Categories
Galata

Galata 2

Ny fivoriana tany Jerosalema

1 Efatra ambin’ny folo taona taorian’izany, dia niakatra tany Jerosalema indray aho; i Barnabe niaraka tamiko, i Tito nentiko koa.

2 Fanambaràna azoko no niakarako tany; ka nasehoko tamin’izy ireo, indrindra fa tamin’ireo nanan-kaja kokoa, ny Evanjely toriko any amin’ny Jentily, hahitany na efa nihazakazaka tokoa aho, na efa nihazakazaka foana.

3 Fa na dia i Tito izay niaraka tamiko sy olona Jentily aza, dia tsy noterena hoforàna;

4 ary ny anton’izany, dia satria nisy mpino sandoka sasany nampidirina an-tsokosoko sy niditra mangingina, hitsikilo ny fahafahana ananantsika ao amin’i Kristy Jesoa mba hanandevozany antsika.

5 Tsy nety nanaraka ny hevitr’izy ireo mihitsy anefa izahay, na dia tapak’andro kely aza, mba hitoeran’ny fahamarinan’ny Evanjely eo aminareo.

6 Ny amin’ireo nanan-kaja kosa, na ahoana na ahoana halehibeny, dia tsy mampaninona ahy izany, fa Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona, ka tsy nandidy na inona na inona tamiko ireo olona nanan-kaja ireo.

7 Nony hitany aza fa izaho no nametrahana ny Evanjely ho an’ny tsy voafora, tahaka an’i Piera ho an’ny voafora,

8 satria izay niasa tamin’i Piera haha-Apôstôly azy amin’ny voafora ihany no niasa tamiko koa haha-Apôstôly ahy ho an’ny Jentily,

9 sady fantany koa ny fahasoavana nomena ahy, dia ny nandray tanana anay sy i Barnabe no nataon’i Jakôba sy i Sefasy ary i Joany, izay natao andry fiankinana, ary izany no mariky ny firaisana, na izahay aza ho any amin’ny Jentily, fa izy ireo kosa ho any amin’ny voafora.

10 Hany hafany dia ny hahatsiarovanay ny mahantra; ka zavatra nahazoto ahy rahateo ny hanao izany.

I Piera sy i Paoly tany Antiôkia

11 Nony tonga tany Antiôkia anefa i Sefasy, dia notoheriko an-kitsirano izao, fa hita fa nanan-tsiny izy.

12 Satria fony tsy mbola tonga ry zareo sasany avy any amin’i Jakôba, dia niara-nihinana tamin’ny Jentily ihany izy; kanjo nony tonga ry zareo ireo, dia niala izy, ka lasa nihatakataka, fa natahotra an-dry zareo voafora.

13 Ary nisy aza Jody sasany, niara-nanao tsikombakomba taminy koa, ka voatarik’izany hatramin’ny tenan’i Barnabe.

14 Vao hitako kosa fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ny Evanjely izy ireo, dia i Sefasy no nilazako teo anatrehan’ny olona rehetra teo hoe: «Koa ianao Jody aza re, manaraka ny fomban’ny Jentily, fa tsy ny an’ny Jody; ka ahoana no dia ahasahianao manery ny Jentily hanaraka ny fomban’ny Jody?»

Ny Evanjelin’i Paoly

15 «Taranaky ny Jody isika, fa tsy mba mpanota avy amin’ny Jentily;

16 nefa nony fantatsika fa tsy ny asan’ny Lalàna no anamarinana ny olona, fa ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia mba nino an’i Kristy Jesoa koa isika, mba hohamarinina amin’ny finoana Azy, fa tsy amin’ny asan’ny Lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny Lalàna.

17 Fa raha ilay mitady hohamarinina ao amin’i Kristy iny isika no amin’izay ny tenantsika aza no hita mpanota, dia ho mpandraharahan’ny ota àry i Kristy? Sanatria izany!

18 Fa raha izay noravako no atsangako indray, dia miampanga tena ho mpandika mihitsy aho,

19 satria noho ny Lalàna no nahafatesako ny amin’ny Lalàna, mba ho velona ho an’Andriamanitra aho. Niara-nofantsihana tamin’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana aho,

20 ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.

21 Amin’izany dia tsy mahafoana ny fahasoavan’Andriamanitra aho; fa raha ohatra ka avy amin’ny Lalàna kosa ny fahamarinana, dia ho maty foana i Kristy.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *