Categories
Filipianina

Filipianina 1

Fiarahabana

1 I Paoly sy i Timote, mpanompon’i Jesoa Kristy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin’i Kristy Jesoa, mbamin’ny Pretrasy ny Diakra any Filipy:

2 ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.

Fisaorana an’Andriamanitra sy vavaka

3 Misaora an’Andriamanitra isaky ny mahatsiaro anareo aho;

4 ary mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra,

5 noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely, hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;

6 sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.

7 Ary rariny ny iheverako anareo rehetra toy izany, satria efa mby ato am-poko ianareo rehetra, noho ianareo rehetra mpiombona ny fahasoavana ananako, na amin’ny fifatorako, na amin’ny fampandreseko lahatra sy fanamafisako orina ny Evanjely.

8 Fa Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo rehetra ao am-pon’i Kristy Jesoaindrindra aho.

9 Ary izao no angatahiko aminy, dia ny hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin’ny fahaizana amam-pahalalana rehetra ny fitiavanareo,

10 mba hamantaranareo izay tsaratsara kokoa, dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-piavin’ny andron’i Kristy ianareo,

11 ary feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’i Jesoa Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.

Ny ataon’izy Paoly

12 Tiako ho fantatrareo, ry kristianina havana, fa efa tonga fampandrosoana ny Evanjely ny zavatra nanjò ahy,

13 satria efa vaky ato an-trano fiambenana sy any ivelany izao, fa noho i Kristy no ifatorako;

14 ka nahazo toky noho ny fifatorako ny ankabeazan’ny rahalahy ao amin’ny Tompo, ary voa mainka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin’Andriamanitra tsy aman-tahotra.

15 Marina fa noho ny fialonana sy fifandirana no itorian’ny sasany an’i Kristy, nefa ao koa ny manao an-katsaram-po tokoa,

16 ka ny an’ireto dia fitiavana no anaovany, satria fantany fa voatendry hampandresy lahatra ny Evanjely aho;

17 fa ny an’irerỳ kosa dia tsy fo mahitsy no itoriany an’i Kristy, fa an-kasomparana kendreny hanampy fahoriana ny fifatorako.

18 Nefa mampaninona moa izany e? Rehefa i Kristy no torina, na amim-pihatsarambelatsihy izany, na amin-kitsim-po, dia mahafaly ahy izany, ary mbola hahafaly ahy koa aza.

19 Satria fantatro fa hody ho famonjena ahy izany, noho ny fivavahanareo sy noho ny fitahian’ny Fanahin’i Kristy;

20 tsy izany ihany, fa manantena sy matoky aho fa tsy hahazo henatra na amin’inona na amin’inona, fa mainka ho feno ny fahasahiako, ka na dia ankehitriny aza, toraka ny mandrakariva koa, dia homem-boninahitra amin’ny tenako i Kristy, na velona aho, na maty.

21 Satria raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.

22 Raha mbola velona amin’ny nofo anefa aho, dia ho fahavokaran’ny asako izany, ka tsy hitako izay hofidiko,

23 fa sanganehana eo anelanelan’izy roa ireo aho: ny handeha ho any amin’i Kristy moa, iriko sy tsara lavitra:

24 nefa ny hitoetra amin’ny nofo kosa no ilaina kokoa noho ny aminareo.

25 Ary izany indrindra no ampoiziko sy fantatro, dia ny hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra, mba hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin’ny finoanareo.

26 Ka dia hitombo ao amin’i Kristy Jesoa ny reharehanareo noho ny amiko, amin’ny hankanesako atỳ aminareo indray.

Tolona hiarovana ny finoana

27 Fa izao ihany e: manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo; ary amin’izay, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo, fa hoe: maharitra amin’ny fanahy iray ianareo, sy miray fo miara-miasa hampandroso ny finoana ny Evanjely,

28 ary tsy miraika na inona na inona afitsoky ny fahavalo: ka mariky ny fahaverezana izany ho azy ireo, fa mariky ny famonjena kosa ho anareo, sady avy amin’Andriamanitra izany.

29 Satria noho ny amin’i Kristy, dia tsy ny hino Azy ihany no nomena anareo, fa ny hiaritra fahoriana noho ny aminy koa,

30 dia ny miaritra ny ady hitanareo niaretako, sy renareo ho mbola iaretako koa ankehitriny.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *