Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 13

Fanozonana ny ôtely tao Betela

1 Raha mbola nitoetra teo amin’ny ôtely handoro ny sorona i Jerôbôama, dia indro nisy olon’Andriamanitra avy any Jodà, tonga tany Betela, noho ny tenin’i Iaveh.

2 Nanao antso nihatra tamin’ny ôtely izy io, noho ny tenin’i Iaveh, ka nanao hoe: «Ry ôtely! Ry ôtely! Izao no lazain’i Iaveh: Hisy zaza lahy hateraka ho an’ny tranon’i Davida, ka ny anarany hatao hoe: I Josiasa; ny mpisoron’ny fitoerana, izay mandoro ny sorona eo amboninao, no hovonoina hatao eo amboninao; ary taolan’olona no hodorana eo amboninao!»

3 Androtr’izay ihany, dia nanome famantarana izy nanao hoe: «Izao no famantarana fa i Iaveh no niteny: Indro fa hitresaka ny ôtely ary hiely ny lavenony eo amboniny.»

4 Nony ren’i Jerôbôama mpanjaka ny tenin’ity olon’Andriamanitra, niantso amin’ny ôtely tao Betela dia naninjitra ny tanany avy eo ambony ôtely izy, ka nanao hoe: «Sambory ilay io.» Kanjo maina terỳ ny tanany izay nahinjiny hanondro azy, ka tsy azony navonkina intsony.

5 Ary nitresaka tokoa ny ôtely, sady niely ny lavenona avy eo amin’ny ôtely araka ny famantarana nomen’ity olon’Andriamanitra noho ny tenin’i Iaveh.

6 Niteny ny mpanjaka ka nilaza tamin’ity olon’Andriamanitra hoe: «Mampionòna an’i Iaveh Andriamanitrao, ka mivavaha ho ahy mba hivonkonan’ny tanako hankatỳ amiko indray.» Nampionona an’i Iaveh ity olon’Andriamanitra ka azon’ny mpanjaka navonkina hankany aminy ny tanany izay tonga toy ny taloha ihany indray.

7 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ity olon’Andriamanitra: «Handeha ianao hiara-midina amiko ao an-trano hahazo aina, dia mba hotolorako fanomezana koa.»

8 Fa hoy ity olon’Andriamanitra tamin’ny mpanjaka: «Na dia omenao ny antsasaky ny tranonao aza aho, dia tsy hiara-miditra aminao, sady tsy hihina-mofo na hisotro rano amin’ity fitoerana ity aho,

9 satria izao no didy nomena ahy tamin’ny tenin’i Iaveh: Aza mihina-mofo na misotro rano, ary aza ny lalana nalehanao no hiverenanao.»

10 Dia lasa izy ka lalan-kafa no nombany, fa tsy ny lalana nalehany ho any Betela no niverenany.

Ilay olon’Andriamanitra sy ilay mpaminany

11 Ary nisy kosa mpaminany antitra anankiray nonina tany Betela; ka tonga ny zanany namisavisa taminy ny zavatra rehetra nataon’ilay olon’Andriamanitra tao Betela androtr’iny; nambarany tamin-drainy koa ny teny nolazain-dralehilahy tamin’ny mpanjaka.

12 Dia hoy ny rainy tamin’izy ireo: «Aiza no lalana nalehany?» Fa hitan’ireto zanany kosa ny lalana nomban’ilay olon’Andriamanitra izay tonga avy tany amin’i Jodà.

13 Ka hoy indray izy tamin’ny zanany: «Asio lasely ny ampondrako.» Dia nasian’ireo lasely ny ampondrany ka nitaingenany.

14 Lasa izy nanaraka ilay olon’Andriamanitra ka nahita azy nipetraka teo ambanin’ny terebinta, dia hoy izy taminy: «Ianao va izany olon’Andriamanitra avy any Jodà izany?» Ary hoy ny navalin-dralehilahy: «Izaho no izy.»

15 Ka hoy ilay mpaminany: «Andeha hiaraka amiko ho any an-trano, mba hihina-mofo kely.»

16 Fa hoy ny navaliny: «Tsy azoko atao ny miara-miverina aminao, na miara-miditra aminao, tsy hiara-mihina-mofo na misotro rano aminao amin’ity fitoerana ity aho,

17 satria izao no voalaza tamiko tamin’ny tenin’i Iaveh: Aza mihina-mofo any, na misotro rano any, ary aza ny lalana nombanao fony nandroso ianao no hiverenanao.»

18 Dia hoy izy taminy: «Izaho koa anie mpaminany toa anao ihany, ary nisy Anjely niteny tamiko, noho ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: Ento miverina miaraka aminao ho any an-tranonao izy, mba hihina-mofo sy hisotro rano.» Laingany anefa izany.

19 Dia niara-niverina taminy ilay olon’Andriamanitra, ka nihina-mofo sy nisotro rano tao an-tranony.

20 Mbola nipetraka teo amin’ny latabatra izy ireo, dia tonga tamin’ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin’i Iaveh,

21 ka niteny mafy tamin-dralehilahy avy any Jodà izy, nanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Noho ianao nandà ny tenin’i Iaveh, ka tsy nitandrina ny didy nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao,

22 ary noho ianao niverina, ka nihina-mofo sy nisotro rano tamin’ny toerana nandraran’i Iaveh anao hoe: Aza mihina-mofo any, na misotro rano any, dia tsy hiditra am-pasan-drazana ny fatinao.»

23 Nony avy nihina-mofo sy nisotro izy, dia nasian’ilay mpaminany antitra lasely ny ampondrany mba ho azy, dia ho an’ity mpaminany naveriny.

24 Rehefa lasa ilay olon’Andriamanitra dia nifanehatra tamin’ity liona anankiray, izay namono nahafaty azy. Raha mbola niampatra teo an-dalana teo ny fatiny, dia nijanona teo anilany ilay ampondra, ary nipetraka teo akaikin’ny faty koa ilay liona.

25 Ary indro fa nisy olona nandalo ka nahita ity faty niampatra teo an-dalana sy ny liona nitoetra teo akaikin’ny faty, ka nilaza izany, nony tonga teo amin’ny tanàna nonenan’ilay mpaminany antitra izy ireo.

26 Nony nandre izany ity mpaminany namerina ilay olon’Andriamanitra tany an-dalana, dia hoy izy: «Ilay olon’Andriamanitra nandà ny tenin’i Iaveh izay, fa natolotr’i Iaveh ny liona izy, ka noviravirainy, sy nasiany ho faty, araka ny teny voalazan’i Iaveh taminy.»

27 Dia hoy izy tamin’ireo zanany: «Asio lasely ny ampondra.» Nony voaisin’ireo lasely ny ampondra,

28 dia nandeha izy, ka nahita ity faty niampatra teo an-dalana, mbamin’ny ampondra sy ny liona nijanona teo anilan’ilay faty. Ny liona tsy nihinana ny faty, tsy namiravira ity ampondra.

29 Noaingan’ilay mpaminany ny fatin’ilay olon’Andriamanitra, nataony teo ambonin’ny ampondrany, dia nentiny; ary niverina tany an-tanànany ity mpaminany antitra, hitomany sy handevina azy.

30 Nataony tao amin’ny fasany ny faty, dia nitomanian’izy ireo izy, nataony hoe: «Indrisy! ry rahalahiko!»

31 Nony avy nandevina azy izy, dia nanao tamin’ireto zanany hoe: «Raha avy izay hahafatesako, dia aleveno amin’ny fasana ilevenan’ity olon’Andriamanitra ity aho, ka ataovy eo anilan’ny taolany ny taolako.

32 Fa ho tanteraka tokoa ny teny nantsoiny, araka ny tenin’i Iaveh, mihatra amin’ny ôtely any Betela sy amin’ny tranon’ny fitoerana avo rehetra izay ao amin’ny tanànan’i Samaria.»

33 Taorin’izany zava-niseho izany, mbola tsy niala tamin’ny lalan-dratsiny ihany i Jerôbôama, fa mbola nanangana mpisoron’ny fitoerana avo, avy amin’ny vahoaka, ihany izy, ka na iza na iza tia izany, dia natokany ka tonga mpisoron’ny toerana avo izy.

34 Nampisy fahotana momba ny tranon’i Jerôbôama izany ka io no antony nandringanana sy namongorana azy teto ambonin’ny tany.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *