Ny nandresen’i Davida ny Amalesita
1 Nony tonga tao Sikelega i Davida mbamin’ny olony, tamin’ny andro fahatelo, dia efa notafihin’ny Amalesita i Negeba sy i Sikelega: nasiany i Sikelega ka nodorany;
2 ny vehivavy sy ny olon-drehetra trany tao nobaboiny avokoa, na ny kely na ny lehibe, ary tsy nisy novonoiny izy fa nentiny ho babo, dia lasa nandeha izy.
3 Nony tonga tao an-tanàna i Davida sy ny olony, dia hitany fa voadoro ny tanàna, ary ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy lasan-ko babo.
4 Ary samy nanandra-peo nitomany i Davida sy ireto olona niaraka taminy, mandra-pahalanin’ny heriny tsy nahatomany intsony.
5 lasan-ko babo mbamin’izy roa vavy, vadin’i Davida, dia i Akinôama avy any Jezraela, sy i Abigaila avy any Karmela, ilay novinadin’i Nabala.
6 Niferin’aina mafy i Davida, fa nanao teny hitora-bato azy ny antoko-miaramilany, satria samy nahatsiaro mangidy mafy loatra tao am-pony ny vahoaka noho ny amin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Nefa nampahery ny tenany tamin’i Iaveh Andriamaniny, i Davida.
7 Hoy i Davida tamin’i Abiatara mpisorona zanak’i Akimeleka: «Ento atỳ amiko ny efôda». Dia nentin’i Abiatara teo amin’i Davida ny efôda;
8 ka nanontany an’i Iaveh i Davida nanao hoe: «Hanenjika izany jirika izany va aho? Hahatratra azy va aho?» Ary hoy ny navaliny: «Enjeho, fa hahatratra azy marina tokoa ianao sady hanafaka.»
9 Dia niainga i Davida sy izy enin-jato lahy izay niaraka taminy. Nony tonga teo amin’ny ranon-driaka Besôra izy ireo, dia niato ny mpitaredretra tamin’izy ireo.
10 Nanohy ny dia fanenjehany niaraka tamin’ny efajato lahy i Davida, fa ny roan-jato lahy nijanona noho izy efa reraka tsy nahatafita ny ranon-driaka Besôra.
11 Ary nahita lehilahy Ejiptianina anankiray tany an-tsaha izy ireo ka nentiny tao amin’i Davida. Ary nomeny mofo izy dia nihinana ary nampisotroin-drano,
12 norosoana ampempan’aviavy maina iray didy, sy voaloboka maina roa takelaka. Nony efa nihinana izy, dia nody ny ainy, fa hateloana andro sy hateloana alina izy, tsy nihinan-kanina na nisotro rano.
13 Hoy i Davida taminy: «An’iza ianao, ary avy aiza?» Ka hoy ny navaliny: «Andevo Ejiptianina lasan-ko mpanompon’ny Amalesita anankiray aho, saingy narary, ka narian’ny tompoko, efa hateloana izay.
14 Nanafika an’i Negeban’ny Keretianina sy ny faritanin’i Jodà mbamin’i Negeban’i Kaleba izahay, ary nodorany i Sikelega».
15 Dia hoy i Davida taminy: «Manaiky hitarika ahy ho any amin’izany jirika izany va ianao?» Ary hoy ny navaliny: «Mianiàna amiko amin’Andriamanitra fa tsy hamono ahy ianao, na hanolotra ahy eo an-tanan’ny tompoko, dia hitarika anao ho any amin’izany jirika izany aho.»
16 Nony nitarika azy izy, dia indreo ny Amalesita, miely eran’ny tany, mihinana sy misotro, ary mandihy, fa nahazo babo betsaka tamin’ny tanin’ny Filistinina sy ny tanin’i Jodà.
17 Nasian’i Davida izy ireo, hatramin’ny takarivan’izay ka hatramin’ny ampitso hariva, tsy nisy hafa-nandositra afa-tsy zatovo efajato lahy izay nitaingin-drameva, dia nitsoaka.
18 Ka azon’i Davida indray izay rehetra voababon’ny Amalesita, ny vadiny roa voavonjy.
19 Ny olony, tsy nisy tsy azon’izy ireo, na kely na lehibe, na zanany lahy na zanany vavy, na ny zavatra, na inona na inona nalaina taminy: dia nentin’i Davida nody avokoa izany.
20 Koa nalain’i Davida ny biby fiompy na ny madinika na ny vaventy; dia nandeha teo alohan’izany andiam-biby fiompy izany izy ireo nanao hoe: «Itony no babon’i Davida».
21 Niverina i Davida nankany amin’izy roan-jato lahy izay reraka loatra ka tsy afa-nanaraka an’i Davida ka najanona tao amin’ny ranon-driaka Besôra, dia nitsena an’i Davida sy ny vahoaka izay niaraka taminy izy ireo. Nanatona azy ireo i Davida dia niarahaba azy tamim-pitiavana.
22 Fa rehefa mety ho lehilahy sompatra sy faikany tamin’ny olona niaraka tamin’i Davida dia niteny kosa nanao hoe: «Satria tsy mba tafaraka tamintsika ireo dia tsy mba homentsika amin’ny babo azontsika afa-tsy ny vady aman-janany isany avy ihany; ka aoka hoentiny izany ary handeha any izy».
23 Nefa hoy kosa i Davida: «Aza manao toy izany, ry rahalahy, amin’ny zavatra nomen’i Iaveh antsika, satria niaro antsika izy sy nanolotra eo an-tanantsika ny jirika tonga hamely antsika.
24 Ka iza no hanaiky anareo amin’izany raharaha izany? Tsy maintsy atao sahala ny anjaran’izay nidina hiady, sy ny an’izay nijanona tamin’ny entana: hiara-mizara daholo».
25 Dia natao araka izany hatramin’izay andro izay ka atỳ aoriana, dia nataon’i Davida lalàna sy fitsipika izany mandraka androany.
26 Nony tafaverina tany Sikelega i Davida dia nampanaterany ho an’ny loholon’i Jodà, sakaizany, ny babo azony, nataony hoe: «Iny fanatitra ho anareo, avy amin’ny babo azo tamin’ny fahavalon’i Iaveh;
27 dia ho an’ny ao Betela, an’ny ao Ramôtan’i Negeba, an’ny ao Jetera,
28 an’ny ao Arôera, an’ny ao Sefamôta, an’ny ao Estamao,
29 an’ny ao Karmela, an’ireo ao amin’ny tanànan’ny Jerameelita, an’ireo ao amin’ny tanànan’ny Kineanina,
30 an’ny ao Arama, an’ny ao Kôra-Asàna, an’ny ao Ataka,
31 an’ny ao Hebrôna, ary ho an’ny any amin’ny tany rehetra nalehan’i Davida sy ny olony».