita lehilahy anankiray atao hoe Enea, izay nandry teo am-pandriana hatramin’ny valo taona, fa malemy,

34 ary nanao taminy hoe: «Ry Enea, hanasitrana anao i Jesoa Kristy; mitsangàna ka amboary ny fandrianao.» Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy.

35 Nony nahita azy izay rehetra nonina tao Lidà sy Sarôna, dia nibebaka nanatona ny Tompo avokoa.

I Piera nanangan-ko velona an’i Dôrkasy vehivavy tao Jôpe

36 Ary tany Jôpe nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe Tabità, na hoe Dôrkasy raha adika, izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka.

37 Narary izy tamin’izany andro izany, dia maty; ka nony avy nampandroina ny fatiny, dia napetraka tao amin’ny efitrano ambony.

38 Ary i Lidà moa dia akaikin’i Jôpe ihany; ka ren’ny mpianatra fa hoe ao i Piera, dia naniraka roa lahy ho any aminy izy ireo hangataka azy hoe: «Aza miatoato hankatỳ aminay.»

39 Dia nitsangana i Piera ka niara-nandeha tamin’ireo. Nony tonga izy, dia nentiny tany amin’ny efitra ambony, ka nohodidinin’ny mpitondratena rehetra, izay sady nitomany no nampiseho taminy ny lamba aman’akanjo nataon’i Dôrkasy fony fahavelony.

40 Navoakan’i Piera avokoa ny olona rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka, vao nanatrika ny faty nanao hoe: «Ry Tabità, mitsangàna.» Dia nahirany ny masony, ka nony nahita an’i Piera izy, dia niarina.

41 Ary i Piera kosa nanolo-tanana azy, sy nampitsangana azy; dia niantso ny olona masina sy ny mpitondratena, ka nanolotra azy velona tamin’izy ireo.

42 Niely eran’i Jôpe manontolo izany, ka betsaka no nino ny Tompo.

43 Ary i Piera nitoetra andro maromaro tany Jôpe, tao amin’ny mpandòn-koditra anankiray atao hoe Simôna.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *