Ambony noho i Môizy i Kristy
1 Koa amin’izany, ry havana masina, mpiombona amin’ny fiantsoana ho any an-danitra, diniho ilay Apôstôly sy ny mpisorom-ben’ny finoana arahintsika, dia i Jesoa,
2 izay nahatoky an’Ilay nanendry Azy, tahaka an’iMôizy tao amin’ny tranony rehetrakoa.
3 Fa tahaka ny mahabe voninahitra ny mpanao trano noho ny trano nataony no nanaovana Azy mendri-boninahitra fa tsy tahaka an’i Môizy.
4 Satria ny trano rehetra dia amboarin’ny olona, fa Andriamanitra kosa no nanamboatra ny zavatra rehetra.
5 Ary i Môizy dianahatoky tao amin’ny tranony rehetra toy ny mpanompo fotsiny,mba hanambara ny zavatra tsy maintsy holazaina;
6 fa i Kristy kosa dia toy ny Zanaka manapaka ny tranon’ny tenany, ary isika no tranony, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny hafaliana masina vokatry ny fanantenana.
Ny fidirana ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra
7 Noho izany, araka ny tenin’ny Fanahy Masina hoe:Anio raha mandre ny feony ianao,
8 aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana tamin’ny andron’ny fakam-panahy tany an’efitra,
9 izay nakan’ny razanareo fanahy Ahy, sy nizahany toetra Ahy, nefa anie efa nahita ny asako nandritra ny efapolo taona izy.
10 Tezitra tamin’izany taranaka izany Aho ka nanao hoe: Maniasia amin’ny fony mandrakariva ireo, ka tsy nahalala ny diako;
11 koa nianiana noho ny hatezerako Aho fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo:
12 dia tandremo, ry kristianina havana, fandrao misy manana fo ratsy sy tsy mino ao aminareo, ka ho tafasaraka amin’Andriamanitra velona;
13 fa mifamporisiha isan’andro, dieny mbola misy izay atao hoe «anio,» mba tsy hisy hihamafy fo aminareo, noho ny famitahan’ny fahotana.
14 Fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahatokiantsika voalohany,
15 araka ilay lazaina hoe:Anio raha mandre ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo, tahaka ny tamin’ny fahasosorana.
16 Fa iza moa ireny nahasosotra Azy nony efa nandre ny feony? Moa tsy ireo rehetra nentin’i Môizy niala tany Ejipta va?
17 Iza nonahatezitra Azy, nandritra ny efapolo taona?Moa tsy ry zareo nanota va, kaniampatrampatra tany an’efitra ny fatiny?
18 Ary izano nianianany fa tsy hiditra any amin’ny fialàny sasatra,afa-tsy ry zareo tsy nanaiky?
19 Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra tokoa izy ireo noho ny tsy finoany.