Categories
1Makabeo

1Makabeo 3

3. I JODASA MAKABEO, FILOHAN’NY JODY (166-160 talohan’i Jesoa Kristy)

Fiderana an’i Jodasy Makabeo

1 Dia nitsangana nandimby azy i Jodasy zanany, atao hoe Makabeo.

2 Nanampy azy avokoa ireo rahalahiny mbamin’izay rehetra nanatona homba an-drainy, niady an-kafaliana ny adin’i Israely.

3 Nampitatra ny voninahitryny fireneny izy, niakanjo fiarovan-tratra toy ny lehilahy mahery izy, namehy teo am-balahany ny fiadiany enti-miady dia nandrafitra ady, niaro ny tobin’i Israely tamin’ny sabany.

4 Teo am-pikarohana izy, dia toy ny liona, sy nanahaka ny liona tanora mierona amin’ny rembiny.

5 Nenjehiny ny mankahala ny fivavahana, nokarohiny hatrany am-piereny tany, ary nodorany amin’ny afo izay nanabataba ny fireneny.

6 Nihemotra tsiravina teo anatrehany ny mpankahala ny fivavahana, nivadi-po avokoa izay rehetra mpanao ratsy; ary ny tanany nanatanteraka soa aman-tsara ny fanafahana ny fireneny.

7 Ny asa nataony nampiditra alahelo mangidy tamin’ny mpanjaka maro, sy hafaliana tamin’i Jakôba; ary ny fahatsiarovana azy, hankalazaina mandrakizay.

8 Nitety ny tananàn’i Jodà izy nandringana an’izay mankahala ny fivavahana, ka namily ny hatezerana tsy ho an’i Israely.

9 Tonga nalaza hatrany am-paran’ny tany ny anarany, ary nangonina izay efa teo am-bavan’ny fahafatesana.

Fahombiazan’i Jodasy Makabeo

10 Namory miaramila mpanompo sampy i Apôlôniosy, dia tafika lehibe, nalainy tany Samaria, hiady amin’i Israely.

11 Vao nilazana izany i Jodasy dia nandeha hamely azy, naharesy azy izy, dia namono nahafaty azy; maro ny fahavalo maty, ary ny sisa nandositra.

12 Ka nobaboin’ny Jody ny fananany, ary nalain’i Jodasy ny sabatr’i Apôlôniosy, dia izay no nanaovany mandrakariva tamin’ny ady hatramin’izay.

13 Nony ren’i Serôna filohan’ny tafiky ny Sirianina, fa hoe: nahavory olona betsaka i Jodasy, dia natokon’ireo Jody tsy nivadika, momba azy amin’ny ady, dia hoy izy:

14 «Hamelon-tantara ny anarako aho, dia hahazo voninahitra amin’ny fanjakana, hiady amin’i Jodasy sy ireo momba azy izay naniratsira ny didin’ny mpanjaka.»

15 Dia nanafika fanindroany tokoa izy; tafik’olona maro mpankahala ny fivavahana no niakatra niaraka taminy, mba hanampy azy, hamely ny zanak’i Israely.

16 Nony mby akaikin’ny fiakaran’i Betorôna izy ireo, dia nandroso nitsena azy i Jodasy nomba-miaramila vitsy foana.

17 Raha nahita ny tafika tamy hamely azy ny miaramilany, dia nanao tamin’i Jodasy hoe: «Hataontsika vitsy kely ireto ahoana no fiady amin’ireo vahoaka be loatra ireo? Indrindra fa isika dia efa reraka avy nifady hanina androany.»

18 Fa hoy i Jodasy namaly azy ireo: «Zavatra mora foana ny hangenjàn’ny olona vitsy kely eo am-pelatanany ny vahoaka maro be; tsy misy hafa amin’ny Andriamanitry ny lanitra, ny mamonjy amin’ny maro na amin’ny vitsy.

19 Satria ny fandresena amin’ny ady tsy avy amin’ny hamaroan’ny mpiady, fa avy any an-danitra no iavian’ny hery.

20 Izy ireo mandroso hamely antsika, feno avona amam-pankahalana ny fivavahana, mba hamono antsika mbamin’ny vady aman-janatsika sy handroba antsika.

21 Fa isika kosa miady hiaro ny aintsika sy ny lalàntsika.

22 Koa homontsanin’Andriamanitra eo anoloantsika ireo; ka aza matahotra an’ireo ianareo.»

23 Vao nitsaha-niteny izy, dia niantoraka tampoka tamin’izy ireo, ka resy i Serôna sady nahita ny tafiny montsana teo imasony.

24 Nenjehin’i Jodasy nitsontsorika ny fidinan’i Betôrôna, hatrany amin’ny tany lemaka izy; 800 lahy no maty tamin’ny miaramilany, ary ny sisa nandositra any amin’ny tanin’ny Filistinina.

25 Izay vao niely ny tahotra an’i Jodasy mbamin’ireo rahalahiny, dia tsiravina ny firenena manodidina.

26 Tonga hatrany amin’ny mpanjaka ny lazany, ary niresaka ny adin’ny Jodasy avokoa izay vahoaka.

Ny nitondran’i Lisiasy nisolo toerana.

27 Nisafoakan’ny hatezerana i Antiôkosy mpanjaka, nandre izany vaovao izany, nanome didy izy sy namory ny miaramila rehetra teo amin’ny fanjakany, izay tafika lehibe dia lehibe.

28 Nosokafany ny firaketany dia nomeny ny karamany amin’ny herintaona ny miaramilany, sady nandidy izy hatao vonona amin’izay rehetra hilana azy izy ireo.

29 Hitany tamin’izay anefa fa tsy ampy ny vola tao am-batany, sady kely ny hetra avy amin’ny faritany, noho ny fikorontanana sy ny loza nampidiriny tamin’ny tany, tamin’ny nitadiavany hamongorana ny lalàna efa narahina hatramin’ny fahagolan-tany.

30 Natahorany sao toraka izay efa nahazo azy matetika, ka tsy hanan-kandoavana ny lany sy hanomezam-be izy, fa efa fanaony taloha ny mitobatoba be loatra, sy mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany aza.

31 Noho izany fahasahiranany mafy izany, tapa-kevitra ny ho any Persa izy hamory hetra amin’ireo faritany ireo sy hanangom-bola be.

32 Ka dia i Lisiasy lehilahy ambony sy anisan’ny fianakavian’ny mpanjaka, no napetrany hatramin’ny ony Eofrata ka hatramin’ny sisin-tanin’i Ejipta,

33 sy hikarakara an’i Antiôkosa zanany, mandra-piveriny.

34 Napetrany aminy ny antsasaky ny miaramilany sy ny elefanta, ary nomeny didy izy hanatanteraka ny hevitra voakasany rehetra, indrindra ny amin’ny mponina any Jodà sy Jerosalema.

35 Tsy maintsy handefa tafika i Lisiasy mbamin’izay sisa ao Jerosalema, ary hanafoana ny fahatsiarovana azy, amin’izany toerana izany,

36 dia hamponina taranak’olon-kafa firenena eo amin’ny taniny rehetra, ka ireo no hizarany ny taniny amin’ny filokàna.

37 Raha efa izany, nentiny homba azy ny antsasaky ny miaramilany, dia niala tao Antiôkia renivohitra ny mpanjaka tamin’ny taona faha-147, nita ny ony Eofrata dia namaky ny tany avo.

I Gorjiasy sy i Nikanôra nitarika ny tafik’i Siria tany Jodea

38 I Ptôlemeazanak’i Dôrimena sy i Nikanôraary i Gorjiasykapiteny mahay, sady sakaizan’ny mpanjaka, no nofidin’i Lisiasy,

39 ary miaramila an-tongotra 40.000 sy an-tsoavaly 7.000 no nalefany hiaraka amin’izy ireo hiantafika any amin’ny tanin’i Jodà sy handrava azy, araka ny didin’ny mpanjaka.

40 Dia niainga izy ireo, mbamin’ny miaramilany rehetra, ka nony tonga tany, dia nitoby teo amin’ny tany lemaka, akaikin’i Emaosa.

41 Vao nandre ny fahatongavany ireo mpandranto teo amin’ny tany, dia nitondra volafotsy sy volamena betsaka ary parapaingo koa nentiny nankao amin’ny tobin’ny Sirianina hividiananay ny zanak’i Israely hataony andevo. Nikambana tamin’io tafika io koa ny miaramilan’i Siria sy ny teo amin’ny tanin’ny Filistinina.

42 Hitan’i Jodasy sy ireo rahalahiny, fa nihamafòtaka ny raharaha sady efa mitoby eo amin’ny sisin-tany ny tafiky ny fahavalo; fantany koa ny didy nomen’ny mpanjaka mampandringana sy mampamongotra ny fireneny,

43 ka dia nifampilaza izy ireo hoe: «Atsangano indray ny firenentsika rava; ary miadia ho an’ny firenentsika sy ny fitoerana masintsika.»

44 Dia nivory ny fiangonana, hioman-kiady sy hivavaka hangata-pitsimbinana amam-pamindram-po.

45 Ary i Jerosalema dia tsy nisy mponina, fa toy ny efitra; ny zanany tsy nisy niditra na nivoaka teo; ny fitoerana masina voahosihosy, ny trano mimanda dia tanan’ny zanaky ny firenena hafa, fonenan’ny firenena izy. Niala teo amin’i Jakôba ny hafaliana, ary tsy re intsony ny filiotra amana harpa.

Fivorian’ny Jody tany Mispà

46 Nony tafavory izy ireo, dia nankao Masfà tandrifin’i Jerosalema, fa nisy fitoeram-pivavahana ho an’i Israely tao fahiny.

47 Tamin’izany andro izany, izy ireo nifady hanina, nisamboritra lasàka, nanisy lavenona ny lohany, ary nandriatra ny fitafiany.

48 Novelariny ny bokin’nylalàna izay nokarohin’ny firenena hanoratany ny sarin-tsampiny,

49 nentiny ny fitafiam-pisoronana, ary nasainy nanatona ny Nazareanina efa nahatapitra ny fotoan’ny voadiny;

50 dia niantso tamim-peo avo nitaraina tamin’ny lanitra izy nanao hoe: «Inona no hataonay amin’ireto olona ireto, ary aiza no hitondranay azy?

51 Ny fitoeranao masina efa voahosihosy sy voaloto, ny mpisoronao dia ao anatin’ny fisaonana aman-kenatra.

52 Ary indreto tafavory hamely anay ny firenena mba hamongotra anay; fantatrao ny fikasany hamely anay.

53 Hataonay ahoana no fahaleo azy ireo, raha tsy vonjenao izahay?»

54 Dia nitsoka trômpetraizy ireo, ary nandefa feo fitarainana mafy.

55 Nanaraka izany, nanendry mpifehy ny vahoaka i Jodasy, tomponarivo, tompon-jato, tompon-dimampolo, tompom-polo.

56 Ary izay vao avy nanorin-trano, na nampaka-bady, na namboly voaloboka, mbamin’izay natahotra, dia nilazany mba hody any an-tranony avy araka ny lalàna.

57 Raha efa izany dia niainga ny tafika, ka nandeha nitoby teo atsimon’i Emaosy.

58 Ary hoy i Jodasy: «Misikìna ianareo, ary samia mitomban-dahy, mivonòna ho amin’ny rahampitso maraina, hiady amin’ireo firenena tafakambana hamono antsika ireo, dia isika sy ny fitoerana masintsika.

59 Fa tsaratsara kokoa ho antsika ny maty mitam-piadiana toy izay mahita ny loza manjò ny firenentsika sy ny fitoerana masintsika voaloto.

60 Ary na inona na inona sitrapon’ny lanitra dia aoka ho tanteraka izany.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *