Categories
Lioka

Lioka 3

Toritenin’i Joany Batista

1 Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara, fony i Pôntsy Pilaty no governora tany Jodea, i Herôda no tetrarka tany Galilea, i Filipo rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida, i Lisanià no tetrarka tany Abilena,

2 ary i Ana sy i Kaifa no lehiben’ny mpisorona, dia tonga tamin’i Joany zanak’i Zakaria tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra.

3 Dia nankany amin’ny tany rehetra amoron’i Jordany izy, nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka,

4 araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’i Izaia mpaminany hoe: «Re ny feon’ilay miantso any an’efitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany;

5 ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina,

6 dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.»

7 Ary hoy izy tamin’ireo vahoaka be nidodododo hataony batemy: «Ry taranaky ny menarana, iza no nanorohevitra anareo handositra ny hatezerana ho avy?

8 Manaova asa mendrika vokatry ny fibebahana, ary aza manao anakampo hoe: ‹I Abrahama no rainay›; fa lazaiko marina aminareo fa azon’Andriamanitra atao ny manangana zanaka ho an’i Abrahama na dia amin’ireto vato ireto aza.

9 Efa mby eo am-poto-kazo sahady ny famaky: koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.»

10 Ary hoy ny vahoaka nanontany azy: «Inona àry no hataonay?»

11 Dia namaly izy ka nanao hoe: «Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa.»

12 Ary nisy poblikanina nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe: «Inona no hataonay, ry mpampianatra ô?»

13 Dia hoy izy taminy: «Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina halainareo.»

14 Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe: «Ary izahay kosa, inona no mba tokony hataonay?» Dia hoy ny navaliny azy: «Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana, ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo.»

15 Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy,

16 dia niteny i Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe: «Izaho manao Batemy anareo amin’ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho: Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;

17 eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany, ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty.»

18 Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin’ny olona.

Natao an-tranomaizina i Joany Batista

19 Fa i Herôda tetrarka, izay nanariny noho ny amin’i Herôdiada vadin-drahalahiny sy noho ny ratsy rehetra nataony,

20 dia nanampy heloka indray ka nanidy an’i Joany tao an-tranomaizina.

Natao batemy i Jesoa

21 Tamin’ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa i Jesoa, ka raha mbola nivavaka Izy dia nisokatra ny lanitra;

22 ary nidina teo amboniny ny Fanahy Masina naka endri-batana toy ny an’ny voromahailala dia nisy feo re avy any an-danitra nanao hoe: «Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko indrindra.»

Ireo razam-ben’i Jesoa

23 Tokony ho telopolo taona i Jesoa tamin’Izy nanomboka nitory ny Evanjely, dia nataon’ny olonaho zanak’i Josefa, izay zanak’i Helỳ, zanak’i Matata,

24 zanak’i Levì, zanak’i Melkì, zanak’i Janè, zanak’i Josefa,

25 zanak’i Matatiasa, zanak’i Amôsa, zanak’i Nahoma, zanak’i Heslỳ, zanak’i Nagè,

26 zanak’i Mahata, zanak’i Matatiasa, zanak’i Semeì, zanak’i Josefa, zanak’i Jodà,

27 zanak’i Jôanàna, zanak’i Rezà, zanak’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, zanak’i Nerì,

28 zanak’i Melkì, zanak’i Adì, zanak’i Kôsama, zanak’i Elimadama, zanak’i Hera,

29 zanak’i Jesosa, zanak’i Eliezera, zanak’i Jôrima, zanak’i Matata, zanak’i Levì,

30 zanak’i Simeôna, zanak’i Jodà, zanak’i Josefa, zanak’i Jônàna, zanak’i Eliakima,

31 zanak’i Meleà, zanak’i Menà, zanak’i Matatà, zanak’i Natàna, zanak’i Davida,

32 zanak’i Jese, zanak’i Obeda, zanak’i Booza, zanak’i Salmôna, zanak’i Naasôna,

33 zanak’i Aminadaba, zanak’i Arama, zanak’i Esrôna, zanak’i Faresa, zanak’i Jodà,

34 zanak’i Jakôba, zanak’i Isaaka, zanak’i Abrahama, zanak’i Tare, zanak’i Nakôra,

35 zanak’i Saroga, zanak’i Reo, zanak’i Falega, zanak’i Hebera, zanak’i Sale,

36 zanak’i Kainàna, zanak’i Arfaksada, zanak’i Sema, zanak’i Nôe, zanak’i Lameka,

37 zanak’i Matosale, zanak’i Enôka, zanak’i Jareda zanak’i Malaleela, zanak’i Kainàna,

38 zanak’i Enôsa, zanak’i Seta, zanak’i Adama, zanak’Andriamanitra.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *