Categories
Hebrio

Hebrio 9

I Kristy miditra ny toerana masina any an-danitra

1 Ny fanekena voalohany koa àry dia nasiana fitsipika momba ny fanompoam-pivavahana, sy ny fitoerana masina momba ny etỳ an-tany.

2 Fa nisy tranolay natao, ka ny efitra voalohany, izay atao hoe fitoerana masina, dia nisy ny fanaovan-jiro maro rantsana, sy ny latabatra, ary ny mofo alahatra.

3 Ary ny efitra lamba faharoa kosa, izay atao hoe fitoerana masina indrindra, dia izao no zavatra tao anatiny:

4 ny ôtely volamena fandoroana emboka manitra, ny fiaran’ny fanekena voasarona volamena avokoa, izay nisy ny siny volamena nitoeran’ny mana, sy ny tehin’i Aarôna izay nitsimoka, ary ny vato fisaka nisy ny fanekena.

5 Nisy Kerobim-boninahitra teo amboniny, izay nandrakotra ny fanaovam-panavotana tamin’ny alony. Fa tsy azo visavisaina eto avokoa ny andinidinik’izany

6 Nony voalamina araka izany ireo zavatra ireo, dia tao amin’ilay voalohany amin’ny tranolay ihany no nidiran’ny mpisorona mandrakariva, raha nanao ny fanompoam-pivavahana izy;

7 fa tamin’ilay faharoa kosa, dia ny mpisorom-be irery no niditra tao indray mandeha isan-taona, sady nitondra ra izay natolony noho ny hadisoan’ny tenany sy ny an’ny vahoaka koa.

8 Ambaran’ny Fanahy Masina amin’izany fa tsy mbola naseho ny lalana mankany amin’ny fitoerana masina indrindra, raha mbola ao koa ny tranolay voalohany.

9 Ary fanoharana tandrifin’ny andro ankehitriny izany, izay manambara fa ny fanatitra aman-tsorona natolotra fahizàny, dia tsy nahalavorary izay nanolotra azy, raha ny ao am-po no heverina.

10 fa naman’ny hanina, sy fisotro ary fidiovana samihafa fotsiny, dia fitsipika momba ny nofo ihany, ary voadidy ambara-piavin’ny andro fanoloana azy ihany.

11 Fa i Kristy kosa, nony efa tonga mpisorom-be ny amin’ny soa ho avy, dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra, tsy nataon-tanana, izany hoe tsy mba anisan’izao zava-boaary izao;

12 sady tsy mba ran’osilahy na ran-janak’omby, fa ny Ran’ny Tenany no nentiny niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra, indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay.

13 Ary raha ny ran’osilahy sy ny ran-janak’omby aza mbamin’ny famafazana ny lavenom-bantotr’ombivavy nanamasina izay voaloto amin’ny fanadiovana ny nofo,

14 mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!

I Kristy manisy fitomboka amin’ny Rany ny Fanekem-pihavanana vaovao

15 Noho izany, dia Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao Izy, mba hahazoan’izay voaantso ny lova mandrakizay nampanantenaina azy, rehefa nisy fahafatesana hanalana ny fahotana natao tamin’ny fanekena taloha.

16 Satria amin’ny didim-pananana dia ilaina ny fahafatesan’ny mpandidy;

17 tsy manan-kery moa ny didim-pananana afa-tsy amin’ny fahafatesana ihany; fa tsy miasa izy raha mbola velona koa ny mpandidy.

18 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy fandatsahan-dra koa.

19 Fa rehefa voavakin’i Môizy tamin’ny vahoaka rehetra ny didy rehetra tao amin’ny Lalàna, dia nalainy ny ran-janak’omby sy ny ran’osilahy, mbamin’ny rano sy ny volon’ondry mena ary ny hisopa, ka nafafiny tamin’ny boky sy ny vahoaka rehetra,

20 ary hoy izy:Ity no ran’ny fanekena nataon’Andriamanitra taminareo.

21 Dia nofafazany ra toy izany koa ny tranolay mbamin’ny fanaka rehetra enti-manao raharaham-pivavahana.

22 Fa araka ny Lalàna dia saika diovina amin’ny ra avokoa ny zavatra rehetra; ary tsy misy famelan-keloka raha tsy misy ra alatsaka.

23 Koa raha ny tandindon’ny zavatra any an-danitra no tsy maintsy ho nodiovina toy izany, mainka sorona tsara lavitranoho ireny no tsy maintsy nanamasinana ny tenan’ny zavatra any an-danitra.

24 Fa tsy mba fitoerana masina nataon-tanana sy tandindon’ny tena izy fotsiny no nidiran’i Kristy, fa tany an-danitra mihitsy, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika ankehitriny.

25 Ary tsy mba toy ny mpisorom-be niditra isan-taona tao amin’ny fitoerana masina sy nitondra ran-javatra hafa Izy, ka hoe hanolo-tena matetika;

26 raha izany dia ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja Izy no niseho tamin’izao andro farany izao, mba hamongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny Tenany ho sorona.

27 Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha sy hotsaraina rehefa afaka izany

28 no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’otafanindroany mba hamonjy izay miandry Azy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *