Categories
Joany

Joany 18

Ny nisamborana an’i Jesoa

1 Rehefa voalazan’i Jesoa izany, dia lasa Izy sy ny mpianany nankany an-dafin’ny riakan’i Sedrôna, izay nisy saha anankiray nidiran’Izy sy ny mpianany.

2 Fantatr’i Jodasy ilay namadika Azy koa io toerana io, satria falehan’i Jesoa sy ny mpianany matetika.

3 Ka nony voarainy ny antoko-miaramila iray sy ny mpiandry raharaha avy amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina, dia nankao izy nitondra fanala sy fanilo, ary fiadiana.

4 I Jesoa tamin’izany, dia efa nahalala rahateo izay rehetra hanjò Azy, ka nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe: «Iza no tadiavinareo?»

5 Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy: «I Jesoa avy any Nazareta.» Ka hoy i Jesoa taminy: «Izaho no izy.» Eo koa izany i Jodasy ilay namadika Azy.

6 Vao nilazan’i Jesoa hoe: Izaho no izy, dia nianòtra izy ireo, ka niankarapoka tamin’ny tany.

7 Fa nanontany azy indray i Jesoa nanao hoe: «Iza no tadiavinareo?» Dia hoy izy ireo: «I Jesoa avy any Nazareta.»

8 Ka novalian’i Jesoa hoe: «Efa voalazako taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto.»

9 Izy no nilaza izany dia mba hahatanteraka ny teny voalazany hoe: «Tsy nisy very izay nomenao Ahy, na dia iray aza.»

10 Ary nanan-tsabatra i Simôna Piera ka notsoahany dia nasiany ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka afaka terỳ ny sofiny ankavanana: Malkôsy no anaran’ilay mpanompo.

11 Fa hoy i Jesoa tamin’i Piera: «Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao: tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen’ny Ray Ahy?»

Fandavan’i Piera

12 Tamin’izay ny antoko-miaramila sy ny tomponarivo ary ny mpiandry raharaha nirahin’ny Jody, dia nisambotra an’i Jesoa, ka namatotra Azy.

13 Tany amin’i Ana aloha no nitondrany Azy, fa io no rafozan’i Kaifa izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany taona izany;

14 ary i Kaifa kosa no ilay nanome saina ny Jody hoe mahasoa raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray.

15 Nanaraka an’i Jesoa tamin’izany i Piera sy ny mpianatra anankiray hafa; ary fantatry ny lehiben’ny mpisorona ilay mpianatra anankiray, ka niara-niditra tamin’i Jesoa tao amin’ny tokotanin’ny lehiben’ny mpisorona.

16 Fa i Piera kosa nijanona tany ivelany tao akaikin’ny vavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra izay fantatry ny lehiben’ny mpisorona, ka niteny tamin’ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an’i Piera.

17 Fa hoy ity ankizivavy mpiandry vavahady tamin’i Piera: «Moa tsy isan’ny mpianatr’io Lehilahy io koa va ianao?» Ary hoy izy: «Tsia.»

18 Nangatsiaka ny andro, ka nipetraka namindro teo amin’ny afo ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha, ary dia mba niara-namindro taminy teo koa i Piera.

19 Ary ny lehiben’ny mpisorona nanadina an’i Jesoa ny amin’ny mpianany sy ny fampianarany;

20 ka hoy i Jesoa namaly azy: «Niteny ampahibemaso tamin’ny olona rehetra Aho, ary nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagoga sy ny Tempoly, izay ivorian’ny Jody rehetra, fa tsy nilaza na inona na inona an-takona;

21 ka ahoana no anontanianao Ahy? Ireo nihaino Ahy no anontanio izay voalazako taminy, fa ireo no mahalala izay nampianariko.»

22 Nony nilaza izany i Jesoa, dia nasian’ny mpiandry raharaha anankiray tehamaina sy nataony hoe: «Izany ve no famalinao ny lehiben’ny mpisorona?»

23 I Jesoa namaly azy hoe: «Raha ratsy ny teniko, lazao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?»

24 Dia nasain’i Ana nentina am-patorana ho any amin’i Kaifa lehiben’ny mpisorona Izy.

25 Ary i Simôna Piera nijanona namindro teo koa, ka nisy nanao taminy hoe: «Moa tsy isan’ny mpianany koa va ianao?» Fa nandà izy nanao hoe: «Tsia.»

26 Dia hoy koa ny anankiray tamin’ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, izay havan’ilay notapahin’i Piera sofina: «Tsy ianao va ilay hitako niaraka taminy tao anaty saha?»

27 Fa nandà indray i Piera, ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno.

I Jesoa eo anatrehan’i Pilaty

28 Dia nentiny niala tao amin’i Kaifa i Jesoa ho any an-tranon’ny governora. Efa maraina ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo, fandrao voalotoka tsy afa-mihinana ny Paka.

29 Koa i Pilaty no nivoaka nanatona azy ireo teo alatrano, nanao hoe: «Inona no iampanganareo io Lehilahy io?»

30 Dia hoy ny navalin’izy ireo azy: «Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy ho natolotray anao.»

31 Ka hoy i Pilaty taminy: «Ento izy, ka tsarao araka ny lalànareo.» Fa hoy ny Jody namaly azy: «Tsy manam-pahefana hanamelo-ko faty izahay.»

32 Izany no tonga dia mba hahatanteraka ny teny nambaran’i Jesoa momba ny fahafatesana hanjò Azy.

33 Dia niditra tao an-trano i Pilaty, ka niantso an’i Jesoa sy nanao taminy hoe: «Moa mpanjakan’ny Jody va Ianao?»

34 I Jesoa namaly hoe: «Anao samy irery izany teny izany, sa an’olon-kafa no nilaza Ahy taminao?»

35 Dia namaly i Pilaty nanao hoe: «Fa izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko, ka inona no nataonao?»

36 I Jesoa namaly hoe: «Tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako: fa raha anisan’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako.»

37 Dia hoy i Pilaty taminy: «Koa mpanjaka izany Ianao?» Ary novalian’i Jesoa hoe: «Efa voalazanao, Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga tatỳ an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko.»

38 «Inona ny marina?» hoy i Pilaty taminy. Fa nony voalazany izany, dia nivoaka nankeo amin’ny Jody indray izy ka nanao tamin’ireo hoe: «Raha izaho, dia tsy mahita izay helony na dia iray aza;

39 fa araka ny fanao amin’ny Paka dia mandefa olo-meloka izay tianareo aho; koa tianareo ve ny handefasako ny Mpanjakan’ny Jody?»

40 Fa nihorakoraka indray izy rehetra ka nanao hoe: «Tsy Izy, fa i Barabasy.» Kanefa jiolahy i Barabasy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *