1 Koa aoka hatahotra isika, dieny mbola manana ny teny fampanantenana, fa hiditra amin’ny fialàny sasatra, mba tsy hisy tsy hahatratra izany aminareo na dia iray aza.
2 Fa isika koa dia nitoriana filazana mahafaly toa an’ireny, saingy tsy nombany finoana ny teny ren’izy ireny, ka tsy nahasoa azy akory.
3 Fa isika izay mino kosa dia hiditra amin’ny fialan-tsasatra, araka ny voalazany hoe:Nianiana noho ny hatezerako Aho fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.
4 Ary na efa vita tanteraka hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao aza ny asany, dia hoy Izy, amin’ny andininy anankiray any ho any ny amin’ny andro fahafito hoe:Ary Andriamanitra niala sasatra tamin’ny asany rehetra, tamin’ny andro fahafito;
5 ary eto indray, hoy izy:Tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.
6 Koa noho ny sasany dia mbola mahazo miditra ao, fa ireo nitoriana voalohany no tsy tafiditra noho ny tsy finoany,
7 dia mametra andro iray indray Izy izay nantsoiny hoe«anio», fa hoy Izy hoe ao amin’i Davida tatỳ aoriana ela be, araka ny voalaza teo:Anio raha mandre ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo.
8 Fa raha tahiny efa nomen’i Jôsoe izany fialan-tsasatra izany, dia tsy ho nilaza andro hafa intsony i Davida tatỳ aorian’izany;
9 ka dia mbola misy andro fialan-tsasatra àry ho an’ny vahoakan’Andriamanitra.
10 Satria izay miditra amin’ny fialan-tsasatr’Andriamanitra, dia tsy maintsy mitsahatra amin’ny asany, tahaka an’Andriamanitra tamin’ny Azy koa.
11 Koa aoka isika hazotomiditra amin’izany fialan-tsasatra izany,mba tsy hisy ho latsaka amin’ny tsy finoana tahaka ireny koa.
Ny Tenin’Andriamanitra sy i Kristy Mpisorona
12 Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
13 Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra, fa mihanjahanja sy miharihary eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.
14 Koa noho isika manana Mpisorona lehibe Izay lasa namaky ny lanitra, dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra, dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
15 Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana.
16 Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.