Categories
Joany

Joany 20

Ny fasana foana

1 Ary tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia lasa maraina koa mbola maizina nankany amin’ny fasana i Madelenina, ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato.

2 Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Simôna Piera sy ilay mpianatra malalan’i Jesoa, ka nanao tamin’ireo hoe: «Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.»

3 Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana,

4 ka niara-nihazakazaka izy roalahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan’i Piera tao amin’ny fasana.

5 Dia niondrika izy, ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra.

6 Nony tonga kosa i Piera nanarakaraka azy, dia niditra teo am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo,

7 sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin’ny lamba fa nivalona nitokana terỳ.

8 Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino.

9 Fa tsy mbola fantatr’izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty i Jesoa.

10 Dia lasa ny mpianatra nody tany aminy.

Ny nisehoan’i Jesoa tamin’i Maria avy any Magdala

11 Fa i Mariakosa nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana. Ary teo am-pitomaniana, dia niondrika nitsirika ny tao anaty fasana izy,

12 ka nahita Anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin’izay nipetrahan’ny vatan’i Jesoa, ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra.

13 Dia hoy izy ireo taminy: «Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?» Ka hoy izy namaly ireo: «Satria nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.»

14 Nony avy nilaza izany izy dia nitodika, ka nahita an’i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe i Jesoa io.

15 Ary hoy i Jesoa taminy: «Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao? Iza no tadiavinao?» Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy: «Raha ianao re no naka Azy, Tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy, hangalako Azy.»

16 Dia hoy i Jesoa taminy: «Ry Maria!» Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe: «Rabòny!» (izany hoe Mpampianatra).

17 «Aza mikasika Ahy, hoy i Jesoa taminy, fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray Aho, fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raiko sy Rainareo Aho, ary any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.»

18 Dia lasa i Maria Madelenina ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe: «Efa nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko.»

Ny nisehoany tamin’ireo mpianatra

19 Androtr’izay ihany, izany hoe harivan’ilay andro voalohan’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’ireo hoe: «Ho aminareo anie ny fiadanana!»

20 Nony efa nilaza izany izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.

21 Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo: «Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa.»

22 Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsokaka nanao tamin’izy ireo hoe: «Raiso ny Fanahy Masina:

23 ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana.»

24 Fa i Tomà ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa.

25 Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: «Efa nahita ny Tompo izahay.» Fa hoy izy tamin’ireo: «Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako, dia tsy hino aho.»

26 Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa i Tomà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe: «Ho aminareo anie ny fiadanana!»

27 Ary hoy izy tamin’i Tomà: «Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako, ary arosoy ny tananao, ka atehefo eto amin’ny tratrako; dia minoa, fa aza malain-kino.»

28 Dia namaly i Tomà ka nanao taminy hoe: «Tompoko sy Andriamanitro!»

29 Fa hoy i Jesoa taminy: «Nino ianao, ry Tomà, satria nahita Ahy; sambatra izay tsy nahita ka nino.»

FAMARANANA

30 Maro koa ny fahagagana hafa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra amin’ity boky ity.

31 Fa voasoratra ireto mba hinoanareo fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra, ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *