Nasian’i Jônatasy ny Filistinina
1 Indray andro izay, hoy i Jônatasy tamin’ny zatovo nitondra ny fiadiny: «Andeha isika hiampita eny amin’ny antoko miaramilan’ny Filistinina erỳ an-dafy». Tsy nolazainy tamin-drainy anefa izany.
2 I Saola nitoetra teo an-tsisin’i Gabaà, ambanin’ny ampongabendanitra any Magrôna, ary sahabo ho enin-jato lahy ny vahoaka teo aminy.
3 Ary nitafy ny efôda i Akiasy zanak’i Akitoba, rahalahin’i Ikabôda, zanak’i Finea zanak’i Helì, mpisoron’i Iaveh tany Silô. Tsy nahalala ny vahoaka, fa hoe lasa i Jônatasy.
4 Teo an-tenatenan’ny hadilalana, notadiavin’i Jônatasy hankanesana eny amin’ny antoko-miaramilan’ny Filistinina, dia nisy haram-bato kitso loha tamin’ny laniny iray, ary haram-bato kitso loha tamin’ny laniny iray; ny iray natao hoe Bosesa ary ny iray kosa Sene.
5 Ny iray tamin’ireo haram-bato ireo nijoro teo avaratra, tandrifin’i Makmasy; ny iray kosa teo atsimo, tandrifin’i Gabea.
6 Dia hoy i Jônatsy tamin’ny zatovo nitondra ny fiadiany: «Andeha isika ho any amin’ny antoko-miaramilan’ireo tsy mifora ireo; angamba hiasa hanampy antsika i Iaveh, satria tsy misy mahasakana an’i Iaveh tsy hamonjy, na amin’ny maro na amin’ny vitsy».
7 Dia hoy ity mpitondra fiadiana: «Ataovy izay rehetra tianao, fa inty aho momba anao, vonon-kanaraka anao».
8 Ary hoy i Jônatasy: «Izao àry, dia handeha amin’ireo olona ireo isika ary hiseho aminy koa isika.
9 Raha ataony hoe: Andraso aloha ho tonga any aminareo izahay, dia hiandry eo amin’izay itoerantsika isika, fa tsy hiakatra ho any aminy.
10 Fa raha ataony hoe: Miakara atỳ aminay, dia hiakatra isika, fa natolotr’i Iaveh eo an-tanantsika izy. Famantarana ho antsika izany».
11 Dia niseho tamin’ny antoko-miaramilan’ny Filistinina izy roa lahy, ka hoy ny Filistinina: «Indreto ny Hebrio mivoaka avy any an-davaka niereny».
12 Ary niteny tamin’i Jônatasy sy ny mpitondra fiadiany ny miaramila amin’io antokony io nanao hoe: «Miakara atỳ aminay, fa hataonay mahita raha ianareo». Dia hoy i Jônatasy tamin’ity mpitondra fiadiany: «Manaraha ahy, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tanantsika izy ireo».
13 Koa niakatra nandady tongotra aman-tanana i Jônatasy narahin’ity mpitondra fiadiany. Ary lavo teo anoloan’i Jônatasy ny Filistinina, sady namono teo aoriany koa ity mpitondra fiadiany.
14 Dia sahabo ho roapolo lahy aloha no matin’i Jônatasy sy ny mpitondra fiadiany tamin’io famelezany voalohany tao anatin’ny tany antsasaky ny vava asa aminy tany irayarpenta.
Ady nifanaritaka
15 Niely tao an-toby ny fahatahorana mafy, tany an-tany lemaka ary tamin’ny vahoaka rehetra; raiki-tahotra koa ny antoko-miaramila mbamin’ny tafi-pandringanana; nihorohoro ny tany. Fahatsiravina avy amin’Andriamanitra izany.
16 Tazan’ny mpitilin’i Saola izay tao Gabaàn’i Benjamina, ny ielezany sy ifanaritahan’ny vahoaka be tamin’ny Filistinina.
17 Ka hoy i Saola tamin’ny vahoaka nomba azy: «Ataovy ny matso, ka zahao izay niala tamintsika». Dia nanao matso izy ireo, ka hita fa i Jônatasy sy ny mpitondra fiadiany no tsy teo.
18 Ary hoy i Saola tamin’ny Akiasy: «Ento mankatỳ ny Fiaran’Andriamanitra», fa teo amin’ny zanak’i Israely ny Fiaran’Andriamanitra tamin’izany andro izany.
19 Raha mbola niteny tamin’ny mpisorona i Saola dia nitombo ny tabataba teny an-tobin’ny Filistinina, ka hoy i Saola tamin’ny mpisorona: «Tsoahy ny tananao».
20 Raha efa izany dia nivory i Saola mbamin’ireo vahoaka rehetra nomba azy, ka nandroso tonga hatrany amin’ny toerana niadiana; ka indro fa izy samy izy no nifamely sabatra ary efa nifanaritaka be ihany.
21 Ny Hebrio, izay teo amin’ny Filistinina teo taloha koa, dia niara-niakatra taminy ho eo an-toby, eny manodidina eny, ary rafitra niandany tamin’i Israely nomba an’i Saola sy i Jônatasy.
22 Ireo lehilahy rehetra amin’i Israely, izay niery tany amin’ny tendrombohitra Efraima, nony nandre ny nandosiran’ny Filistinina, dia rafitra nanenjika sy niady tamin’ireny koa.
23 Toy izany no nanafahan’i Iaveh an’i Israely tamin’izany andro izany. Ary notohizany ny ady mandra-pahatonga any Bety-Avena.
Fandraràn’i Saola nodikain’i Jônatasy
24 Reraka mafy ny lehilahy amin’i Israely tamin’izany andro izany. Nampianiana ny vahoaka i Saola nanao hoe: «Ho voaozona anie izay lehilahy mihinan-kanina, mandra-paharivan’ny andro, mandra-pamaliako ny fahavaloko». Ka tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray aza.
25 Tonga tany amin’ny ala ny vahoaka ary nisy tantely teny ambonin’ny tany.
26 Ary niditra ny ala ny vahoaka ka nahita tantely nitsononòka, nefa tsy nisy sahy nanainga ny tananyho eo am-bavany, fa natahotra ny fianianana ny vahoaka.
27 Tsy mba nandre anefa i Jônatasy nony nampanaovin-drainy fianianana ny vahoaka, ka narosony ny loha tehina teny an-tanany dia natsoboka tao amin’ny toho-tantely ary nataony tao am-bavany ny tanany, dia nihiratra ny masony.
28 Fa niteny kosa tamin’izay ity olona iray tamin’ny vahoaka, nanao hoe: «Rainao anie ka nampianiana ny vahoaka nanao hoe: Ho voaozona anie izay lehilahy mihinan-kanina anio! Efa reraka erỳ ny vahoaka».
29 Dia hoy i Jônatasy: «Nampidirin’i dada angano lahy ny vahoaka! Jereo ange ity fihiratry ny masoko, azon’ilay izaho nanandrana kely tamin’ny tantely teo!
30 Raha izay ny vahoaka no nihinana androany tamin’ny babo azony tamin’ny fahavalony dia ho mafy lavitra ny nandresena ny Filistinina».
Hadisoana ara-pombam-pivavahana nataon’ny vahoaka
31 Namely ny Filistinina hatrany Makmasy ka hatrany Hajalôna izy ireo tamin’izany andro izany, ka reraka indrindra ny vahoaka,
32 dia nirotsaka nianjady tamin’ny babo ny vahoaka: nalainy ny ondry, ny omby mbamin’ny zanak’omby, ka novonoiny tamin’ny tany dia nohanin’ny vahoaka mbamin’ny rany.
33 Ary nisy nilaza tamin’i Saola nanao hoe: «Indro nanota tamin’i Iaveh ny vahoaka, fa homan-javatra miaraka amin’ny rany.» Ka hoy i Saola: «Efa nanao hadisoana ianareo, ka kodiavo vato lehibe ho atỳ amiko izao ankehitriny izao ihany!»
34 Ary hoy i Saola: «Mieleza any amin’ny vahoaka, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny na ny ondriny atỳ amiko sy mamono azy eto, vao hihinana, ka tsy hanota amin’i Iaveh ianareo amin’ny fihinanan-javatra miaraka amin’ny rany.» Dia samy nitondra ny ombiny, tamin’ny tanany, nandritra ny alina ny vahoaka rehetra, ka namono azy teo.
35 Nanangana ôtely ho an’i Iaveh i Saola: io no voalohan’ôtely natsangany ho an’i Iaveh.
I Jônatasy hita fa diso, saingy navotan’ny vahoaka
36 Ary hoy i Saola: «Dieny mbola alina ny andro dia ndeha hidina manenjika ny Filistinina isika; hobabointsika mandra-pahazavan’ny andro izy, ary tsy hasiantsika miangana na dia iray aza.» Hoy izy ireo: «Ataovy izay sitrakao rehetra.» Ary hoy ny mpisorona: «Andeha hanatona an’Andriamanitra etoana.»
37 Dia nanontany an’Andriamanitra i Saola nanao hoe: «Hidina hanenjika ny Filistinina va aho? Hatolotrao eo an-tanan’i Israely va ireny?» Fa tsy nomeny valy izy, tamin’izay andro izay.
38 Hoy i Saola: «Avia atỳ ianareo rehetra loholon’ny vahoaka. Zahao ka fantaro izay fahotananatao androany.
39 Fa raha velona koa i Iaveh mpanafaka an’i Israely dia tsy maintsy maty izay hahitana izany, na dia i Jônatasy zanako aza.» Ary tsy nisy namaly azy teo amin’ny vahoaka rehetra.
40 Ka hoy izy tamin’i Israely rehetra: «Aoka ianareo ho an-daniny, ary izaho sy i Jônatasy zanako kosa ho ankilany.» Dia hoy ny vahoaka tamin’i Saola: «Ataovy izay sitrakao.»
41 Ary hoy i Saola tamin’i Iaveh: «Ry Andriamanitr’i Israely ô, asehoy izay marina!» Dia i Jônatasy sy i Saola no voatondro, ka ny vahoaka afaka.
42 Ka hoy i Saola: «Ataovy filokana izaho sy i Jônatasy zanako.» Dia i Jônatasy no voatondro.
43 Ka hoy i Saola tamin’i Jônatasy: «Ambarao amiko izay nataonao.» Dia nambaran’i Jônatasy azy, ka hoy izy: «Nanandrana tantely tamin’ny loha tehina tetỳ an-tanako, ary inty aho manaiky ny ho faty.»
44 Dia hoy i Saola: «Hasian’Andriamanitra mafy indrindra anie aho, raha tsy hatao maty tokoa ianao, ry Jônatasy!»
45 Fa hoy ny vahoaka tamin’i Saola: «I Jônatasy izay nanao izao famonjen-dehibe izao tamin’i Israely indray ve no ho faty è! Sanatria izany! Raha velona koa i Iaveh tsy hisy latsaka amin’ny tany, na dia ny singam-bolondohany iray akory aza; fa ny nataony androany dia niarahany tamin’Andriamanitra.» Toy izany no namonjen’ny vahoaka an’i Jônatasy, ka tsy maty izy.
46 I Saola tsy maty fa nanenjika ny Filistinina ary tafaverina tany amin’ny taniny ny Filistinina.
Famintinina ny nanjakan’i Saola
47 Rehefa azon’i Saola ny fanjakana tamin’ny Israely, niady tamin’ny fahavalony rehetra manodidina izy, dia tamin’i Moaba, tamin’ny taranak’i Amôna, tamin’i Edôma, tamin’ireo mpanjakan’i Sobà ary tamin’ny Filistinina, ka izay nitodihany rehetra na aiza na aiza resiny avokoa.
48 Nampiseho herim-po tany an’ady izy, dia namely an’i Amaleka, ka nanafaka an’i Israely teo an-tanan’izay namabo azy.
49 Ny zanaka lahin’i Saola dia i Jônatasy, Jesoì, Melkisoà, ary ny anaran’ny zanany roa vavy, dia Meroba ny zokiny ary Mikola ny zandriny.
50 Ny anaran’ny vadin’i Saola kosa dia Akinôama, zanaka vavin’i Akimaasy. Ny anaran’ny lehiben’ny foloalindahy dia Abnera zanak’i Nera, rahalahin-drain’i Saola.
51 I Kisy rain’i Saola, sy i Nera rain’i Abnera dia samy zanak’i Abiela.
52 Nandritra ny andro rehetra niainan’i Saola dia mafy dia mafy ny ady tamin’ny Filistinina, ka nony nahita lehilahy matanjaka sy mahery fo i Saola dia nitana azy ho amin’ny fanompoana azy.