Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 19

Teny an-dalana ho any Horeba

1 Nolazain’i Akaba tamin’i Jezabela avokoa ny nataon’i Elia, sy ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin’ny sabatra.

2 Ka naniraka olona ho any amin’i Elia, i Jezabela, hilaza aminy hoe: «Hataon’ireo andriamanitra amin’izay ngidiny indrindra anie aho, raha tsy ataoko toy ny ain’izy ireny tsirairay avy ny ainao, rahampitso toy izao.»

3 Nony nahita izany i Elia, dia lasa niainga hamonjy ny ainy. Ka nony tonga tao Bersabea izay an’i Jodà izy, navelany tao ny mpanompony,

4 fa izy kosa nandroso lalana indray andro tany an’efitra; ary nony mby tany izy, nipetraka teo ambanin’ny kofafambohitra anankiray, dia nangataka ny ho faty, nanao hoe: «Aoka izay! alao amin’izao ny aiko, ry Iaveh ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.»

5 Dia nandry izy, ka natory teo ambanin’ilay kofafambohitra. Fa indro nisy Anjely nanohitra azy kosa, nanao taminy hoe: «Miarena ianao, hihinana.»

6 Nijery izy, ka indro tao amin’izay niondanany, nisy mofo nendasina tamin’ny vato nohafanaina, sy rano iray tavoara; ary rehefa nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.

7 Fa tonga fanindroany indray ilay Anjelin’i Iaveh, nanohina azy, sy nanao taminy hoe: «Miarena ianao fa lavitra loatra ho anao ny dia halehanao.»

8 Dia niarina izy, nihinana sy nisotro, ary nandeha efapolo andro sy efapolo alina, tamin’ny hery azony tamin’izany hanina izany, ho any Horeba tendrombohitr’Andriamanitra.

Ny nihaonany tamin’Andriamanitra

9 Nony mby tany izy niditra tao anaty zohy, dia nandry tao. Ary indro tonga taminy ny tenin’i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Maninona atỳ ianao, ry Elia?»

10 Ka hoy ny navaliny: «Feno hafanam-po ho an’i Iaveh Andriamanitry ny tafika aho, fa ny fanekenao nafoin’ny zanak’i Israely, ny ôtelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra, izaho irery no sisa, ary tadiaviny halàna aina aho.»

11 Ary hoy i Iaveh: «Mivoaha ianao, ka mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’i Iaveh, fa indro handalo i Iaveh.» Dia nisy rivotra be sady mahery, nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy, teo alohan’i Iaveh; nefa tsy tao amin’ny rivotra i Iaveh. Nanarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany, nefa tsy tao amin’ny horohoron-tany i Iaveh.

12 Nanarakaraka ny horohoron-tany nisy afo koa, nefa tsy tao amin’ny afo i Iaveh. Ary nanarakaraka ny afo nisy fizozozozo malefaka sy malemy.

13 Ka raha nandre izay i Elia, nosaronany ny kapaotiny ny tarehiny, ka dia nivoaka izy, ary nijanona teo am-bava zohy izy. Dia injay nisy feo reny nankeo aminy, nanao hoe: «Maninona atỳ ianao, ry Elia?»

14 Ary hoy ny navaliny: «Feno hafanam-po ho an’i Iaveh Andriamanitry ny tafika aho, fa ny fanekenao nafoin’ny zanak’i Israely, ny ôtelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra, izaho irery sisa, ary tadiaviny halàna aina aho.»

15 Fa hoy i Iaveh taminy: «Mandehana amin’ny dianao indray ho any amin’ny efitr’i Damasa; ka rehefa mby any ianao, hosory ny mpanjakan’i Siria, i Hazaela,

16 hosory ho mpanjakan’i Israely i Jehoa, zanak’i Namsì, ary hosory ho mpaminany handimby anao i Elisea, zanak’i Safata, avy any Abela Mehôlà.

17 Ka izay ho afa-mandositra ny sabatr’i Hazaela dia hovonoin’i Jehoa, ary izay ho afa-mandositra ny sabatr’i Jehoa dia hovonoin’i Elisea.

18 Hamela 7.000 lahyao amin’i Israely anefa Aho, dia ireo rehetra tsy nandohalika tamin’i Baala, ireo rehetra tsy nanoroka an’io tamin’ny vavany.»

Fiantsoana an’i Elisea

19 Nony niala teo i Elia, dia nahita an’i Elisea, zanak’i Safata niasa tany. Omby efatra amby roapolo tsiroaroa no teo alohany, ka teo amin’ny faha laharana 12 izy. Nanatona azy i Elia sady natsipiny taminy ny kapaotiny.

20 Nilaozan’i Elisea ny ombiny, dia nihazakazaka nanaraka an’i Elia izy, nanao hoe: «Aoka handeha hanoroka an’idada sy ineny aho, dia hanaraka anao.» Ary hoy i Elia taminy: «Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?»

21 Dia niala teo aminy i Elisea, ka nalainy ny omby roa mikambana sy novonoiny, ary ny jiogan’ny omby no nandrahoany ny henany, ary nomeny hohanin’ny olona izany, vao niainga izy nanaraka an’i Elia sy nanompo azy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *