Ireo zanak’i Israely
1 Ireto no zanak’i Israely: i Robena, i Simeôna, i Levì, i Jodà, i Isakara, i Zabolôna,
2 i Dàna, i Josefa, i Benjamina, i Neftalì, i Gada, ary i Asera.
Ireo taranak’i Jodà
3 Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, sy i Selà: izy telo lahy ireo no naterak’ilay zanaka vavin’i Soe, ilay vehivavy Kananeanina, taminy. I Hera lahimatoan’i Jodà dia ratsy fanahy teo imason’i Iaveh, ka nasiany ho faty.
4 I Thamara, vinanto vavin’i Jodà, niteraka an’i Faresa sy i Zarà taminy. Dimy ny lahy rehetra, zanak’i Jodà.
5 Zanak’i Faresa: i Hesrôna, sy i Hamola.
6 Zanak’i Zarà: i Zamrì, i Etàna, i Emàna, i Kalkala, ary i Darà: dimy lahy izy rehetra.
7 Zanak’i Karmì: i Akara izay nanahirana an’i Israely, tamin’ny fahadisoany momba ny zavatra natao anatema.
8 Zanak’i Etana: i Azariasa.
Ny niandohan’i Davida
9 Zanaka naterak’i Hesrôna: i Jerameela, i Ramà ary i Kaleba.
10 I Ramà niteraka an’i Aminadaba. I Aminadaba niteraka an’i Nahasôna, lohan’ny taranak’i Jodà.
11 I Nahasôna niteraka an’i Salmà, i Salmà niteraka an’i Booza,
12 I Booza niteraka an’i Obeda, i Obeda niteraka an’i Isaia,
13 i Isaia niteraka an’i Eliaba lahy matoany, i Abinadaba lahy aivo, i Simaà fahatelo,
14 i Natanaely fahefatra, i Radaia fahadimy,
15 i Asoma fahenina, ary i Davida fahafito.
16 Ny anabavin’ireo dia i Sarvià sy i Abigaila. Zanak’i Sarvià: i Abisaia, i Jôaba, i Asaela, telo lahy.
17 I Abigaila niteraka an’i Amasà, ary ny rain’i Amasà dia i Jetera, Ismaelita.
I Kaleba
18 I Kaleba zanak’i Esrôna, niteraka tamin’i Azobà vadiny, sy tamin’i Jeriôta. Indreto ny zanany lahy naterak’i Azobà taminy: i Jazera, i Sôbata, sy i Ardôna.
19 Ary maty i Azobà, ka naka an’i Efratà ho vady i Kaleba; io no niterahany an’i Hora.
20 I Hora niteraka an’i Orì, ary i Orì niteraka an’i Bezeleela.
21 Manaraka izany, niray tamin’ny zanaka vavin’i Makira, rain’i Galaada, i Hesrôna; efa enimpolo taona izy vao naka azy, ary niteraka an’i Segoba taminy, ravehivavy.
22 I Segoba niteraka an’i Jaira, izay nanana tanàna 23 tany amin’ny tany Galaada.
23 Nalain’ny Gesorianina sy ny Sirianina taminy ny vohitr’i Jaira, sy i Kanata mbamin’ny tanàna momba azy, tanàna enimpolo. Ireo rehetra ireo no zanaka lahin’i Makira, rain’i Galaada.
24 Efa maty tany Kaleba-Efrata, i Hesrôna, vao niteraka an’i Ashora rain’i Tekoa, tamin’i Abià vadiny.
I Jerameela
25 Ny zanaka lahin’i Jerameela lahy matoan’i Hesrôna dia: i Ramà lahy matoany, i Bonà, i Aràna, i Asoma, i Akià.
26 Nanambady hafa koa atao hoe i Atarà, i Jerameela; io no renin’i Onama.
27 Ny zanaka lahin-dRama lahimatoan’i Jerameela dia ireto: i Moosa, i Jamina, i Akora.
28 Ny zanaka lahin’i Semeià: i Nadaba sy i Abisora.
29 Ny anaram-badin’i Abisora dia i Abihaila, ary izy niteraka an’i Ahobàna, sy i Môlida taminy.
30 Zanakalahin’i Nadaba: i Saleda, sy i Afaima. Maty tsy niteraka i Saleda.
31 Zanaka lahin’i Afaima: I Jesì. Zanaka lahin’i Jesì: i Sesàna. Zanaka lahin’i Sesàna: i Oholaia.
32 Zanaka lahin’i Jadà, rahalahin’i Semeià: i Jetera sy i Jonatàna. Maty tsy niteraka i Jetera.
33 Zanaka lahin’i Jonatàna: i Faleta sy i Zizà. Ireo no zanaka lahin’i Jerameela.
34 Tsy nitera-dahy i Sesàna, fa nanan-janaka vavy izy. Nanana ankizy lahy Ejiptianina anankiray izy, atao hoe i Jeraà,
35 nomeny ho vadin’io ny zanany vavy, ka niteraka an’i Eteia taminy.
36 I Eteia niteraka an’i Natàna, i Natàna niteraka an’i Zabada.
37 I Zabada niteraka an’i Oflàla, i Oflàla niteraka an’i Obeda;
38 i Obeda niteraka an’i Jehò. I Jehò niteraka an’i Azariasa.
39 I Azariasa niteraka an’i Helesa, i Helesa niteraka an’i Elasà,
40 i Elasà niteraka an’i Sisamoia, i Sisamoia niteraka an’i Seloma,
41 i Seloma niteraka an’Ikamiasa ary i Ikamiasa niteraka an’i Elisamà.
I Kaleba
42 Zanaka lahin’i Kaleba rahalahin’i Jerameela: i Mesà, lahy matoany, rain’i Zifa, sy ny zanaka lahin’i Maresà, rain’i Hebrôna.
43 Zanaka lahin’i Hebrôna: i Kôre, i Tafoà, i Rekema, ary i Samà.
44 I Samà niteraka an-dRahama, rain’i Jerkaama; i Rekema niteraka an’i Samaia.
45 Zanaka lahin’i Samaia: i Maona, ary i Maona no rain’i Betsora.
46 I Efah vaditsindranon’i Kaleba, niteraka an’i Haràna, i Mosà ary i Gazeza. I Haràna niteraka an’i Gezea.
47 Zanaka lahin’i Jahadaia: i Regoma, i Joatana, i Gosàna, i Faleta, i Efah, ary i Saafa.
48 I Maakà vaditsindranon’i Kaleba niteraka an’i Sabera sy i Taranà.
49 Mbola niteraka an’i Saafa rain’i Madmenà, sy i Soe rain’i Makbenà sy rain’i Gabaà koa izy. Ary ny zanaka vavin’i Kaleba dia i Aksà.
50 Izao no zanaka lahin’i Kaleba.
I Hora
Zanaka lahin’i Hora, lahy matoan’i Efratà: i Sobala, rain’i Kariatiarima,
51 i Salmà rain’i Betlehema; i Harifa rain’i Betigadera.
52 Ny zanaka lahin’i Sobala, rain’i Kariatiarima dia: i Harôe, antsasaky ny Manaktiana.
53 Ny fokon’i Kariatiarima dia: ny Jetreanina, ny Afoteanina, ny Semateanina ary ny Masereanina. Avy amin’izy ireo no niavian’ny Sareanina sy ny Estaôlianina.
54 Zanaka lahin’i Salmà: i Betlehema sy ny Netofatianina, i Atarôta-Bety-Jôaba, ny antsasaky ny Manaktiana, ny Sareanina,
55 mbamin’ny fokon’ny mpanoratra monina any Jabesa, dia ny Tiratianina, ny Skomatianina, ary ny Sokatianina. Ireo no Kineanina avy amin’i Hamata, rain’ny fianakavian’i Rekaba.