Ny Mpiandry ondry tsara
1 «Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika any an-kafa, dia mpangalatra sy jiolahy;
2 fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry.
3 Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy.
4 Rehefa tafavoakany avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony:
5 ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony.»
6 Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany, nefa tsy azon’izy ireo izay nolazainy tamin’izany.
7 Koa hoy indray i Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no varavaran’ny ondry;
8 Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry.
9 Izaho no varavarana. Raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.
10 Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.
11 Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny;
12 fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy,
13 satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry.
14 Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy,
15 tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy, sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.
16 Mbola manana ondry hafakoa Aho izay tsy amin’ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko; dia ho tonga andian’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.
17 Izao no itiavan’ny Ray Ahy: satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray.
18 Tsy misy maka azy amiko, fa ny Tenako ihany no mahafoy azy; manam-pahefana hahafoy azy Aho, ary manam-pahefana handray azy indray: izany no didy azoko tamin’ny Raiko.
19 Dia nifanditra indray ny Jody nony nandre ireo teny ireo.
20 Ny maro tamin’ireo moa nanao hoe: «Manana demony Izy sady very saina, ka nahoana no mihaino Azy ianareo?»
21 Fa ny sasany kosa nanao hoe: «Tsy mba tenin’olona manana demony izany; ary demony koa ve hahay mampahiratra ny mason’ny jamba?»
I Jesoa manambara fa Zanak’Andriamanitra
22 Tamin’izay tonga ny fetin’ny Fitokanana tany Jerosalema, sady ririnina ny andro,
23 ary i Jesoa nitsangantsangana tao an-Tempoly tao amin’ny lavarangan’i Salômôna.
24 Dia nitangoronan’ny Jody Izy ka nilazany hoe: «Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao no Kristy, mba lazao tsotra aminay.»
25 Dia hoy i Jesoa namaly azy: «Efa nilaza taminareo Aho, fa tsy mino ianareo; manambara Ahy koa ny asa ataoko amin’ny Anaran’ny Raiko;
26 fa tsy mino ianareo satria tsy mba isan’ny ondriko.
27 Ny ondriko mihaino ny feoko, Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy;
28 omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.
29 Izay nomen’ny Raiko Ahydia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka eo an-tanan’ny Ray.
30 Izaho sy ny Raydia iray ihany.»
31 Dia naka vato hitorahana Azy indray ny Jody;
32 fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Be ny asa soa nasehoko teo taminareo, avy tamin’ny Ray, ka iza amin’ireny asa ireny no itorahanareo Ahy?»
33 Dia hoy ny Jody namaly Azy: «Tsy ny asa soa no itorahanay Anao, fa ny teninao miteny ratsy an’Andriamanitra; satria olombelona fotsiny Ianao, nefa manao ny Tenanao ho Andriamanitra.»
34 Ary i Jesoa namaly azy hoe: «Moa tsy izao no voasoratra ao amin’ny Lalànareo:Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo?
35 Ka raha ireny nanambaràna ny tenin’Andriamanitra ireny aza antsoin’ny lalàna hoe andriamanitra, ary tsy azo foanana ny Soratra Masina,
36 ahoana no ilazanareo an’Ilay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny etỳ ambonin’ny tany hoe: miteny ratsy an’Andriamanitra Ianao satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho?
37 Raha tsy manao ny asan’ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy ianareo;
38 fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy te hino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asako, dia ho fantatrareo fa ny Ray eto amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray.»
39 Tamin’izay dia nitady hisambotra Azy indray izy ireo, fa niala teo an-tanany Izy.
I Jesoa mihataka any an-dafin’i Jordany
40 Dia lasa Izy nankany an-dafin’i Jordany, amin’ilay tany nanaovan’i Joany batemy voalohany, ka nitoetra tany.
41 Ary maro no nanatona Azy, fa nanao hoe: «Tsy nanao fahagagana i Joany;
42 nefa marina avokoa ny teny rehetra nilazan’i Joany Azy.» Koa maro no nino Azy teo.