Miombona sy manetry tena
1 Koa raha mba manana famporisihana ao amin’i Kristy koa ianareo, na manana fanalana alahelo amin’ny fitiavana ihany, raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo,
2 dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra,
3 tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy,
4 samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa.
5 Manàna izao saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa izao:
6 na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny,
7 fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra,
8 ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana.
9 Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, sy nomeny Anarana mihoatrany anarana rehetra,
10 mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambany,
11 ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.
12 Noho izany, ry malalako, efa nanaiky mandrakariva koa ianareo, ka miasà amin-tahotra sy hovitra hanapitra ny famonjenareo tena, tsy tahaka ny fony aho tany aminareo fotsiny, fa mihoatra noho izany aza amin’izao aho tsy any aminareo izao,
13 fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo.
14 Ataovy tsy amim-pimonjomonjoana sy tsy amim-pisalasalana ny zavatra rehetra,
15 mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao,
16 mitana ny tenin’ny fiainana; dia hisy ho reharehako amin’ny andron’i Kristy, fa tsy ho nihazakazaka foana aho, na ho nisasatra foana.
17 Ary faly aho na dia ny tenako aza no haidinahampombaina ny fanolorana amam-pisoronan’ny finoanareo, ka miara-mifaly aminareo rehetra.
18 Mifalia amin’izany koa ianareo, ary miaraha mifaly amiko.
Asa anirahana an’i Timote sy i Epafrôdita
19 Manantena ao amin’i Jesoa Tompo aho fa haniraka an’i Timote faingana aty aminareo, mba hifaliako koa rehefa reko ny toetranareo;
20 fa tsy manana olona miray fo amiko sy mazoto miahy anareo toy izany aho.
21 Ny rehetradia samy miahy ny azy avy, fa tsy ny an’i Jesoa Kristy;
22 izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra tokoa; niara-niasa tamiko tamin’ny Evanjely izy, toy ny zanaka miaraka amin-drainy.
23 Koa dia manantena ny haniraka azy ho atỳ aminareo aho, raha vao hitako izay ho toetrako.
24 Ary na dia ny tenako aza, araka ny tokiko ao amin’ny Tompo, dia mbola ho avy faingana koa.
25 Nihevitra anefa aho fa i Epafrôdita rahalahiko, sady mpiara-miasa sy mpiara-miady amiko, ary irakareo hanompo ahy amin’ny zavatra ilaiko, dia tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo aloha;
26 fa efa manina anareo rehetra izy, sady nalahelo noho ny nandrenesanareo azy hoe narary.
27 Narary saika maty tokoa izy, fa Andriamanitra namindra fo taminy; ary tsy taminy ihany fa tamiko koa, mba tsy hananako alahelo mitongoa alahelo.
28 Koa dia ny nandefa azy no nahazoto ahy kokoa, mba hifalianareo amin’ny fahitana azy indray, sy hahamaivamaivana kokoa ny alaheloko.
29 Raiso an-kafaliana ao amin’ny Tompo àry izy; ary hajao ny olona toy izany;
30 fa ny raharahan’i Kristy no saika nahafaty azy; ary ny fanefana ny fanompoana ahy tsy efanareo no nanaovany ny ainy tsy ho zavatra