Categories
1Tantara

1Tantara 22

1 Ary hoy i Davida: «Eto no ho tranon’i IavehAndriamanitra, eto no ho ôtely fanaovan’i Israely sorona dorana.»

Fiomanana hanorenana ny tempoly

2 Dia nasain’i Davida novorina ny vahiny teo amin’ny tanin’i Israely, ka nanendry tambato hipai-bato, hanaovana ny tranon’Andriamanitra izy.

3 Novononin’i Davida koa izao: Vy betsaka hanaovam-pantsika ho an’ny lela-varavarana sy ny faraingo, ary varahina betsaka tsy hita lanja intsony,

4 hazo sedera tsy hita isa, fa nanateran’ny Sidonianina sy ny Tirianina hazo sedera sesehena, i Davida.

5 Hoy i Davida: «I Salômôna, zanako, mbola tanora sy malemy, ary ny trano hatao ho an’i Iaveh dia tsy maintsy ho kanto indrindra mba hahazo laza amam-boninahitra amin’ny tany rehetra, ka tiako ny mamonona zavatra ho azy.» Dia nahavonona be tokoa i Davida talohan’ny nahafatesany.

6 Ary i Davida niantso an’i Salômôna zanany, ka nandidy azy hanao trano ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

7 Izao no lazain’i Davida tamin’i Salômôna: «Anaka, zava-nokendreko ny hanao trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitra.

8 Saingy tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: Nandatsaka ra be ianao sady nanao ady lehibe, ka tsy hanao trano amin’ny Anarako, satria be ny ra nalatsakao tamin’ny tany teo imasoko.

9 Fa indro hisy zazalahy haterakao, izay ho lehilahy miadana, homeko fandriam-pahalemana, eo anatrehan’ny fahavalo manodidina azy, fa hatao hoe Salômôna no anarany, ary homeko fandriam-pahalemana sy fiadanana i Israely amin’ny androny.

10 Izy no hanao trano ho an’ny Anarako; ho toy ny zanaka ho Ahy izy, ary ho toy ny ray ho azy Aho, ary hohamafisiko mandrakizay amin’i Israely ny seza fiandrianan’ny fanjakany.

11 Koa ankehitriny, anaka, homba anao anie i Iaveh, mba hiadana ianao, ary hanao ny tranon’i Iaveh Andriamanitrao, araka ny efa nilazany anao.

12 Ho sitrak’i Iaveh ihany anie, ny hanome fahendrena amam-pahazavan-tsaina anao, rehefa hanome fahefana anao amin’i Israely izy, mba hankatoavanao ny lalàn’i Iaveh Andriamanitrao.

13 Hoambinina ianao amin’izay, raha manampò tokoa ny hanaraka ny lalàna amam-pitsipika nandidian’i Iaveh an’i Môizy ho an’i Israely. Mahereza ary matokia fa aza matahotra na manam-badi-po.

14 Indro fa izaho nananosarotra mafy ka nahavonona izao, ho an’ny tranon’i Iaveh: talenta volamena 100.000, talenta volafotsy 1.000.000, ny varahina amam-by kosa tsy hita lanja intsony, noho ny habetsahany loatra. Efa nahavonona hazo amam-bato koa aho, ary mbola hampianao.

15 Ary indro mby eto aminao ny mpiasa be dia be, tambato, mpahay vato aman-kazo, olo-mahay amin’izao karazan’asa rehetra izao.

16 Ny volamena amam-bolafotsy sy ny varahina amam-by, izany efa tsy hita isa intsony. Koa mitsangàna, miasà, ary homba anao anie i Iaveh.»

17 Nandidy ny lehibe rehetra amin’i Israely koa i Davida hanampy an’i Salômôna zanany, ka hoy izy:

18 «Tsy momba anareo va i Iaveh Andriamanitrareo, ary moa tsy efa nomeny fandriam-pahalemana eo amin’ny manodidina rehetra va ianareo? Fa ny mponina amin’ny tany efa natolony teo an-tanako; ary ny tany efa nampanekena teo anoloan’i Iaveh, sy teo anoloan’ny vahoakany.

19 Koa ankehitriny araiketo amin’ny fitadiavana an’i Iaveh Andriamanitrareo ny fo amam-panahinareo, mitsangàna hanao ny fitoerana masina ho an’i Iaveh Andriamanitra, mba hitondra hankatỳ ny fiaran’ny faneken’i Iaveh mbamin’ny fanaka masin’Andriamanitra, ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny Anaran’i Iaveh.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *