Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 16

1 Ary tonga tamin’i Jehoa, zanak’i Hananì, ny tenin’i Iaveh namely an’i Baasà, nanao hoe:

2 «Nasandratro avy amin’ny vovoka ianao, ary natsangako ho mpanjakan’i Israely oloko, kanjo ny lalan’i Jerôbôama no nalehanao, ary i Israely oloko nampanotanao, mba hampahatezitra Ahy amin’ny fahotan’izy ireo.

3 Noho izany, indro, hofongorako kosa i Baasà sy ny tranony, ary hampanahafiko ny tranon’i Jerôbôama zanak’i Nabata, ny tranonao.

4 Ka ny tamingan’i Baasà maty an-tanàna, hohanin’ny alika, ary ny tamingany maty an-tsaha, hohanin’ny voromanidina.»

5 Ny sisa tamin’ny asan’i Baasà, mbamin’izay nataony, sy ny herim-po nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

6 Ary nody mandry any amin’ny razany i Baasà, ka nalevina ao Tersà. I Elà zanany lahy, no nanjaka nandimby azy.

7 Ary ny tenin’i Iaveh dia nampitondraina tamin’ny alalan’i Jehoa, mpaminany, zanak’i Ananì, hihatra amin’i Baasà sy ny tranony noho ny ratsy rehetra nataony teo imason’i Iaveh, nampahatezerany Azy tamin’ny asan’ny tanany, sy nanahafany ny tranon’i Jerôbôama, ary noho izy namono izany fianakaviana izany koa.

Fanjakan’i Elà tamin’i Israely (886-885)

8 Tamin’ny taona faha-26-n’i Asà, mpanjakan’i Jodà, dia tonga mpanjakan’i Israely tany Tersà, i Elà zanak’i Baasà, ary roa taona no nanjakany.

9 Niteti-dratsy hamely azy i Zambrì mpanompony, lehiben’ny antsasaky ny kalesiny. Ka raha ilay nisotro sy nimamo iny izy, tao Tersà, amin’ny tranon’i Arsà, lehiben’ny ankohonany ao Tersà,

10 dia niditra i Zambrì, ka namono ary nahafaty azy, tamin’ny taona faha-27-n’i Asà, mpanjakan’i Jodà, ary nanjaka nandimby azy izy.

11 Nony tonga mpanjaka sy tafapetraka tamin’ny seza fiandrianany izy, dia novonoiny avokoa ny fianakavian’i Baasà, ka tsy nasiany lahy iray nitsangana, na ny mpianakavinyna ny sakaizany.

12 Toy izany no namongoran’i Zambrì ny fianakavian’i Baasà rehetra, araka ny tenin’i Iaveh, izay nolazainy tamin’ny lalan’i Jehoa mpaminany nihatra tamin’i Baasà

13 noho ny fahotana rehetra nataon’i Baasà sy i Elà zanany, sy nampanaoviny an’i Israely, ka nampahatezerany an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely tamin’ny sampiny.

14 Ny sisa tamin’ny asan’i Elà, mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

Fanjakan’i Zambrì tamin’i Israely (885)

15 Tamin’ny taona faha-27-n’i Asà, mpanjakan’i Jodà, no nanjakan’i Zambrì, hafitoana, tao Tersà. Tamin’izay ny vahoaka, dia nitoby tandrifin’i Gebetôna izay an’ny Filistinina,

16 ary ny vahoaka mbola nitoby teo ka nandre ny vaovao hoe «Miteti-dratsy i Zambrì, sady efa matiny aza ny mpanjaka!» Ka androtr’izay ihany i Israely rehetra teo an-toby, dia nanangana an’i Amrì, filohan’ny tafika, ho mpanjakan’i Israely.

17 Dia niakatra avy any Gebetôna i Amrì sy i Israely rehetra niaraka taminy ka tonga nanao fahirano an’i Tersà.

18 Nony hitan’i Zambrì fa afaka ny tanàna, dia lasa niditra ao amin’ny trano mimandan’ny tranon’ny mpanjaka izy, ka nodorany aman-trano tao ny tenany. Toy izany no nahafatesany,

19 noho ny fahotana nataony, tamin’ny nanaovany izay ratsy teo imason’i Iaveh sy nandehanany tamin’ny lalan’i Jerôbôama ary tamin’ny fahotana nataon’i Jerôbôama hampanota an’i Israely.

20 Ny sisa tamin’ny asan’i Zambrì, mbamin’ny teti-dratsy nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

21 Nizara ho antokony roa ny vahoaka amin’i Israely tamin’izay, ny antsasaky ny vahoaka moa nomba an’i Tebnì, zanak’i Gineta hampanjaka azy, ary ny antsasany nomba an’i Amrì.

22 Resin’ny nomba an’i Amrì ny nomba an’i Tebnì, zanak’i Gineta, ka dia maty i Tebnì, ary i Amrì no nanjaka.

Fanjakan’i Amrì tamin’i Israely (885-974)

23 Tamin’ny taona faha-31-n’i Asà, mpanjakan’i Jodà, dia tonga mpanjakan’i Israely kosa i Amrì, ary 12 taona no nanjakany.

24 Nony nanjaka enin-taona tao Tersà izy, dia novidiny tamin’i Somera talenta volafotsy roa, ny tendrombohitr’i Samaria, ka nanorin-trano teo ambonin’ny tendrombohitra izy, ary nataony hoe Samaria, avy amin’ny anaran’i Somera tompon’ny tendrombohitra, ny anaran’ny tanàna naoriny.

25 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh i Amrì, sady nanao ratsy mihoatra izay rehetra talohany izy.

26 Nandeha tamin’ny lalana rehetra nalehan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izy, sy tamin’ny fahotana nampanaoviny an’i Israely, ka nampahatezitra an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely tamin’ny sampiny.

27 Ny sisa tamin’ny asan’i Amrì mbamin’izay nataony aman-kerim-po nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

28 ary nody mandry any amin’ny razany i Amrì, ka nalevina ao Samaria. I Akaba zanany lahy, no nanjaka nandimby azy.

Fiandohan’ny fanjakan’i Akaba (874-853)

29 Tamin’ny taona faha-38-n’i Asà mpanjakan’i Jodà no tonga mpanjakan’i Israely kosa i Akaba zanak’i Amrì, ary 22 taona no nanjakan’i Akaba zanak’i Amrì, tao Samaria, tamin’i Israely.

30 Nanao izay ratsy eo imason’ny Tompo mihoatra noho izay rehetra teo alohany, i Akaba zanak’i Amrì.

31 Hoatra ny noheveriny fa zavatra kely foana ny mandeha amin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, ka dia nalainy ho vady i Jezabela, zanaka vavin’i Etbaala, mpanjakan’ny Sidonianina, ka lasa izy nanompo an’i Baala sy niankohoka teo anatrehany.

32 Nanangana ôtely ho an’i Baala izy, tao amin’ny tranon’i Baala nataony tao Samaria;

33 sady nanao aserah koa i Akaba. Nanao izay nampahatezitra an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely i Akaba mihoatra noho ny mpanjakan’i Israely rehetra talohany.

34 Fahavelony dia nanorina an’i Jerikô, i Hiela avy any Betela, kanjo ny ain’i Abirama lahy matoany, no sazin’ny nanorenany ny fotony, ary ny ain’i Segoba zanany faralahy, no sazin’ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’i Iaveh izay nolazainy tamin’ny alalan’i Jôsoe zanak’i Nona.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *