Categories
Tito

Tito 3

Adidin’ny mpino amin’ny ankapobeny

1 Ampahatsiarovy ny mpino fa adidin’izy ireo ny manaiky ny mpanapaka sy ny manam-pahefana, ka tsy maintsy manoa azy ireo izy sy vonon-kanao ny asa soa rehetra,

2 tsy hilaza ratsy olona, tsy hifanditra, fa hifanaraka sy hampiseho halemem-panahy lehibe amin’ny olona rehetra.

3 Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.

4 Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona,

5 dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony; Izy no namonjy antsika tamin’ny fanasananahaterahantsika indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina,

6 Izay nampidininy be dia be tamintsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika;

7 mba hohamarinin’ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.

Torohevitra manokana ho an’i Tito

8 Teny marina tokoa izany ka tiako hoanterinao tsara ny filaza azy, mba hikely aina amin’ny fanaovana asa soa izay mino an’Andriamanitra. Izany no tsara sy mahasoa ny olona.

9 Fa raha ny amin’ny fandinihan-javatra tsy misy heviny kosa, mbamin’ny tantaram-pirazanana, ny fifandirana, ny ady hevitra foana momba ny Lalàna, dia ialao ireny, fa sady tsy mahasoa no zava-poana.

10 Ny olona tia fisarahan-kevitra koa ialao rehefa nanarinao tsy zaka, indray maka na indroa,

11 satria fantatrao fa efa ratsy mihitsy ny toy izany sady manota, fa ny tenany aza no manameloka azy.

Hafatra sy firariana ary veloma

12 Rehefa maniraka an’i Artemasy na i Tisìko atỳ aminao aho, dia tongava faingana atỳ amiko atỳ Nikôpôlisy, fa mikasa handany ny ririnina any aho.

13 Vonony tsara izay ilain’i Zenasy mpahay ny Lalàna sy i Apôlô amin’ny diany, mba tsy hisy tsy ampy izay ilainy.

14 Aoka ny havantsika iray finoana koa hianatra hanao asa soa mba ho afa-manampy rehefa misy mahaporitra, fandrao olona tsy misy vokany izy.

15 Manao veloma anao avokoa izay rehetra tia antsika amin’ny finoana. Ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavana.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *