I Isakara
1 Zanaka lahin’i Isakara: i Tolà, i Foà, i Josoba ary i Simerôna: efatra izy.
2 Zanaka lahin’i Tolà: i Ozia, i Rafaia, i Jeriela, i Jemaia, i Jebsema, ary i Samoela, samy lohan’ny fokom-pianakaviany izay avy amin’i Tolà, lehilahy mahery, voasoratra araka ny taranany tamin’i andron’i Davida, 22.600 no isany.
3 Zanaka lahin’i Ozia: i Izrahia. Zanaka lahin’i Izrahia: i Mikaela, i Obadià, i Joela, ary i Jesià, filohany dimy izy rehetra.
4 Nana-miaramila momba azy, efa hary fitaovana hiantafika izy ireo, araka ny fianakaviana fiaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, nisy 36.000 ireny, fa maro vady aman-janaka izy.
5 Ny rahalahin’izy ireo araka ny fianakaviana ao amin’i Isakara rehetra, lehilahy mahery, dia nisy 87.000 ny tontaliny, voasoratra amin’ny tetiaram-pirazanana.
I Benjamina
6 Zanaka lahin’i Benjamina: i Bela, i Bekora, ary i Jadihela, telo izy.
7 Zanaka lahin’i Bela: i Esbôna, i Ozia, i Oziela, i Jerimota ary i Oraia; dimy izy lohan’ny fokom-pianakaviana, lehilahy mahery, 22.034 no isany, voasoratra amin’ny tetiarana.
8 Zanakalahin’i Bekora: i Zamirà, i Jôasa, i Eliezera, i Eliônaia, i Amri, i Jerimota, i Abià, i Anatôta, ary i Almata. Zanaka lahin’i Bekora avokoa izy rehetra ireo,
9 voasoratra amin’ny tetiaram-pirazanana araka ny taranany avy, ho lohan’ny fokom-pianakaviany, lehilahy mahery, 20.200 no isany.
10 Zanaka lahin’i Jadihela: i Balàna. Zanaka lahin’i Balàna: i Jehosy, i Benjamina, i Aôda, i Kananà, i Zetàna, i Tarsisa, ary i Abisahera:
11 Zanaka lahin’i Jadihela avokoa izy rehetra ireo, samy lohan’ny fokom-pianakaviany, lehilahy mahery, 17.200 ny isany, mahazo mitondra fiadiana hiantafika.
12 Zanaka lahin’i Hira: i Sefama sy i Hafamà. Zanaka lahin’i Ahera: i Hasima.
I Neftalì
13 Zanaka lahin’i Neftalì: i Jasiela, i Gonì, i Jesera ary i Seloma, zanaka lahin’i Balà.
I Manase
14 Zanaka lahin’i Manase: i Esriela. Ilay Sirianina vaditsindranony, niteraka an’i Makira, rain’i Galaada.
15 I Makira naka vady tamin’ny avy amin’i Hapfima sy i Safàna: Maakà no anaran’ny anabaviny. I Salfaada no zanany lahy aivo, ary nanan-janaka vavy i Salfaada.
16 Nitera-dahy i Maakà, vadin’i Makira, ka nataony hoe Faresa no anarany ary i Saresa no anaran’ny rahalahiny: i Olama sy i Resena no zanany lahy;
17 zanaka lahin’i Olama: i Badàna. Ireo no zanaka lahin’i Galaada, zanak’i Makira, zanak’i Manase.
18 Ary i Amoleketa anabaviny, niteraka an’i Iskôda, i Abiezera, ary i Moholà.
19 Ny zanaka lahin’i Semidà dia i Ahina, i Sekema, i Lesia ary i Aniama.
I Efraima
20 Zanaka lahin’i Efraima: i Sotalà, i Bareda zanany, i Tahata zanany, i Eladà zanany, i Tahata zanany,
21 i Zobada zanany, i Sotalà zanany, ary i Ezera sy i Elada izay novonoin’ny lehilahy tao Geta, izay tera-tany, fa nidina hangalatra ny biby fiompiny.
22 Nisaonan’i Efraima rainy ela izy ireo, ka tonga ny rahalahiny hampionona azy.
23 Nandeha tamin’ny vadiny izy, dia nanana anaka ravehivavy, ka nitera-dahy; dia nomeny anarana hoe Berià, satria tra-pahoriana izy ireo tao an-tranony.
24 Ny zanany vavy kosa dia i Sarà, izay nanorina an’i Betôrôna ambany sy i Betôrôna ambony ary i Ozena-Sarà.
25 I Rafà zanany sy i Resefa, i Tale zanany, i Taàna zanany,
26 i Laadàna zanany, i Amioda zanany, i Elisamà zanany,
27 i Nona zanany, i Jôsoe zanany.
28 Ary ny taniny amam-ponenany, dia i Betela mbamin’ny tanàna momba azy, any atsinanana, i Noràna, any andrefana i Gezera mbamin’ny tanàna momba azy, hatrany Azà mbamin’ny tanàna momba azy.
29 Eo an-tanan’ny taranak’i Manase koa i Betsàda sy ny tanàna momba azy i Tanàka sy ny tanàna momba azy, i Magedao sy ny tanàna momba, azy, i Dôra sy ny tanàna momba azy. Tamin’ireo tanàna ireo no nonenan’ny taranak’i Josefa, zanak’i Israely.
I Asera
30 Zanaka lahin’i Asera: i Jemnà, i Jesoà, i Jesoì, i Barià ary i Sarà anabavin’ireo.
31 Zanaka lahin’i Barià: i Hebera sy i Melkiela; izy no Barsaita.
32 I Hebera niteraka an’i Jeflata, i Somera, i Hôtama, ary i Soà anabavin’ireo.
33 Zanaka lahin’i Jeflata: i Foseka, i Kamaala ary i Asota: ireo no zanaka lahin’i Jeflata.
34 Zanaka lahin’i Somera: i Ahia, i Rôagà, i Habà ary i Arama.
35 Zanaka lahin’i Helema rahalahiny: i Sofa, i Jemnà, i Salesa ary i Amala.
36 Zanaka lahin’i Sofa: i Soà, i Harnafera, i Soala, i Berì,
37 i Jamrà, i Bosora, i Hôda, i Samnà, i Salosà, i Jetrama ary i Berà.
38 Zanaka lahin’i Jetera: i Jefone, i Fasfà ary i Arà.
39 Zanaka lahin’i Olà: i Aerà, i Haniela, ary i Resià.
40 Zanak’i Asera avokoa ireo, lohan’ny fokom-pianakaviana, olom-boafantina sy mahery, lehiben’ny loham-pireneny, 26.000 no isany voasoratra, samy mahazo mitondra fiadiana hiantafika.