Categories
1Tantara

1Tantara 2

Ireo zanak’i Israely

1 Ireto no zanak’i Israely: i Robena, i Simeôna, i Levì, i Jodà, i Isakara, i Zabolôna,

2 i Dàna, i Josefa, i Benjamina, i Neftalì, i Gada, ary i Asera.

Ireo taranak’i Jodà

3 Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, sy i Selà: izy telo lahy ireo no naterak’ilay zanaka vavin’i Soe, ilay vehivavy Kananeanina, taminy. I Hera lahimatoan’i Jodà dia ratsy fanahy teo imason’i Iaveh, ka nasiany ho faty.

4 I Thamara, vinanto vavin’i Jodà, niteraka an’i Faresa sy i Zarà taminy. Dimy ny lahy rehetra, zanak’i Jodà.

5 Zanak’i Faresa: i Hesrôna, sy i Hamola.

6 Zanak’i Zarà: i Zamrì, i Etàna, i Emàna, i Kalkala, ary i Darà: dimy lahy izy rehetra.

7 Zanak’i Karmì: i Akara izay nanahirana an’i Israely, tamin’ny fahadisoany momba ny zavatra natao anatema.

8 Zanak’i Etana: i Azariasa.

Ny niandohan’i Davida

9 Zanaka naterak’i Hesrôna: i Jerameela, i Ramà ary i Kaleba.

10 I Ramà niteraka an’i Aminadaba. I Aminadaba niteraka an’i Nahasôna, lohan’ny taranak’i Jodà.

11 I Nahasôna niteraka an’i Salmà, i Salmà niteraka an’i Booza,

12 I Booza niteraka an’i Obeda, i Obeda niteraka an’i Isaia,

13 i Isaia niteraka an’i Eliaba lahy matoany, i Abinadaba lahy aivo, i Simaà fahatelo,

14 i Natanaely fahefatra, i Radaia fahadimy,

15 i Asoma fahenina, ary i Davida fahafito.

16 Ny anabavin’ireo dia i Sarvià sy i Abigaila. Zanak’i Sarvià: i Abisaia, i Jôaba, i Asaela, telo lahy.

17 I Abigaila niteraka an’i Amasà, ary ny rain’i Amasà dia i Jetera, Ismaelita.

I Kaleba

18 I Kaleba zanak’i Esrôna, niteraka tamin’i Azobà vadiny, sy tamin’i Jeriôta. Indreto ny zanany lahy naterak’i Azobà taminy: i Jazera, i Sôbata, sy i Ardôna.

19 Ary maty i Azobà, ka naka an’i Efratà ho vady i Kaleba; io no niterahany an’i Hora.

20 I Hora niteraka an’i Orì, ary i Orì niteraka an’i Bezeleela.

21 Manaraka izany, niray tamin’ny zanaka vavin’i Makira, rain’i Galaada, i Hesrôna; efa enimpolo taona izy vao naka azy, ary niteraka an’i Segoba taminy, ravehivavy.

22 I Segoba niteraka an’i Jaira, izay nanana tanàna 23 tany amin’ny tany Galaada.

23 Nalain’ny Gesorianina sy ny Sirianina taminy ny vohitr’i Jaira, sy i Kanata mbamin’ny tanàna momba azy, tanàna enimpolo. Ireo rehetra ireo no zanaka lahin’i Makira, rain’i Galaada.

24 Efa maty tany Kaleba-Efrata, i Hesrôna, vao niteraka an’i Ashora rain’i Tekoa, tamin’i Abià vadiny.

I Jerameela

25 Ny zanaka lahin’i Jerameela lahy matoan’i Hesrôna dia: i Ramà lahy matoany, i Bonà, i Aràna, i Asoma, i Akià.

26 Nanambady hafa koa atao hoe i Atarà, i Jerameela; io no renin’i Onama.

27 Ny zanaka lahin-dRama lahimatoan’i Jerameela dia ireto: i Moosa, i Jamina, i Akora.

28 Ny zanaka lahin’i Semeià: i Nadaba sy i Abisora.

29 Ny anaram-badin’i Abisora dia i Abihaila, ary izy niteraka an’i Ahobàna, sy i Môlida taminy.

30 Zanakalahin’i Nadaba: i Saleda, sy i Afaima. Maty tsy niteraka i Saleda.

31 Zanaka lahin’i Afaima: I Jesì. Zanaka lahin’i Jesì: i Sesàna. Zanaka lahin’i Sesàna: i Oholaia.

32 Zanaka lahin’i Jadà, rahalahin’i Semeià: i Jetera sy i Jonatàna. Maty tsy niteraka i Jetera.

33 Zanaka lahin’i Jonatàna: i Faleta sy i Zizà. Ireo no zanaka lahin’i Jerameela.

34 Tsy nitera-dahy i Sesàna, fa nanan-janaka vavy izy. Nanana ankizy lahy Ejiptianina anankiray izy, atao hoe i Jeraà,

35 nomeny ho vadin’io ny zanany vavy, ka niteraka an’i Eteia taminy.

36 I Eteia niteraka an’i Natàna, i Natàna niteraka an’i Zabada.

37 I Zabada niteraka an’i Oflàla, i Oflàla niteraka an’i Obeda;

38 i Obeda niteraka an’i Jehò. I Jehò niteraka an’i Azariasa.

39 I Azariasa niteraka an’i Helesa, i Helesa niteraka an’i Elasà,

40 i Elasà niteraka an’i Sisamoia, i Sisamoia niteraka an’i Seloma,

41 i Seloma niteraka an’Ikamiasa ary i Ikamiasa niteraka an’i Elisamà.

I Kaleba

42 Zanaka lahin’i Kaleba rahalahin’i Jerameela: i Mesà, lahy matoany, rain’i Zifa, sy ny zanaka lahin’i Maresà, rain’i Hebrôna.

43 Zanaka lahin’i Hebrôna: i Kôre, i Tafoà, i Rekema, ary i Samà.

44 I Samà niteraka an-dRahama, rain’i Jerkaama; i Rekema niteraka an’i Samaia.

45 Zanaka lahin’i Samaia: i Maona, ary i Maona no rain’i Betsora.

46 I Efah vaditsindranon’i Kaleba, niteraka an’i Haràna, i Mosà ary i Gazeza. I Haràna niteraka an’i Gezea.

47 Zanaka lahin’i Jahadaia: i Regoma, i Joatana, i Gosàna, i Faleta, i Efah, ary i Saafa.

48 I Maakà vaditsindranon’i Kaleba niteraka an’i Sabera sy i Taranà.

49 Mbola niteraka an’i Saafa rain’i Madmenà, sy i Soe rain’i Makbenà sy rain’i Gabaà koa izy. Ary ny zanaka vavin’i Kaleba dia i Aksà.

50 Izao no zanaka lahin’i Kaleba.

I Hora

Zanaka lahin’i Hora, lahy matoan’i Efratà: i Sobala, rain’i Kariatiarima,

51 i Salmà rain’i Betlehema; i Harifa rain’i Betigadera.

52 Ny zanaka lahin’i Sobala, rain’i Kariatiarima dia: i Harôe, antsasaky ny Manaktiana.

53 Ny fokon’i Kariatiarima dia: ny Jetreanina, ny Afoteanina, ny Semateanina ary ny Masereanina. Avy amin’izy ireo no niavian’ny Sareanina sy ny Estaôlianina.

54 Zanaka lahin’i Salmà: i Betlehema sy ny Netofatianina, i Atarôta-Bety-Jôaba, ny antsasaky ny Manaktiana, ny Sareanina,

55 mbamin’ny fokon’ny mpanoratra monina any Jabesa, dia ny Tiratianina, ny Skomatianina, ary ny Sokatianina. Ireo no Kineanina avy amin’i Hamata, rain’ny fianakavian’i Rekaba.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *