Ny Batemy
1 Inona àry no holazaintsika: mbola hitoetra amin’ny fahotanaihany va isika, hitomboan’ny fahasoavana?
2 Sanatria izany! Hataontsika efa maty ny amin’ny fahotana ahoana no mbola ho velona aminy ihany?
3 Moa tsy fantatrareo va fa isika rehetra natao Batemy ho an’i Kristy Jesoa, dia natao Batemy ho amin’ny fahafatesany?
4 Koa niara-nalevina taminy tamin’ny Batemy ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona, tamin’ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin’ny fiainam-baovao koa.
5 Fa raha nampiraisina taminy tamin’ny fakan-tahaka ny nahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany;
6 fa fantatsika fa ilay olona tranainytoetrantsika dia niara-nofantsihana taminy, mba ho levona ny tenan’ny fahotana, ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika,
7 satria izay maty dia afaka amin’ny fahotana.
8 Ary raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa;
9 sady fantatsika fa rehefa nitsangan-ko velona Izy dia tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
10 Satria ny fahafatesany moa, dia fahafatesana indray maka ny amin’ny fahotana; fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an’Andriamanitra.
11 Ary aoka ho toy izany koa ianareo ka hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty ny amin’ny fahotana, fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.
Asan’ny fahotana sy asan’ny fahamarinana
12 Koa aoka ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenanareo mety maty, amin’ny fanarahana ny filàn-dratsiny;
13 ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
14 Fa tsy hanan-kery aminareo ny fahotana, satria ianareo tsy ambanin’ny Lalàna, fa ambanin’ny fahasoavana.
Afahana amin’ny fahotana ny kristianina
15 Ahoana àry: hanota va isika, satria tsy ao ambanin’ny Lalàna, fa ao ambanin’ny fahasoavana? Sanatria izany!
16 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena ho mpanompo mba hanaiky azy, dia mpanompon’izay ekenareo ianareo, na ny fahotana ho amin’ny fahafatesana izany, na ny fanekena ho amin’ny fahamarinana?
17 Ary isaorana Andriamanitra, fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo, dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo;
18 ary rehefa afaka tamin’ny fahotana ianareo, dia tonga mpanompon’ny fahamarinana.
19 Miteny araka ny fanaon’ny olona aho, noho ny fahalemen’ny nofonareo: tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo hanompo ny fahalotoana sy ny tsy fahamarinana hahatanteraka ny tsy fahamarinana, no aoka hanoloranareo ny rantsam-batanareo ankehitriny hanompo ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
20 Fa fony mpanompon’ny ota ianareo, dia olon-ko azy tamin’ny fahamarinana.
Ireo vokatry ny fahotana sy vokatry ny fahamarinana
21 Inona àry no vokatra azonareo tamin’izay? Vokatra mahamenatra anareo fe ankehitriny, fa fahafatesana no iafarany.
22 Ary ankehitriny kosa, rehefa afaka tamin’ny fahotana ianareo, ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra, dia ny fahamasinana no vokatra azonareo, ary ny fiainana mandrakizay no hiafaranareo.
23 Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.