Fanamarinana avy amin’ny finoana
1 Ry Galata adala! iza no dia nandrebireby anareo, nefa he fa voapetaka tsara teo imasonareo i Jesoa mifantsika!
2 Izao ihany no tiako ho fantatra aminareo: ny asan’ny Lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fihainoana ny finoana?
3 Ahoana no dia mahakely saina anareo loatra toy izany, fa nanomboka tamin’ny fanahy ianareo, ka dia hiafara amin’ny nofo indray ve?
4 Dia ho nahafantatrafoana zava-mahagaga toy izany va ianareo? Ka asa raha tsy ho foana tokoa!
5 Izay manome anareo ny Fanahy, sy mahavita asa lehibe eo aminareo, amin’ny asan’ny Lalàna va no anaovany an’izany, sa amin’ny fihainoana ny finoana?
6 Izany tokoa no ilay voasoratra hoe:Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka dia notanana ho fahamarinany izany.
7 Koa fantaro àry fa izay amin’ny finoana no zanak’i Abrahama.
8 Ary tsinjon’ny Soratra Masina rahateo fa amin’ny finoana no anamarinan’Andriamanitra ny Jentily, ka nilaza vaovao mahafaly tamin’i Abrahama izy, nanao hoe:Aminao no hanasoavan’Andriamanitra ny firenena rehetra.
9 Dia miara-kasoavina amin’i Abrahama mpino amin’izany, izay amin’ny finoana.
Ny Lalàna loharanon’ozona
10 Fa izay miankina amin’ny asan’ny Lalàna kosa dia voaozona, araka ny voasoratra hoe:Voaozona izay rehetra tsy maharitra manatanteraka ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny Lalàna.
11 Sady hita miharihary raha ny hoe tsy misy olona hamarinina amin’ny Lalàna eo anatrehan’Andriamanitra, satriaamin’ny finoana no hiveloman’ny marina.
12 Ary ny Lalàna dia tsy amin’ny finoana,fa amin’ny fanatanterahana azy no ahavelomana aminy.
13 Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe:Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo,
14 mba ho tonga amin’ny Jentily, ao amin’i Kristy Jesoa, ny tso-drano nampanantenaina an’i Abrahama; dia horaisintsika amin’ny finoana koa ny fampanantenana ny Fanahy.
Tsy foanan’ny Lalàna ny fampanantenana
15 Ry kristianina havana, miteny araka ny fanaon’ny olona aho; na ny fanekena ataon’ny olona fotsiny aza, rehefa vita mafy, dia tsy azon’olona foanana na ovana.
16 Ary ilay fampanantenana natao tamin’i Abrahama sy ny taranany, izay tsy ataony hoe: ny taranany toy ny milaza maro, fa ny taranakao, hoy izy, toy ny manondro tokana, izany hoe i Kristy,
17 dia izao, hoy aho: fanekena mafy efa nataon’Andriamanitra izany, ka raha izay Lalàna natao telopolo amby efajato taona tatỳ aoriana, dia tsy mahafoana izany, na mahafoana ny teny fampanantenana.
18 Fa raha ho avy amin’ny Lalàna ny lova, dia tsy ho avy amin’ny teny fampanantenana intsony, nefa teny fampanantenana no nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama hahazoana izany fahasoavana izany.
Anjara asan’ny Lalàna
19 Naninona àry ny Lalàna? Nanampy fotsiny izy, noho ny fandikana, mandra-piavin’ilay Taranaka nanaovana ny fampanantenana: Anjely no namoaka azy teo an-tanan’ny mpanalalana anankiray.
20 Ka izany hoe mpanalalana dia tsy an’ny irery, fa Andriamanitra kosa no irery.
21 Manohitra ny fampanantenan’Andriamanitra va àry ny Lalàna? Sanatria izany. Saingy raha Lalàna afaka nahavelona no nomena, dia ny Lalàna ihany no ho niavian’ny fahamarinana;
22 Fa nohidian’ny Soratra Masina tao amin’ny fahotana izao rehetra izao, mba ho ny finoana an’i Jesoa Kristy no hahazoan’izay mino, ny fampanantenana.
Fa tonga ny finoana
23 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia nohidiana hambenan’ny Lalàna isika, mba ho amin’ny finoana izay efa haseho atỳ aoriana.
24 Ny Lalàna àry dia toy ny mpitaizanitarika antsika eo amin’i Kristy, mba hohamarinina amin’ny finoana isika.
25 Koa nony tonga ny finoana, dia tsy fehezin’izay mpitaiza intsony isika;
26 fa efa zanak’Andriamanitraamin’ny finoana ao amin’i Jesoa Kristy ianareo rehetra.
27 Satria ianareo rehetra natao Batemy ho an’i Kristy, dia nitafy an’i Kristy avokoa.
28 Ka tsy misy Jody na Jentily intsony; tsy misy mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa.
29 Ary raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama tahaka Azy, ka mpandova araka ny fampanantenana.