Categories
Lioka

Lioka 6

Ny mpianatra nioty salohim-bary

1 Indray sabata raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary ny mpianany, ka nohaniny nony efa nokosokosehiny tamin’ny tanany.

2 Dia hoy ny Farisianina sasany taminy: «Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny sabata?»

3 Ary i Jesoa namaly azy hoe: «Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy,

4 fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ka naka ny mofo alahatra, dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa, nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?»

5 Sady nampiany hoe: «Ny Zanak’olona no tompon’ny sabata.»

Ny nanasitranana ilay lehilahy maty tanana anila

6 Indray sabata hafa koa dia niditra tao amin’ny sinagoga izy ka nampianatra, ary nisy lehilahy anankiray maty tanana ankavanana teo.

7 Tamin’izay dia nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina na hanasitrana amin’ny andro sabata Izy na tsia, mba hahitany antony hiampangana Azy.

8 Fa fantatr’i Jesoa kosa ny hevitr’izy ireo, ka hoy Izy tamin’ilay maty tanana: «Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany.» Dia nitsangana ilay io ka nijoro,

9 ary hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Manontany anareo Aho, inona no mety hatao amin’ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina sa ny manala aina?»

10 Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo, ka hoy Izy tamin-dralehilahy: «Ahinjiro ny tananao.» Dia nahinjiny ka sitrana terỳ ny tanany.

11 Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana, ka nioko ny amin’izay hanaovany an’i Jesoa.

Ny nifidianana ny 12 lahy

12 Ary tamin’izany andro izany, dia lasa tany an-tendrombohitra Izy mba hivavaka, ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina.

13 Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany Izy ka nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo, izay nomeny anarana hoe Apôstôly:

14 dia i Simôna izay nataony hoe Piera, sy i Andre rahalahiny, i Jakôba sy i Joany, i Filipo sy i Bartelemy,

15 i Matio sy i Tomà, i Jakôba zanak’i Alfe, sy i Simôna izay atao hoe Zelôty,

16 ary i Jodà rahalahin’i Jakôba, sy i Jodasy IsKariota ilay namadika.

Ireo vahoaka nanaraka an’i Jesoa

17 Dia niara-nidina tamin’izy ireo Izy ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema, ary ny tanin’i Tira sy i Sidona amorontsiraka,

18 izay tonga teo mba hihaino Azy, sy mba hositraniny amin’ny aretiny: dia nositraniny izay nampijalin’ny fanahy maloto,

19 ary nitady hanendry Azy ny vahoaka rehetra, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.

Toriteny santatra: ireo foto-kasambarana

20 Tamin’izay, dia niatrana nijery an’ireo mpianany Izy, ka nanao hoe: Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’Andriamanitra.

21 Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo.

22 Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’olona.

23 Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.

Fanambànan-doza

24 Mila loza kosa ianareo, ry mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo.

25 Mila loza ianareo izay voky ankehitriny, fa ho noana ianareo. Mila loza ianareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo.

26 Mila loza ianareo raha ataon’ny olona tsara laza, fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.

Fitiavana ny fahavalo

27 Fa izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo,

28 misaora an’izay manozona anareo ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.

29 Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny ilany; ary raha misy maka ny lambanao, aza sakanana na halainy mbamin’ny akanjonao aza.

30 Omeo izay rehetra mangataka aminao, ary raha misy mifaoka ny anananao dia aza mitaky izany aminy intsony.

31 Izay tianareo hataon’ny olona aminareo, no mba ataovy amin’ny olona koa.

32 Raha izay tia anareo ihany no tianareo, fankasitrahana inona no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa.

33 Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota aza mba manao toraka izany ihany koa.

34 Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany, mba handraisany toraka izany.

35 Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny: dia ho lehibe ny valisoanareo, ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.

Famindram-po sy fanasoavana

36 Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.

37 Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà dia havela ianareo.

38 Manomeza, dia homena ianareo; fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao ampofoanareo: fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.

Aza mazoto fotsiny, fa mandiniha tena

39 Ary izao koa no fanoharana nataony tamin’izy ireo: «Moa ny jamba mahatari-dàlana ny jamba va? Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa?

40 Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany.»

41 «Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao?

42 Ary hataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe: ‹Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao›, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao.»

43 Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara.

44 Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo.

45 Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.

Ilaina ny mampihatra ny teny amin’ny fiainana

46 Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?

47 Hasehoko anareo izay azo anoharana ny olona rehetra manatona Ahy ka mihaino ny teniko sy manatanteraka azy:

48 tahaka ny olona anankiray manao trano izy, izay nihady lalina aloha vao nandatsaka ny fototra eo ambonin’ny vatolampy, ka nony tondraka ny rano dia nasian’ny riaka mafy izany trano izany, nefa tsy nampihontsina azy akory izany, satria tsara orina tambony vatolampy izy.

49 Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka, dia tahaka ny olona anankiray nanorina ny tranony eo ambonin’ny tany tsy àry fototra, ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay, ary loza ny faharavan’izany trano izany.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *