Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 4

Ireo manamboninahitr’i Salômôna

1 Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Salômôna mpanjaka.

2 Izao no lehibe, mpanao raharahany: i Azariasa, zanak’i Sadôka, no filohan’ny mpanao raharaha.

3 I Elihôrefa sy i Ahià, zanak’i Sisà, no mpanoratra; i Jôsafata zanak’i Ahiloda, no mpitahiry boky;

4 i Banaiasa zanak’i Jôiadasa no komandin’ny tafika; i Sadôka sy i Abiatara no mpisorona.

5 I Azariasa zanak’i Natàna no lehiben’ny mpikarakara ny hanin-kohanina; i Zaboda zanak’i Natàna mpisorona no mpanolo-tsaina, manolotra ny mpanjaka;

6 i Ahisara no lehiben’ny tao an-dapa; ary i Adônirama zanak’i Abdà no mpiadidy ny momba ny fanompoana.

Ireo mpikarakara hanin’i Salômôna

7 Nanana mpikarakara hanina 12 lahy tamin’i Israely rehetra i Salômôna. Ireo no namonona izay nilain’ny mpanjaka sy ny ankohonany, amin’ny fivelomany, samy tsy maintsy namonona izany ho an’ny volana iray avy isan-taona.

8 Izao no anaran’izy ireo: Ben-Hora, tamin’ny tendrombohitr’i Efraima;

9 Ben-Dekara, tao Maksesa, tao Salebima, tao Betsamesa, tao Elôna any Betanàna;

10 Ben-Heseda, tao Harobôta, azy avokoa i Sokao sy ny tany Efara rehetra;

11 Ben-Abinadaba, ny havoan’i Dora rehetra no azy, ary Tafeta zanakavavin’i Salômôna no vadiny;

12 Banà, zanak’i Ahiloda; azy avokoa i Tanàka sy i Magedao ary i Betsàna rehetra, akaikin’i Sartàna, eo ambanin’i Jezraela, hatrany Betsàna, ka hatrany Abelmehôla, hatrany ambadik’i Jekimaana;

13 Ben-Gabera tao Ramôtan’i Galaada; izao no azy: Ny tanàna madinik’i Jaira, zanak’i Manase, any Galaada; ny tany Argoba, any Basàna, misy tanàna lehibe 60, mimanda sy misy hidy varahina;

14 Ahinadaba zanak’i Adaô tao Manaima;

15 Akimaasa tao Neftalì. Izy koa naka ho vady ny zanaka vavin’i Salômôna anankiray dia i Basemata;

16 Baanà, zanak’i Hosì, tao Asera sy i Alota;

17 Jôsafata zanak’i Faroe, tao Isakara;

18 Semeià zanak’i Elà, tany Benjamina;

19 Gabara zanak’i Orì, tamin’ny tany Galaada, amin’ny tany Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, sy Oga mpanjakan’i Basàna, fa iray ihany no mpikarakara tamin’izany tany izany.

20 Maro toy ny fasika eny amoron-dranomasina i Jodà sy i Israely; ary nihinana sy nisotro sy nirobiroby.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *