Categories
Hebrio

Hebrio 5

mpisorom-be mahay mangoraka i Jesoa

1 Fa rehefa mety ho mpisorom-be ka alaina amin’ny olona, dia tendrena ho solon’ny olona amin’ny fifampiraharahany amin’Andriamanitra, mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota,

2 sady mahay miantra ny tsy mahalala sy ny mania Izy, satria na ny tenany aza mba voan’ny fahalemena ihany koa,

3 ka noho izany fahalemeny izany, tsy maintsy manao sorona ho an’ny tenany, toy ny ataony ho an’ny vahoaka ihany koa izy.

4 Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany, afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra tahaka an-dry i Aarôna ihany.

5 Dia toy izany koa i Kristy, fa tsy Izy no nanandra-tena ho mpisorom-be, fa Ilay nanao taminy hoe:Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany;

6 sy nilaza amin’ny teny hafa koa hoe:Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka.

7 Tamin’ny andron’ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,

8 dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza;

9 ary ankehitriny, efa tonga amin’izay fanaperana Izy, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky Azy,

10 fa antsoin’Andriamanitra hoe:mpisorom-be araka ny fomban’i Melkisedeka.

Fiainana kristianina sy teôlôjia

11 Maro ny zavatra azonay lazaina momba izany, saingy sarotra hohazavaina aminareo, noho ianareo votsa fandray zavatra.

12 Satria, na dia efa tokony ho mpampianatra hatramin’ny ela aza ianareo, dia mbola mila ny hampianarina ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra ihany, ka ronono no mbola ilainareo noho ny ventin-kanina.

13 Ary izay mbola ronono no ivelomany, dia tsy mahazaka ny tenim-pahamarinana, satria mbola zaza.

14 Fa ny olon-dehibe no sahaza ny ventin-kanina, dia ireo efa zatra nampiasa ny sainy hanavaka ny tsara sy ny ratsy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *