Ny tokony hanajana ny mahantra
1 Ry kristianina havana, aza asiana fizahan-tavan’olona ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompontsika be voninahitra.
2 Raha, ohatra, ka misy olona miditra amin’ny fivorianareo: ny iray miperatra volamena sy mitafy sarobidy, ary ny iray kosa mahantra ratsy fitafiana,
3 ka ilay mitafy sarobidy no jerenareo sy ataonareo hoe: «Mipetraha ianao eto amin’ny toerana aloha,» fa ilay mahantra kosa ilazanao hoe: «Mitsangàna erỳ, na mipetraha eto amin’ny fitoeran-tongotro»
4 moa tsy miangatra va ianareo amin’izany, sy tonga mpitsara ratsy hevitra loatra?
5 Henoy ange, ry havako malala: Moa tsy ny mahantra eo imason’izao tontolo izao va no nofidin’Andriamanitra ho mpanan-karena amin’ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an’izay tia Azy?
6 Ary ianareo kosa, ka ny mahantra indray no alànareo baràka! Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo, sy mitarika anareo ho any amin’ny fitsarana?
7 Ary moa tsy izy ireny ihany koa va no miteny ratsy ny anarana tsara iantsoana anareo?
8 Raha ianareo mitandrina ny didy ambony indrindra voalazan’ny Soratra Masina hoe:Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao,dia manao tsara ianareo;
9 fa raha mizaha tavan’olona kosa ianareo, dia manota, ka helohin’ny Lalàna ho mpanota.
10 Fa na zovy na zovy nitandrina ny Lalàna manontolo, nefa diso amin’ny anankiray monja, dia meloka amin’izy rehetra.
11 Satria Ilay nanao hoe: Aza mijangajanga ihany no nanao hoe: Aza mamono olona koa. Ka na tsy mijangajanga aza ianao, nefa mamono olona, dia mpandika lalàna ihany.
12 Mitenena sy manaova toy ny olona hotsarain’ny lalàn’ny fahafahana.
13 Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy namindra fo; ary ny famindram-po no maharesy ny fitsarana.
Ny finoana sy ny asa
14 Raha misy olona milaza azy ho manam-pinoana, nefa tsy manana asa, inona no soa ho azony? Moa hahavonjy azy va izany finoana izany?
15 Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan’andro,
16 ka ilazan’ny iray aminareo hoe: Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa, nefa tsy omeny izay ilain’ny vatany, inona no soa azony amin’izany?
17 Mba toy izany ihany koa ny finoana raha tsy omban’asa izy, dia tena maty mihitsy.
18 Hamaly koa ny olona hanao hoe: Ianao manam-pinoana, hono, ary izaho manana asa koa. Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa; ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako.
19 Ianao mino fa misy Andriamanitra iray; tsara ny ataonao; ny demony koa anefa mino izany, ka mangovitra.
20 Fa moa te hiaiky va ianao, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy omban’asa?
21 Moa tsy ny asa va no nanamarinana an’i Abrahama razantsika, tamin’izy nanolotra an’i Isaaka zanany teo ambonin’ny ôtely?
22 Hitanao fa niara-nanao ny finoana sy ny asany; ary ny asa aza no nahatontosa ny finoany.
23 Dia tanteraka ny Soratra Masina hoe:Ary i Abrahama nino an’Andriamanitra ka notanana ho fahamarinany izany, sady nantsoina hoe sakaizan’Andriamanitra izy.
24 Hitanao amin’izany fa hamarinina amin’ny asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana fotsiny ihany.
25 Toy izany koa i Rahaba, vehivavy janga; moa tsy nohamarinina tamin’ny asa va izy, dia tamin’ny nandraisany an’ireo irak’i Jôsoe, sy nampandehanany azy tamin’ny lalan-kafa?
26 Toy ny ahafatesan’ny vatana tsy misy fanahy no ahafatesan’ny finoana tsy omban’asa koa.