Ny lapan’i Salômôna
1 13 taona no nanaovan’i Salômôna ny tranony, dia vitany izy manontolo.
2 Nanao ilay trano Alan’i Libànaizy, ka zato hakiho ny lavany, dimampolo hakiho ny sakany, telopolo hakiho ny haavony; andry sedera efatra andalana no nanohana azy, ary rairainy sedera no tambonin’ny andry.
3 Hazo sedera no natafony ny trano tambonin’ny efitrano izay ao ambonin’ny andry, 45 ny efitrano fa 15 isan’andalana izy.
4 Telo andalana ny efitrano; intelo mifanandrify koa ny varavarankely.
5 Hazo fisaka efa-joro avokoa no nanaovana ny varavarana rehetra sy ny tolàna rehetra ary nifanandrify intelo ny varavarankely.
6 Nanao ny trano heva misy andriny izy; 50 hakiho ny sakany, ary telo anoloan’io koa nasiany trano heva, nisy andriny sy ambaratonga teo anoloan’ireo.
7 Nanao ny trano hevan’ny seza fiandrianana koa izy, izay nanaovany fitsarana, dia nopetahany hazo sedera hatramin’ny tokotany ka hatramin’ny valin-drihana.
8 Ny trano nitoerany dia nataony torak’izany koa, tao amin’ny kianja anankiray manarakaraka ny trano heva, ary nanao trano mitovy amin’io trano heva io koa izy, ho an’ny zanaka vavin’i Faraôna izay nampakarin’i Salômôna ho vady.
9 Ny nandrafetana izany rehetra izany, dia vato be vidy avokoa, voapaika ara-marika, voatsofa tamin’ny tsofa, na atiny na ivelany, hatraty am-potony ka hatrany amin’ny koronosy, ary teo ivelany koa hatrany amin’ny tokotany lehibe.
10 Ny fototra koa natao tamin’ny vato be vidy, vato lehibe, vato folo hakiho sy valo hakiho.
11 Teo ambony dia nisy vato be vidy koa voapaika ara-marika, ary hazo sedera.
12 Amin’ny manodidina ny tokotany lehibe, dia nisy vato voapaika telo andalana sy sakamandimby sedera iray andalana tahaka ny kianja eo anatin’ny tranon’i Iaveh, sy tahaka ny trano hevan’ny trano.
I Hirama mpanao asa varahina
13 Naniraka haka an’i Hirama avy any Tira i Salômôna.
14 Zanaky ny vehivavy mpitondra tena anankiray amin’ny fokon’i Neftalì izy io, fa ny rainy no Tirianina, mpanefy varahina. Feno fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahakingana izy, mba hanao ny asa isan-karazany rehetra momba ny varahina. Dia tonga tao amin’i Salômôna mpanjaka izy, ka nahavita ny asany rehetra.
Ireo andry varahina
15 Nanao ny andry varahina roa izy, 18 hakiho ny haavon’ny andry iray, ary kofehy 12 hakiho no maharefy ny haben’ny andry iray hafa manodidina azy.
16 Nanao koronosy varahina anidina roa izy teo an-tampon’ireo andry; dimy hakiho ny haavon’ny koronosy iray, ary dimy hakiho ny haavon’ny koronosy hafa.
17 Nasiany makarakara mitarehin-karato sy tanjomiolaka mitarehin-drojo teo amin’ny koronosy izay teo ambonin’ny tampon’ny andry, ka nasiany fito ny koronosy, ary fito ny koronosy hafa;
18 nasiany voan’ampongabendanitra roa andalana manodidina ny iray amin’ny harato makarakara, hanarona ny koronosy teo an-tampon’ny andry anankiray, dia nataony toy izany koa ny koronosy anankiray.
19 Nataony mitarehim-boninkazo lisy, efatra hakiho ny haavony, ny koronosy ao an-tampon’ny andry teo amin’ny trano heva.
20 Ny koronosy nataingina eo ambonin’ny andry roa dia voahodina voan’ampongabendanitra roan-jato, eny ambony, anilan’ny mivohitra an-koatra ny harato; voahodidina voan’ampongabendanitra roan-jato mitandahatra koa ny koronosy anankiray.
21 Natsangany ny andry tamin’ny trano hevan’ny tempoly, ka natsangany ny andry teo ankavanana, ka nataony hoe Jakîna; dia natsangany ny andry teo ankavia, ka nataony hoe Bôaza.
22 Teo an-tampon’ny andry dia nisy voan-javatra mitarehim-boninkazo lisy. Toy izany no nahavitan’ny asa momba ireo andry ireo.
Ny ranomasina varahina
23 Ary nanao ny ranomasina anidina izy, folo hakiho ny habeny, hatramin’ny molony iray ka hatramin’ny molony iray, boribory ny tenany manontolo, dimy hakiho ny haavony, kofehy 30 hakiho no naharefy manodidina azy.
24 Nisy voatango nanodidina azy tambanin’ny molony, folo no tamin’ny iray hakiho, ary roa andalana izy no nanodidina ny ranomasina manontolo; indray natao anidina taminy ny voatango, ka iray tena taminy.
25 Omby 12 no nanaingenana azy; telo nanatrika ny avaratra, telo nanatrika ny andrefana, telo nanatrika ny atsimo, telo nanatrika ny atsinanana, teo ambonin’izy ireo ny ranomasina; ary ny tapany aoriana rehetra amin’ny vatany dia tao ampovoany.
26 Vody voampelatanana no hateviny, sahala amin’ny molo-kapoaka, manahaka ny vonin’ny lisy ny molony; rano roa arivo bata no laniny.
Ireo tongony varahina sy dobo varahina
27 Nanao ny tongotra varahinafolo izy, efatra hakiho avy ny halavany, efatra hakiho ny zakany, ary telo hakiho ny haavony.
28 Toy izao no nanaovana ireo tongotra ireo: Natao am-panoa izy, ary niditra teo anelanelan’ny batàna ny panoa.
29 Ka nisy liona sy ombalahy sy kerobima tambonin’ny panoa iray izay tafiditra anelanelan’ny batàna; nisy faladiany tambonin’ny batàna, ary nisy tanjomiolaka nihantona tambanin’ny liona sy ombalahy ary kerobima.
30 Isan-tongony iray nisy kodiarana varahina avy; ka samy nisy faladiany ny tongony, ary ireo faladiany anidina ireo no tambanin’ny fitoeran-drano sy any an-koatry ny tanjomiolaka.
31 Tamin’ny tampon’ny tongony sy ao anatiny, nisy ny loaka fandraisana ny fitoeran-drano, iray hakiho no halaliny; boribory izany loaka izany, mitarehina fototr’andry, ary iray hakiho sy sasany ny habeny; ary nisy zavatra voasikotra tamin’izany loaka izany; ny panoa dia efa-joro fa tsy boribory.
32 Tambanin’ny panoa ny kodiarana efatra ary niraikitra tamin’ny tongotra ny lahin-tangerin’ny kodiarana, iray hakiho sy sasany avy no haavon’ny kodiarana.
33 Natao toy ny kodiaran’ny kalesy ihany ny kodiarana, ary anidina avokoa ny lahin-tangerina, ny hazon-kodiarany, ny tanan-kodiarany, ary ny foibeny.
34 Nisy faladiany efatra tamin’ny zorony efatry ny tongotra, niray tena tamin’ny tongotra ireo faladia ireo.
35 Ny tampon-dohan’ny tongotra dia nisy fehim-barìka, ka antsasa-kakiho ny haavony, ary tao an-tampon’ny tongotra, dia iray tena ihany ny fitehenany sy ny panoany.
36 Ny tavan’ny fitehenany sy ny panoany, dia nisokirany kerobima sy liona ary rofia, araka ny halalahan’ny fitoerana voatokana ho azy avy, sady nasiana tanjomiolaka manodidina.
37 Toy izany no nanaovany ny tongotra folo, indray natao anidina, iray habe, iray tarehy avokoa izany rehetra izany.
38 Dia nanao fitoeran-drano varahina folo izy, samy nahalany efapolo vata avy, efatra hakiho ny haben’ny fitoeran-drano avy, samy nitombina tamin’ny tongotra anankiray tamin’ny iray amin’ny tongotra folo.
39 Ka toy izao no nandaharany ny tongotra folo: ny dimy nataony teo amin’ny ilan’ny trano ankavanana, ny dimy kosa nataony teo amin’ny ilan’ny trano ankavia; ary ny ranomasina nataony teo amin’ny ilan’ny trano ankavanana, amin’ny atsinanana somary atsimo.
Ireo fanaka madinika. Famintinan-tantara
40 Nanao ny vilany sy ny sotron’afo ary ny kapoaka i Hirama
Ary vitan’i Hirama ny asa rehetra nataony ho an’i Salômôna mpanjaka, tao amin’ny tranon’i Iaveh:
41 ny andry roa, ny koronosy aman-tsikalany boribory roa teny an-tampon’ny andry, ny harato roa manarona ny tsikalana boribory roa amin’ny koronosy eo an-tampon’ny andry,
42 ny voan’ampongabendanitra efajato, tamin’ny harato roa, ampongabendanitra roa andalana isan-karato, nanarona ny tsikalany boribory roa tamin’ny koronosy teny an-tampon’ny andry.
43 Ny tongotra folo sy ny fitoeran-drano folo tambonin’ireo tongotra,
44 ny ranomasina sy ny omby 12, teo ambanin’ny ranomasina,
45 ny tavy sy ny sotron’afo ary ny kapoaka. Varahina manganohano avokoa ireo fanaka nataon’i Hirama ho an’i Salômôna ireo, tao amin’ny tranon’i Iaveh.
46 Tao amin’ny tany lemak’i Jordany, amin’ny tany be tany manga anelanelan’i Sokôta sy i Sartàna no nasain’ny mpanjaka nanaovana anidina azy.
47 Navelan’i Salômôna tamin’izao, fa tsy nolanjaina ireo fanaka rehetra ireo, satria be loatra ka tsy notsapaina ho fantatra marina izay lanjan’ny varahina.
48 Nataon’i Salômôna koa ny fanaka hafa rehetra izay tao an-tranon’i Iaveh: ny ôtely volamena, ny latabatra volamena fametrahana ny mofo alahatra,
49 ny fanaovan-jiro volamena madio, dimy teo ankavanana, ary dimy teo ankavia, teo anoloan’ny orakla, mbamin’ny voniny; ny lela fanaovan-jiro sy ny hetin-jirony volamena,
50 ny tavin-drano, ny antsy, ny kapoaka, ny lovia kely, sy ny fanembohana volamena madio, mbamin’ny lahin-tsavily amin’ny varavaran’ny efitrano anatiny, izany hoe: ny Fitoerana Masina indrindra, sy amin’ny varavaran’ny trano, izany hoe ny Fitoerana Masina.
51 Toy izany no nahavitana ny voa-javatra rehetra nataon’i Salômôna mpanjaka, tamin’ny tranon’i Iaveh, dia nentin’i Salômôna izay rehetra nataon’i Davida rainy, ny volafotsy, ny volamena, sy ny fanaka rehetra, ka napetrany tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh.