Categories
Lioka

Lioka 16

Ilay mpitandrim-pananana tsy mahatoky

1 Ary hoy koa i Jesoa tamin’ny mpianany: «Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray nanana mpitandrim-pananana izay nampangain’ny olona taminy fa nandany ny fananany.

2 Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe: ‹Ahoana izany fandrenesako anao izany? Avoahy kely hoe ny fitandremanao, fa amin’ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony ianao.›

3 Tamin’izay ilay mpitandrina dia nanao anakam-po hoe: ‹Inona re no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho ity? Ny miasa tany moa tsy vitako, ny mangataka indray mahamenatra ahy.

4 Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony rehefa esorina amin’ny raharahako aho.›

5 Dia nampanalainy tsirairay izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony, ka hoy izy tamin’ny voalohany: ‹Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?›

6 ‹Diloilo injaton’ny barìka›, hoy io. Dia hoy ny mpitandrina taminy: ‹Raiso ny taratasinao, ary mipetraha ka soraty haingana dimampolo.›

7 Dia hoy indray izy tamin’ny anankiray: ‹Hoatrinona kosa ny trosa aminao?› ‹Vary injaton’ny famarana›, hoy izy. Dia hoy ilay mpitandrina: ‹Raiso ny taratasinao ka soraty valopolo.›

8 Noderain’ny tomponyilay mpitandrina tsy marina satria nampiseho hafetsena, fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy, noho ny zanaky ny fahazavana.»

Ny fampiasana tsara ny vola

9 «Ka hoy Aho aminareo: Aoka ny harena tsy marinano hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin’ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo.

10 Izay mahatoky amin’ny kely, dia mahatoky koa amin’ny lehibe, ary izay tsy marina amin’ny kely, dia tsy marina koa amin’ny lehibe.

11 Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina?

12 Ary raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?»

13 «Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo.»

Hanoherana ny Farisianina tia vola

14 Ny Farisianina izay fatra-pitia vola dia mba nihaino izany rehetra izany koa, ka dia naneso Azy.

15 Fa hoy Izy tamin’izy ireo: «Ianareo dia mpanamarin-tena eo imason’ny olona, nefa fantatr’Andriamanitra ihany ny fonareo, ary izay ambony eo imason’ny olombelona dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra kosa.»

Ny hahazoana ny Fanjakan’Andriamanitra

16 «Ny Lalàna sy ny Mpaminany no niroso hatramin’i Joany, fa hatramin’i Joany kosa dia ny Fanjakan’Andriamanitra no torina, ka samy mikezaka hiditra ao ny olona.»

Maharitra ny Lalàna

17 «Moramora kokoa ny hahalevonan’ny tany aman-danitra noho ny tsy hahatanterahan’ny Lalàna na dia ny tendri-tsoratra iray aza.»

Tsy azo sarahina ny fanambadiana

18 «Izay rehetra misao-bady ka manambady hafa dia mijangajanga, ary izay manambady ny efa voasaotra dia mijangajanga koa.»

Ilay mpanan-karena ratsy fanahy sy i Lazara mahantra

19 «Nisy mpanan-karena anankiray niakanjo jaky sy rongonim-bazaha madinika, sady nanao fihinanam-be isan’andro.

20 Ary nisy kosa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara nivalandòtra teo am-bavahadiny.

21 Naniry hihinana ny sombin-kanina latsaka tamin’ny latabatr’ilay mpanan-karena izy, fa ny alika aza no tonga ka nilelaka ny feriny.

22 Ary maty ilay mahantra ka nentin’ny Anjely tany an-tratran’i Abrahama; dia maty koa ilay mpanan-karena ka nalevina.

23 Tao amin’ny fitoeran’ny maty, ilay nijaly iny izy, dia niandrandra, ka tazany teny lavitra teny i Abrahama sy i Lazara teo an-tratrany,

24 ka niantso izy nanao hoe: ‹Ry kiaky Abrahama ô! mamindra fo amiko, mba iraho kely re i Lazara handroboka ny loha fanondrony ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako ahay, fa mijaly loatra aho eto anatin’ity lelafo ity.›

25 Fa hoy i Abrahama taminy: ‹Anaka, tsarovy fa tamin’ny andro niainanao ianao moa nahita soa, ary i Lazara kosa nozoim-pahoriana: koa ankehitriny kosa mba azy ny fanalana alahelo, fa anao ny fijaliana.

26 Sady amin’ireto toerantsika ireto, dia misy hantsana makadiry natao hanelanelana antsika, ka izay te hiala atỳ hankany aminareo tsy afaka; ary izay eny kosa tsy afaka miampita atỳ.›

27 Dia hoy izy: ‹Mihanta aminao re aho, ry kiaky, mba iraho kely i Lazara ho any an-tranon-draiko

28 (fa manan-drahalahy dimy aho), mba hilaza aminy ny marina, fandrao tonga amin’itony fitoerana fijaliana itony koa izy ireo.›

29 Fa hoy i Abrahama taminy: ‹Manana an’i Môizy sy ny Mpaminany izy ireo, ka aoka hihaino an’ireo izy.›

30 Fa hoy izy: ‹Tsia re, ry ikaky Abrahama ô! Fa raha anankiray amin’ny maty no mankany aminy, dia hibebaka izy.›

31 Fa hoy i Abrahama taminy: ‹Raha tsy mihaino an’i Môizy sy ny Mpaminany izy, dia tsy hino na dia misy mitsangana avy any amin’ny maty aza.› »

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *