Categories
Lioka

Lioka 10

Ny nanirahana ny mpianatra 72 lahy

1 Nony afaka izany dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafakoa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.

2 Ary hoy Izy tamin’izy ireo: Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany.

3 Mandehana; indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia.

4 Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahabaolona akory any an-dalana.

5 Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: Fiadanana anie ho amin’ity trano ity;

6 ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany.

7 Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano.

8 Ary amin’izay tanàna idiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hano izay atolony anareo;

9 ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.

10 Fa amin’izay tanàna idiranareo kosa nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe:

11 Na ny vovoky ny tanànanareo nipetraka tamin’ny tongotray aza dia ahintsanay hiampanga anareo; fantaro anefa fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.

12 Lazaiko aminareo fa amin’izay andro izay, dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Sôdôma, noho ny ho amin’izany tanàna izany.

13 «Mila loza ianao, ry Kôrôzaina, ry Betsaida! fa raha izay no natao tany Tira sy Sidona ny fahagagana natao taminareo, dia ela no ho efa nibebahany tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona.

14 Noho izany, amin’ny andro fitsarana dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Tira sy Sidona noho ny ho aminareo.

15 Ary ianao, ry Kafarnaoma izaymisondrotra hanakatra ny lanitra, dia haetry hatrany amin’ny afobe ianao.»

16 «Izay mihaino anareo mihaino Ahy, ary izay manamavo anareo manamavo Ahy; izay manamavo Ahy anefa dia manamavo Izay naniraka Ahy.»

Ny tokony hifalian’ny mpianatra

17 Ary niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: «Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao.»

18 Dia hoy i Jesoa taminy: «Nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho.

19 Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny.

20 Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.»

Ny Evanjely ambara amin’ny tso-po. Ny Ray sy ny Zanaka

21 Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe: «Misaotra anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa. Eny, Raiko, fa izany no sitraponao.

22 Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanambaràna Azy.»

Soa manokana ho an’ny mpianatra

23 Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy ka nilaza taminy manokana hoe: «Sambatra ny maso mahita izay hitanareo;

24 fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary handre izay renareo, fa tsy nandre.»

Ny didy lehibe

25 Ary indro mpampiana-dalàna anankiray nitsangana haka fanahy Azy ka nanao hoe: «Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?»

26 Dia hoy i Jesoa taminy: «Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy?»

27 Ary namaly izy ka nanao hoe:«Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, sy ny herinao manontolo, ary ny sainao manontolo, ary ny namanao tahaka ny tenanao.»

28 Dia hoy i Jesoa taminy: «Marina ny navalinao, manaova izany dia ho velona ianao.»

Fanoharana amin’ny Samaritanina tsara fanahy

29 Fa nitady hanamarin-tena ralehilahy ka nanao tamin’i Jesoa hoe: «Iza àry no namako?»

30 Ary hoy i Jesoa taminy:

«Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikô, azon’ny jiolahy, ka nendahany ny lambany, nokapohiny ny tenany ary saika maty vao navelany.

31 Dia nisy kosa mpisorona anankiray nidina tamin’izany lalana izany ka nahita azy, nefa nandalo ihany.

32 Toy izany koa ity levitaanankiray izay tonga teo, nahita azy, nefa nandalo ihany.

33 Fa nisy kosa Samaritanina anankiray nivahiny tonga teo aminy, ka nangoraka nony nahita azy.

34 Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy, vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranom-bahiny ka nitsabo azy.

35 Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano, ary nataony hoe: ‹Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny, dia honerako rahefa miverina aho.›

36 Iza amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?»

37 Dia hoy ilay mpampiana-dalàna: «Ilay niantra azy» «Mandehana àry, hoy i Jesoa taminy, ka manaova toy izany koa.»

I Marta sy i Maria

38 Raha mbola nandeha izy ireo dia niditra tamin’ny vohitra anankiray i Jesoa, ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray Azy tao an-tranony.

39 Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny;

40 fa i Maria kosa sahirana tamin’ny fanompoana be. Dia niato kely izy ka nanao hoe: «Tompoko, tsy mampaninona anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? Mba asaovy manampy ahy re izy.»

41 Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe: «Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby ianao,

42 nefa zavatra iraymonja no ilaina; fa i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *