Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 8

Famindrana ny Fiaran’ny Fanekena

1 Tamin’izany novorin’i Salômôna tao aminy, tany Jerosalema, avokoa ny loholon’i Israely, sy ny lehibe rehetra isam-pokony, ary ny filoham-pianakavian’ny zanak’i Israely, mba hamindra ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh avy amin’ny tanànan’i Davida, izany hoe any Siôna.

2 Ka nivory tao amin’i Salômôna mpanjaka avokoa ny lehilahy rehetra amin’i Israely, tamin’ny fety, amin’ny volana Etanima, volana fahafito.

3 Nony tonga ny loholona rehetra amin’i Israely, dia nentin’ny mpisorona ny Fiara.

4 Nentiny ny Fiaran’i Iaveh mbamin’ny trano lay fihaonana sy ny fanaka voahasina rehetra izay tao amin’ny trano lay, ka ny mpisorona sy ny Levita no nitondra ireo.

5 Ary i Salômôna mpanjaka sy ny fiangonan’i Israely rehetra izay nantsoiny ho eo aminy, dia niaraka taminy teo anoloan’ny Fiara. Ondry sy omby tsy hita isa sy tsy tambo isaina noho ny hamaroany no novonoiny ho sorona.

6 Dia nentin’ny mpisorona teo amin’ny toerany ny Fiaran’ny faneken’i Iaveh, dia tao amin’ny Toerana Masin’ny trano, ao amin’ny Fitoerana Masina indrindra, teo ambonin’ny elatry ny kerobima.

7 Fa namelatra ny elany tambonin’ny fitoeran’ny Fiara ny kerobima ka nanaloka ny Fiara sy ny baony teo amboniny.

8 Lava be moa ny bao, ka dia hita izy raha eo amin’ny Fitoerana Masina; fa ny any ivelany no tsy mahita azy. Dia tao izy mandraka androany.

9 Tao anatin’ny Fiara tsy nisy afa-tsy ny takela-bato roa, napetrak’i Môizy tao, tany an-tendrombohitra Horeba, fony i Iaveh nanao fanekena tamin’ny zanak’i Israely, tamin’ny nivoahany avy tany amin’ny tany Ejipta.

Noraisin’Andriamanitra ny Tempoliny

10 Nony nivoaka avy tao amin’ny Fitoerana Masina ny mpisorona dia nameno ny tranon’i Iaveh ny rahona,

11 ka tsy nahajanona hanao ny fanompoany tao ny mpisorona, noho ny amin’ny rahona, fa nameno ny tranon’i Iaveh ny voninahitr’i Iaveh.

12 Tamin’izay dia hoy i Salômôna: «Sitrak’i Iaveh ny honina ao anatin’ny haizina.

13 Nanao trano aho ho fonenanao, fitoerana hipetrahanao mandrakizay.»

Kabarin’i Salômôna tamin’ny vahoaka

14 Dia natodiky ny mpanjaka ny tavany ary notsofiny rano ny fiangonan’i Israely rehetra, ary tafatsangana avokoa ny fiangonan’i Israely rehetra.

15 Ary hoy izy: «Hankalazaina anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa ny vavany efa niteny tamin’i Davida raiko, ary ny tanany efa nanatanteraka izay nolazainy hoe:

16 Hatramin’ny andro nitondrako an’i Israely vahoakako nivoaka avy tany Ejipta dia tsy nifidy tanàna teo amin’ny fokon’i Israely rehetra aho, hanaovan-trano hitoeran’ny Anarako, fa efa nifidy an’i Davida hanjaka amin’i Israely vahoakako aho.

17 Ary efa nanan-kevitra hanao trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ihany i Davida raiko,

18 kanefa hoy i Iaveh tamin’i Davida raiko: Rehefa nanan-kevitra hanao trano ho an’ny Anarako ianao, dia tsara ny nanaovanao izany hevitra izany.

19 Saingy tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao lahy, izay naloaky ny kibonao, no hanao ny trano ho an’ny Anarako.

20 Ary notanterahin’i Iaveh ny teny efa nolazainy, fa nisandratra handimby an’i Davida raiko aho, ary nipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely, araka ny efa voalazan’i Iaveh ary nanao ny trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

21 Nasiako fitoerana teo, ho an’ny Fiara misy ny faneken’i Iaveh izay nataony tamin’ny razantsika, fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta.»

Vavaka lehibe nataon’i Salômôna

22 Dia tao anoloan’ny ôtelin’i Iaveh i Salômôna, nanatrika ny fiangonan’i Israely rehetra sy nanandratra ny tanany mankany an-danitra ka nanao hoe:

23 Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na amin’ny lanitra ambony na amin’ny tany ambany, fa Ianao mitandrina ny fanekenao amam-pamindram-ponao, amin’ny mpanomponao, izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony tokoa,

24 araka ny efa nanatanterahanao ny voalazanao tamin’i Davida raiko mpanomponao; fa notanterahin’ny tananao izay voalazan’ny vavanao, araka izao hita anio izao.

25 Koa ankehitriny, ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, noho ny fankasitrahanao an’i Davida raiko mpanomponao, dia tanteraho izay voalazanao taminy hoe: Tsy ho lany taranaka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely eo anatrehako, ianao, raha mitandrina ny lalany ny zanakao, ka mandeha eo anatrehako, toy ny nandehananao teo anatrehako.

26 Koa ankehitriny, ry Andriamanitr’i Israely, dia aoka ho tanteraka anie ny teny nataonao tamin’i Davida raiko mpanomponao.

27 Fa moa dia marina va fa monina eto an-tany Andriamanitra? Indro, ny lanitra sy ny lanitry ny lanitraaza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!

28 Kanefa, ry Iaveh Andriamanitra ô, tsimbino ny vavaka amam-pifonan’ny mpanomponao, henoy ny fiantsoam-pifaliana sy ny fangatahana ataon’ny mpanomponao eo anatrehanao anio;

29 ka ataovy mihiratra andro aman’alina amin’ity trano ity anie ny masonao, dia amin’ny fitoerana izay nilazanao hoe: Ho ao ny Anarako; ka henoy ny vavaka ataon’ny mpanomponao amin’ity fitoerana ity.

Ireo vavaka ho an’ny vahoaka

30 Henoy ny fifonan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao, raha mivavaka amin’ity fitoerana ity izy; mihainoa any amin’ny fitoeram-ponenanao any an-danitra, mihainoa, ka mamelà heloka.

31 Raha misy olona manota amin’ny namany, ka asaina manao fianianana izy, ary tonga hianiana eto anoloan’ny ôtelinao amin’ity trano ity,

32 dia mihainoa azy any an-danitra, ary manefà, dia mitsarà ny mpanomponao, manameloka izay meloka, mampitsingerina amin’ny lohany ny nataony, manambara ny tsy manan-tsiny ho marina sy mamaly azy araka ny tsy fananany tsiny.

33 Nony resin’ny fahavalony i Israely vahoakanao noho izy nanota taminao, raha miverina aminao sy manome voninahitra ny Anaranao izy, ka manao fivavahana sy fifonana aminao eto amin’ity trano ity,

34 dia mihainoa azy Ianao any an-danitra, ka avelao ny fahotan’i Israely vahoakanao ary ampodio amin’ny tany nomenao ny razany izy.

35 Nony mihantona ny andro ka tsy milatsaka ny orana, noho ny nataon’izy ireo taminao, raha mivavaka aminao eto amin’ity fitoerana ity izy, sy manome voninahitra ny Anaranao, sady miala amin’ny fahotany, fa nampahorinao,

36 dia mihainoa azy Ianao any an-danitra ka avelao ny fahotan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao sady manoroa azy ny lalana tsara tsy maintsy alehany, ary alatsaho ny ranonorana amin’ny tany nomenao ny vahoakanao ho lovany.

37 Raha misy mosary amin’ny tany, na misy pesta, na misy aretim-bary, na niela, na valala, na kasily, na avy izay hanaovan’ny fahavalo fahirano azy amin’ny taniny, amin’ny vavahadiny, na hisian’ny loza aman’aretina, na inona na inona izy,

38 raha manao fivavahana sy fifonana ny olona na iza na iza sy i Israely rehetra vahoakanao, sady samy miaiky ny ferin’ny fony ka mamela-tanana manandrify ity trano ity,

39 mihainoa any an-danitra any amin’ny fitoeran’ny fonenanao, ka mamelà heloka azy, tanteraho ka valio araka ny lalany rehetra avy izy, fa Ianao mahalala ny fony, Ianao irery no mahalala ny fon’ny zanak’olombelona rehetra,

40 mba hatahorana Anao amin’ny andro rehetra hiainany etỳ ambonin’ny tany nomenao ny razany.

Fanampiny

41 Ny amin’ny vahiny, izay tsy isan’i Israely vahoakanao fa avy any an-tany lavitra, noho ny amin’ny Anaranao,

42 fa ho ren’ny olona ny Anaranao be voninahitra sy ny tananao mahery ary ny sandrinao mihenjana, ka ho avy hivavaka eto amin’ity trano ity izy,

43 dia mihainoa any an-danitra any amin’ny fitoeran’ny fonenanao, ka araka izay rehetra hangatahin’ny vahiny aminao no aoka hataonao aminy, mba ho fantatry ny olona rehetra amin’ny tany ny Anaranao, ka hatahorany Anao, tahaka an’i Israely vahoakanao, ary hahalalany fa antsoina amin’ity trano nataoko ity ny Anaranao.

44 Nony hivoaka hiady amin’ny fahavalony ny vahoakanao, manaraka ny lalana hasainao alehany, ka mivavaka amin’i Iaveh izy mitodika ny tanànavoafidinao sy ity trano nataoko ho an’ny Anaranao ity,

45 dia henoy any an-danitra ny vavaka amam-pifonany, ka omeo ny rariny izy.

46 Raha avy izay hanotany aminao, fa tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy Ianao, ary manolotra azy amin’ny fahavalony, aty ny mpandresy hitondra azy ho babo, any amin’ny tanim-pahavalo, na ho lavitra na ho akaiky,

47 raha mieritreritra ao am-pony izy nony mby any amin’ny tanin’ny mpandresy azy, ka mibebaka izy sy manolotra fifonana aminao, any amin’ny tanin’ireo nambabo azy, manao hoe: Efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay, efa nahavita heloka izahay!

48 sady miverina aminao amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy, any an-tanin’ny fahavalony izay nitondra azy ho babo, ka manao fivavahana aminao mitodika atỳ amin’ny taniny izay nomenao ny razany, sy atỳ amin’ny tanàna voafidinao, ary atỳ amin’ny trano nataoko ho an’ny Anaranao,

49 dia henoy any an-danitra, any amin’ny fitoeran’ny fonenanao ny vavaka amam-pifonany, ka omeo rariny izy;

50 avelao ny fahotan’ny vahoakanao sy ny fahadisoany rehetra izay nataony taminao, ataovy mangoraka azy, ireo namabo azy, ka hamindra fo aminy;

51 fa vahoakanao sy lovanao izy ireo izay nentinao nivoaka avy tany Ejipta tany amin’ny memy vy.

Famaranana ny vavaka sy tso-drano ho an’ny vahoaka

52 Mba ahirato ny masonao amin’ny fifonan’ny mpanomponao, sy ny fifonan’i Israely vahoakanao, mba hihainoanao azy amin’izay rehetra hangatahiny aminao.

53 Fa navahanao tamin’ny vahoaka rehetra eto an-tany izy mba ho anao, mba ho lovanao, araka ny voalazanao tamin’i Môizy mpanomponao, fony Ianao nitondra ny razanay nivoaka avy tany Ejipta, ry Iaveh Tompo ô!

54 Rehefa tapitra nataon’i Salômôna tamin’i Iaveh izany vavaka amam-pifonana rehetra izany, dia nitsangana izy avy teo anoloan’ny ôtelin’i Iaveh izay nandohalihany sy namelarany tanana nanondro ny lanitra.

55 Nony nitsangana izy dia nitso-drano ny fiangonan’i Israely rehetra nanao hoe:

56 Hankalazaina anie i Iaveh, izay nanome fitsaharana an’i Israely vahoakany araka izay rehetra voalazany. Fa amin’ny teny soa rehetra nampandrenesiny tamin’ny alalan’i Môizy mpanompony dia tsy misy teny tsy tanterakana iray aza.

57 Homba antsika anie i Iaveh Andriamanitsika, toy ny efa nombany ny razantsika. Tsy handao antsika anie Izy, na hahafoy antsika,

58 fa aoka hanongilana ny fontsika ho any aminy, mba hizorantsika amin’ny lalany sy hitandremantsika ny didiny aman-dalàny, ary ny fitsipiny izay nandidiany ny razantsika.

59 Izao teny fifonana nataoko teo anatrehan’i Iaveh izao, dia aoka ho mby akaikin’i Iaveh Andriamanitsika andro aman’alina, mba homeny rariny, araka izay ilaina isan’andro, izaho mpanompony sy i Israely vahoakany,

60 mba ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany, fa Andriamanitra i Iaveh ary tsy misy afa-tsy Izy irery.

61 Ho an’i Iaveh Andriamanitsika anie ny fonareo manontolo, mba hanarahanareo ny lalàny, sy hitandremanareo ny didiny, tahaka izao anio izao.

Ireo sorona sy ny fankalazana ny fitokanana

62 Ary nanatitra soronateo anatrehan’i Iaveh ny mpanjaka sy i Israely rehetra niaraka taminy.

63 Namono omby 22.000 ary ondry 120.000 i Salômôna hatao sorom-pihavanana nateriny tamin’i Iaveh. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny zanak’i Israely rehetra ny tranon’i Iaveh.

64 Nohamasinin’ny mpanjaka androtr’izay ihany ny afovoan’ny kianja eo anoloan’ny tranon’i Iaveh, fa teo no nanolorany ny sorona dorana, sy ny fanatitra ary ny saboran’ny sorom-pihavanana; satria kely loatra ny ôtely varahina eo anoloan’i Iaveh, ka tsy omby ny sorona dorana sy ny fanatitra ary ny saboran’ny sorom-pihavanana.

65 Tamin’izany andro izany, i Salômôna sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia olona zavon-tany avy hatrany amin’ny vava lalan’i Emata, ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta, dia nankalaza ny fety teo anatrehan’i Iaveh Andriamanitsika nandritra ny fito andro, ary fito andro koa indray, dia 14 andro.

66 Nony tamin’ny andro fahavalo, dia nalefany nody ny vahoaka. Dia nisaotra andriana, sy nandeha nankany amin’ny fonenany avy, sady faly izy ireo no ravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’i Iaveh tamin’i Davida mpanompony, sy tamin’i Israely vahoakany.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *