Categories
Kôlôsianina

Kôlôsianina 1

Fiarahabana

1 Izaho Paoly Apôstôlin’i Jesoa Kristy, noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy i Timote havana,

2 mamangy ny olona masina sy ny mpino havana ao amin’i Kristy Jesoa, any Kôlôsy:

3 ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika!

Fisaorana an’Andriamanitra sy vavaka

Tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, amin’ny fivavahana ataonay ho anareo,

4 hatramin’ny nandrenesanay ny finoanareo an’i Kristy Jesoa sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,

5 noho ny fanantenanareo ny valisoa miandry anareo any an-danitra, araka ny renareo tamin’ny teny marin’ny Evanjely.

6 Ny Evanjely efa tonga atỳ aminareo, dia tonga amin’izao tontolo izao mihitsy, sady vokatra sy mitombo toy ny atỳ aminareo koa, hatramin’ny andro nandrenesanareo azy sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatin’ny marina,

7 araka ny fampianarana noraisinareo tamin’i Epafrasy, izay namanay malalanay amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, sy mpandraharahan’i Kristy mahatoky tokoa, ao aminareo.

8 Izy no nandrenesanay ny fitiavanareo ara-panahy.

9 Koa hatramin’ny andro nandrenesanay izany, dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay; ary izao no angatahinay: mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra ara-panahy ianareo,

10 ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,

11 mba hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny fahefany be voninahitra ianareo, ka handefitra ny zavatra rehetra amim-paharetana sy an-kafaliana;

12 ary misaotra ny Ray Izay nahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olo-masina any amin’ny mazava,

13 tamin’Izy nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina, ka namindra antsika ho ao amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany,

14 dia Izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika.

Fahambonian’i Kristy tapitra ohatra

15 Izy no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita; Izy no teraka talohan’izao voaary rehetra izao;

16 tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fifehezana, na fahefana; taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra.

17 Izy no talohan’ny zavatra rehetra, ary ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.

18 Izy no Lohan’ny tena, izany hoe ny Eglizy; Izy no voalohany, dia ny voalohan-teraka tamin’ny maty, mba ho Loha amin’ny zavatra rehetra Izy;

19 satria ao aminy no sitraky ny Ray hitoeran’ny hafenoana rehetra;

20 ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana, dia tamin’ny Tenany, na ny etỳ an-tany na ny any an-danitra.

Nomena anjara amin’ny famonjena ny Kôlôsianina

21 Ianareo koa fahiny, dia lavitra Azy sy fahavalony, tamin’ny hevitra aman’asa ratsinareo,

22 fa ankehitriny kosa dia nampihavaniny amin’ny Tenany nofo tamin’ny nahafatesany, mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany,

23 raha tahiny ianareo maharitra sy miorina mafy amin’ny fanantenana avy amin’ny Evanjely, izay efa renareo sy notorina taminareo ary nanendrena ahy, Paoly, ho mpandraharaha.

Fisasaran’i Paoly tamin’ny Jentily

24 Ary ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako fahoriana ho anareo aho, fa mameno ao amin’ny nofoko izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny Tenany, dia ny Eglizy;

25 fa voatendry ho mpandraharaha Azy aho noho ny nanomezan’Andriamanitra ahy ny fiadidiana anareo, mba hitoriako ny tenin’Andriamanitra an-tsakany sy an-davany,

26 dia ilay hevi-miafina tsy nambara taloha hatramin’ny taranaka maro nifandimby, fa naseho kosa ankehitriny tamin’ny olona masina,

27 dia ireo tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin’ny Jentily ny voninahitr’izany hevi-miafina izany, dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo.

28 Izy no torinay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavanay ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’i Kristy Jesoa;

29 ary izany indrindra no iasako sy iadiako mafy, araka ny heriny izay iasàny fatratra ato amiko.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *