Fanontanian’ny Jody momba ny fahefan’i Jesoa
1 Ary indray androtamin’izany, nampianatra ny vahoaka tao an-Tempoly izy ka nitory ny Evanjely, dia tonga ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny loholona,
2 ka nanao taminy hoe: «Lazao anay: Inona moa no fahefana anaovanao izao zavatra izao, ary iza no nanome anao izany fahefana izany?»
3 Ary namaly i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Mba hanontany zavatra anankiray aminareo koa àry Aho ka valio:
4 Avy aiza moa ny batemin’i Joany, avy amin’Andriamanitra sa avy amin’ny olona?»
5 Dia niara-nisaina izy ireo nanao hoe: «Raha izao mantsy no lazaintsika hoe, avy amin’Andriamanitra, dia hovaliany hoe: Nahoana àry ianareo no tsy nino azy?
6 Ary raha ataontsika hoe, avy amin’ny olona indray, dia hitora-bato antsika ny vahoaka, satria inoany ho mpaminany i Joany.»
7 Koa namaly izy ireo, fa tsy fantany izay niaviany.
8 Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho koa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.»
Fanoharana amin’ireo mpiasa tanimboaloboka mpamono olona
9 Dia nilaza ity fanoharana ity tamin’ny vahoaka Izy nanao hoe: «Nisy lehilahy anankiray namboly tanimboaloboka ka nahofany tamin’ny mpiasa, dia lasa izy ka nitoetra ela tany an-tany hafa.
10 Nony tonga ny taom-pahavokarana dia naniraka mpanompo anankiray tany amin’ny mpiasa izy, mba haka amin’ny vokatry ny tanimboalobony; nefa nokapohin’izy ireo sy nampodiny maina.
11 Dia naniraka mpanompo anankiray hafa indray izy, fa nokapohin’ireo ihany koa sady notevatevainy sy nampodiny maina.
12 Ary naniraka fanintelony izy, fa io koa sady nataony naratra no noroahiny.
13 Ka hoy ny tompon’ny tanimboaloboka: ‹Inona re no hataoko? ndeha hirahiko lahy ny zanako malalako, fa angamba hanaja azy izy ireo raha mahita azy.›
14 Kanjo nony nahita iny ny mpiasa dia nanao anakampo hoe: ‹Inty ny mpandova ka ndeha hovonointsika, dia ho antsika ny lova.›
15 Dia noroahiny ho any ivelan’ny tanimboaloboka izy ka novonoiny. Inona àry no hataon’ny tompon-tanimboaloboka amin’izy ireo?
16 Ho avy izy ka handringana ireo mpiasa ireo, ary ny tanimboaloboka dia hafindrany amin’olon-kafa.» Nony nandre izany ry zareo teo, dia nanao hoe: «Sanatria izany!»
17 Fa nibanjina azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: Inona àry ity voasoratra ity:Ny vato nolavin’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro?
18 Izay rehetra lavo amin’izany vato izany dia ho torotoro, ary izay hianjerany dia ho mongomongo.
19 Dia notadiavin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna hosamborina teo no ho eo ihany Izy, satria fantany fa izy ireo ihany no nanaovan’i Jesoa izany fanoharana izany; saingy ny tahony ny vahoaka no nampiato azy indray.
Ny hetra ho an’i Sezara
20 Koa dia nataony andrimaso Izy sy nanirahany mpitsikilo, izay nody ho marina, mba haningotra Azy amin’ny teniny, hanolorany Azy eo am-pelatanan’ny governora.
21 Ary toy izao no fanontanian’ireo olona ireo Azy: «Ry Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra araka ny hitsiny ianao ka tsy mizaha tavan’olona, fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina:
22 mety va raha mandoa hetra ho an’i Sezara izahay sa tsia?»
23 Fa fantatr’i Jesoa ny hafetsen-dratsin’izy ireo, ka hoy Izy taminy: «Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo?
24 Asehoy Ahy ny vola denie. Sarin’iza sy anaran’iza ity?» «An’i Sezara» hoy iretsy.
25 Dia hoy Izy taminy: «Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.»
26 Gaga foana ry zareo tamin’ny valin-teniny ka kepoka nangina terỳ, fa tsy nahita teny iray akory haniniany Azy teo imason’ny vahoaka teo.
Ny fitsanganan’ny maty
27 Dia nanatona koa ny sasany tamin’ny Sadoseanina izay mandà ny fitsanganan’ny maty, ka nanontany Azy hoe:
28 «Ry Mpampianatra ô, i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe: Raha misy lehilahy ka maty momba, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
29 Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, fa maty momba.
30 Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa.
31 Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo, ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo.
32 Farany, dia maty koa ravehivavy.
33 Koa ho vadin’iza ravehivavy raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty? fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito lahy?»
34 Dia hoy i Jesoa taminy: «Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina;
35 fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganana avy any amin’ny maty kosa, dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina,
36 ary tsy mety maty intsony izy, fa tahaka ny Anjely sady zanak’Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganan-ko velona avy any amin’ny maty.
37 Ary raha ny hoe hitsangana ny maty dia zavatra efa nambaran’i Môizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany, fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe: ‹Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.›
38 Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo, satria tsy mba Andriamanitra ny maty Izy, fa an’ny velona.»
39 Dia namaly ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna ka nanao taminy hoe: «Ry Mpampianatra ô, marina ny filazanao.»
40 Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony izy ireo.
I Kristy Zanak’i Davida ary Tompony
41 Dia hoy i Jesoa taminy: Ahoana no iantsoana an’i Kristy hoe zanak’i Davida,
42 nefa i Davida ihany no milaza ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe:Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana,
43 ambara-panaoko ny fahavalonao, ho fitoeran-tongotrao?
44 Antsoin’i Davida hoe Tompo Izy, ka ahoana no maha-zanany Azy?
Ireo mpanora-dalàna tsarain’i Jesoa
45 Mbola mihaino Azy eo ny vahoaka rehetra dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
46 «Tandremo ny mpanora-dalàna, izay finaritra mitsangantsangana amin’ny akanjo rebareba, te hoarahabaina eny amin’ny kianja, tia ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagoga mbamin’ny toerana voalohany amin’ny fanasana,
47 fa mifetsy ny fananan’ny mpitondratena amin’ny fivavahana lavareny ataony mba ho fieboana fotsiny, ka hohelohina mafimafy kokoa izy.»