Taranak’i Benjamina
1 Ny naterak’i Benjamina dia i Bela lahy matoany, i Asbela lahy aivo, i Aharà fahatelo,
2 i Nohaà fahefatra, ary i Rafà fahadimy.
3 Ny zanaka lahin’i Bela dia i Adara, i Gerà, i Abioda,
4 i Abisoe, i Naamàna, i Ahôe,
5 i Gerà, i Sefofàna ary i Horama.
Tao Gabaà
6 Izao no zanaka lahin’i Ahoda: lohan’ny fianakaviana nonina tao Gabaà izy ireo, ary nafindrany tany Manahata:
7 i Naamàna, i Akià, ary i Gerà ilay namindra azy sy niteraka an’i Ozà sy Ahioda.
Tany Moaba
8 Niteraka tao amin’ny tanin’i Moaba, i Saharaima, taorian’ny nisaorany an’i Hosima sy i Barà, vadiny.
9 I Hodesa vadiny no niterahany an’i Jôbaba, i Sebià, i Mosà, i Molkôma, i Jehosa, i Sekià ary i Marmà.
10 Ireo no zanany lahy, loham-pianakaviana.
Tany Onô sy Loda
11 Ary i Hosima no niterahany an’i Abitoba sy i Elfaala.
12 Zanakalahin’i Elfaala: i Hebera, i Misaama ary i Samada, izay nanorina an’i Onô sy i Loda mbamin’ny tanàna momba azy.
Tao Aialôna
13 I Barià sy i Samà, lohan’ny fianakaviana nonina tao Aialôna no nampandositra ny mponina tao Geta.
14 I Ahiaô, i Sesàka, i Jerimota,
Tao Jerosalema
15 i Zabadia, i Aroda, i Hedera,
16 i Mikaela, i Jesfà ary i Jôhà no zanaka lahin’i Barià.
17 I Zabadia, i Mosoliama, i Hezesì, i Hebera,
18 i Jesamarì, i Jezlia, ary i Jôbaba no zanak’i Elfaala.
19 I Jasima, i Zekria, i Zabdia,
20 i Eliônaia, i Seletaia, i Eliela,
21 i Adaia, i Baraià ary i Semarata no zanak’i Semeià.
22 I Jesfàna, i Hebera, i Eliela,
23 i Abdôna, i Zekria, i Hanàna,
24 i Hananià, i Elama, i Anatôtià,
25 i Jefdaià ary i Fanoela no zanak’i Sesàka.
26 I Samsarì, i Sohorià, i Otolià,
27 i Jersià, i Elià ary i Zekrià no zanak’i Jerôhama.
28 Loham-pianakaviana ireo, samy loholona araka ny fiaviam-pianakaviany, ary nonina tao Jerosalema.
Tao Gabaôna
29 Tao Gabaôna no nonina ny rain’i Gabaôna, ary Maakà no anaran’ny vadiny.
30 I Abdôna no zanany lahimatoa, dia i Sora, i Kisa, i Baala, i Nadaba,
31 i Gedôra, i Ahiao ary i Zakera.
32 I Makelôta niteraka an’i Samaà. Nonina tao akaikin’ny rahalahiny koa ireo tao Jerosalema, niaraka tamin’ny rahalahiny.
I Saola sy ny fianakaviany
33 I Nera niteraka an’i Kisa, i Kisa niteraka an’i Saola, i Saola niteraka an’i Jonatàna, i Melkiasoa, i Abinadaba ary i Esbaala.
34 Zanaka lahin’i Jonatàna: i Meribaala. I Meribaalaniteraka an’i Mikà.
35 Zanaka lahin’i Mikà: i Fitôna, i Meleka, i Toraà sy i Akaza.
36 I Akaza niteraka an’i Joada, i Joada niteraka an’i Alamata, i Azmota ary i Zamrì, i Zamrì niteraka an’i Mosà,
37 i Mosà niteraka an’i Banaà, i Rafà zanany, i Falsà zanany, i Asela zanany.
38 Nanan-janaka enin-dahy i Asela ka ireto avy no anarany: Ezrikama, Bôkro, Ismaela, Sarià, Obadià ary Hanàna: zanak’i Asela avokoa ireo.
39 Zanaka lahin’i Eseka rahalahiny: i Olama lahimatoany, i Jehosa faharoa, ary i Elifaleta fahatelo.
40 Ny zanaka lahin’i Olama dia lehilahy mahery sady mpandefa zana-tsipìka; ary nanan-janaka lahy aman-jafy maro izy ireo, dia 150.
Ireo rehetra ireo dia taranak’i Benjamina avokoa.