Categories
Joany

Joany 7

Miakatra any Jerosalema i Jesoa hankalaza ny fety sy hampianatra

1 Taorian’izany dia nitety an’i Galilea i Jesoa fa tsy nety nankany Jodea, satria nitady hahafaty Azy ny Jody.

2 Nony efa akaiky ny fetin’ny Jody atao hoe fetin’ny Tranolay,

3 dia hoy ny rahalahiny taminy: «Mialà eto Ianao, ka mankanesa any Jodea, mba ho hitan’ny mpianatrao koa ny asa ataonao;

4 fa tsy misy mitady ny tenany ho fantatr’olona ka manao zavatra amin’ny takona. Raha manao izany zavatra izany Ianao, dia misehoa amin’izao tontolo izao.»

5 Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.

6 Dia hoy i Jesoa taminy: «Tsy mbola tonga ny fotoako, fa ny fotoanareo no eo mandrakariva.

7 Satria tsy mahay mankahala anareo izao tontolo izao, fa Izaho no halany, noho Izaho milaza fa ratsy ny asany.

8 Mandehana miakatra mamonjy ny fety ianareo, fa Izaho tsy miakatramamonjy izany, satria tsy mbola tonga ny fotoako.»

9 Rehefa nilaza izany izy, dia nijanona tao Galilea.

10 Kanjo nony lasa ny rahalahiny, dia mba niakatra hamonjy ny fety ihany koa Izy, saingy tsy nisehoseho, fa toa niafinafina.

11 Koa nitady Azy ny Jody tamin’ny andro fety nanao hoe: «Aiza Izy?»

12 Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka; ny sasany nanao hoe: «Tsara fanahy Izy,» ny sasany kosa nanao hoe: «Tsia, fa misoloky ny vahoaka Izy.»

13 Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy ampahibemaso noho ny fahatahorany ny Jody

14 Nony mby teo antenantenan’ny fety, niakatra tao amin’ny Tempoly i Jesoa, ka nampianatra.

15 Dia gaga ny Jody ka nanao hoe: «Ahoana re no ahaizany taratasy, nefa tsy nianatra Izy tsinona?»

16 Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Ilay naniraka Ahy.

17 Ka raha misy te hanao ny sitrapon’Andriamanitra, dia hahalala na avy amin’Andriamanitra ny fampianarako, na miteny ho Ahy Aho.

18 Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’ilay naniraka azy no marina, ary tsy misy fitaka ao aminy.

19 Moa tsy nomen’i Môizy ny Lalàna va ianareo? nefa tsy misy aminareo mahatanteraka ny Lalàna.

20 Nahoana no mitady hahafaty Ahy ianareo?» Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: «Azon’ny demony Ianao; iza no mitady hahafaty Anao eo?.»

21 Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Asa iray monja no nataoko, dia safotra ianareo rehetra.

22 Nefa ny famorana nomen’i Môizy anareo (na tsy i Môizy, fa ny razana no niaviany), dia ataonareo na amin’ny sabata aza.

23 Ka raha foràna ny olona na dia amin’ny sabata aza, mba tsy hofoanana ny Lalàn’i Môizy, nahoana no dia tezitra amiko ianareo, raha lehilahy anankiray no mba nositraniko tamin’ny sabata ny tenany manontolo?

24 Aza dia mitsara araka ny ivelany, fa mbà mitsara araka ny marina!»

Ady hevitry ny olona momba izay niavian’i Kristy

25 Tamin’izay, dia nisy mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe: «Moa tsy Izy io Ilay tadiavin-dry zareo hovonoina?

26 Ary nahoana no miteny ampahibemaso Izy io, ka no tsy misy sahy miteny Azy akory? Sao dia efa fantatry ny loholona kosa fa io no i Kristy?

27 Ny niavian’Izy io anefa fantatsika; fa ny hiavian’i Kristy kosa tsy misy mahalala rehefa tonga Izy.»

28 Dia niantso àry i Jesoa tao am-pampianarana tao amin’ny Tempoly ka nanao hoe: «Fantatrareo Aho, ary fantatrareo koa izay niaviako. Nefa tsy tonga ho Ahy Aho, fa marina Ilay naniraka Ahy, fa tsy fantatrareo.

29 Izaho no mahalala Azy, satria Izy no niaviako, ary Izy no naniraka Ahy.»

30 Tamin’izay dia nitady hisambotra Azy ny olona, kanefa tsy nisy sahy nitana Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.

Ambaran’i Jesoa ny handehanany

31 Ary maro tamin’ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: «Rehefa tonga i Kristy, moa hanao fahagagana betsaka kokoa noho ny ataon’ity Lehilahy ity va?»

32 Ren’ny Farisianina ny vahoaka nitakoritsika toy izany ny aminy, ka naniraka miaramila hisambotra Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny Farisianina.

33 Fa hoy i Jesoa: «Kely foana sisa no itoerako aminareo dia hankany amin’Izay naniraka Ahy Aho.

34 Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita, sady tsy azonareo aleha izay itoerako.»

35 Dia nifampilaza hoe ny Jody: «Aiza àry no halehany no tsy ho hitantsika Izy? Ho any amin’izay miely any amin’ny Jentily va re Izy, ka hampianatra ny Jentily?

36 Ahoana no hevitr’ity teniny hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita, sady tsy azonareo aleha izay itoerako?.»

Fampanantenana ny rano velona

37 Tamin’ny andro lehibe famaranana ny fety, dia nitsangana i Jesoa ka niantso hoe: «Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

38 Fa hisy onin-drano velona hiboiboika avy ao anatin’izay mino Ahy, araka ny volazan’ny Soratra Masina.»

39 Ny Fanahy horaisin’izay hino Azy no nambarany tamin’izany; fa tsy mbola nomena ny Fanahy, satria tsy mbola niditra tamin’ny voninahiny i Jesoa.

Iadiana hevitra indray izay niavian’i Kristy

40 Nony nandre ireo teny ireo ny vahoaka, ny sasany nanao hoe: «Ity tokoa no ilay Mpaminany»;

41 ny sasany manao hoe: «Ity no i Kristy» fa hoy kosa ny sasany: «Fa angaha avy any Galilea no iavian’i Kristy?

42 Tsy voalazan’ny Soratra Masina va fa avy amin’ny taranak’i Davida, sy avy amin’ny tanàna Betlehema nitoeran’i Davida no hiavian’i Kristy?»

43 Koa nisara-tsaina ny aminy be ihany ny vahoaka.

44 Ny sasany tamin’izy ireo aza nitady hisambotra Azy; saingy tsy nisy sahy nitana Azy.

45 Dia niverina tany amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny Farisianina ny miaramila, ka nilazan’ireo hoe: «Ahoana no tsy nitondranareo Azy?»

46 Fa hoy ny navalin’ny miaramila: «Tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny Lehilahy iny.»

47 Dia hoy ny Farisianina tamin’ireo: «Ianareo koa angaha voasolokiny?

48 Jereo ange raha mba misy loholona na Farisianina iray akory nino Azy?

49 Ary raha izay vahoaka foana tsy mahalala ny Lalàna akory, dia olona voaozona ireny.»

50 Dia i Nikôdema ilay nanatona an’i Jesoa nony alina sy anisan’izy ireo, no nanao taminy hoe:

51 «Moa ny Lalàntsika va manameloka olona raha tsy efa re aloha ny teniny, ka fantatra koa izay nataony?»

52 Fa namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: «Ianao koa ve avy any Galilea? Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany avy any Galilea.»

Ilay vehivavy nijangajanga

53 Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy ireo.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *